Seminera
Fizarana 1: Andro 2, Ny Drafitry ny Famonjena


Fizarana 1: Andro 2

Ny Drafitry ny Famonjena

Fampidirana

Ny Raintsika any An-danitra dia nanome antsika, Zanany, drafitra iray izay natao hitondra antsika rehetra ho any amin’ny fifaliana sy fisandratana mandrakizay. Ny ivon’izany drafitra nataony izany dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny Sorompanavotana dia mandresy ny vokatry ny Fahalavoana ary mahatonga antsika ho afaka hibebaka sy hadio amin’ny fahotantsika ka ahafahantsika mahazo fifaliana amin’ity fiainana ity sy ho mandrakizay.

Sary
Sarivongan’ i Kristy

Ity lesona ity dia hanome fampahafantarana fohy momba ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Afaka manampy anao hahita ny fomba fifandraisan’ireo fahamarinan’ny filazantsara izay ianaranao amin’ity taona ity izany sy ny fifandraisan’izany amin’ny tanjonao ety an-tany. Rehefa mitombo ny fahatakaranao ny drafitry ny famonjena, dia hitombo koa ny finoanao an’Andriamanitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy, ary hitombo koa ny fahafahanao manatanteraka ny anjara asanao ao amin’ilay drafitry. Ny drafitry ny famonjena dia “ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay natao hitondra ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. Ao anatin’izany ny Fahariana, ny Fahalavoana, ary ny Sorompanavotana, miaraka amin’ireo lalàna nomen’Andriamanitra, ireo ôrdônansy ary ireo fotopampianarana. Ilay drafitra no ahafahan’ny olona rehetra hahazo fisandratana sy hiaina mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Drafitry ny Fanavotana,” scriptures.lds.org).

Ilay drafitra no manampy antsika hahatakatra ny tanjontsika amin’ny fiainana mety maty.

Ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra dia mamaly fanontaniana maro izay napetraky ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainany. Moa ve ianao efa nisaintsaina fanontaniana toy ny hoe: “Avy aiza aho?” “Nahoana aho no eto?” “Ho aiza aho aorian’ity fiainana ity?”

Talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany dia niaina teo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra isika tamin’ny naha iray tamin’ireo zanaka fanahy antsika. Zanany ara-bakiteny isika, ary tia antsika Izy. Ny drafitry ny famonjeny no lalana ahafahantsika tsirairay ho tonga tahaka Azy ary hahazo ireo fitahiana rehetra avy Aminy. Nahatakatra sy nanaiky izany drafitra nataony izany isika talohan’ny nahatongavantsika tety an-tany.

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fahatakarantsika ny drafitry ny famonjena ny Bokin’i Môrmôna. Ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampiasa fomba fiteny maro rehefa niresaka momba ilay drafitra izy ireo.

  1. Vakio ireo soratra masina voatanisa etsy ambany, ary fantaro ny anarana nentina nilazana ny drafitry ny Ray any An-danitra ao amin’ny andininy tsirairay. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anarana eo akaikin’ilay fanoroana ny soratra masina. Ampahafantarina anao ilay voalohany.

    1. 2 Nefia 9:6“Drafitra feno famindram-pon’Ilay Mpahary Lehibe”

    2. 2 Nefia 11:5

    3. Almà 12:25

    4. Almà 24:14

    5. Almà 42:8

    6. Almà 42:15

Ny teny toy ny hoe be famindram-po, fanafahana, famonjena, fifaliana, ary fanavotana dia manamafy ny fotopampianarana fa natao hitondra famonjena sy fifaliana mandrakizay ho an’ny Zanany ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona amin’ny fiainanao no fiovana entin’ny fahafantarana fa manana drafitra ho an’ny fifalianao sy ny fisandratanao ny Ray any An-danitra?

Ny anjara toeran’ny Fahafahana Misafidy sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ao amin’ny Drafitry ny Famonjena

I Adama sy i Eva no zanaky ny Ray any An-danitra tonga tety an-tany voalohany. Napetrany tao amin’ny Sahan’i Edena izy ireo ary nomeny fahafahana misafidy—“ny fahafahana sy tombontsoa … hisafidy ho an’ny tenany manokana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Safidy malalaka,” scriptures.lds.org). Nodidiany mba tsy hihinana ilay voan’ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy ireo. Ny fankatoavana izany didy izany dia midika fa afaka hijanona ao amin’ilay saha izy ireo, saingy tsy afaka ny hivoatra amin’ny fananana traikefa momba ny fifanoherana ao amin’ny fiainana mety maty. Tsy afaka ny hahafantatra fifaliana izy ireo satria tsy afaka ny hiaina alahelo sy fanaintainana.

Vakio ny 2 Nefia 2:17–20 ary tadiavo izay zavatra nitranga tamin’i Adama sy i Eva rehefa avy nisafidy ny tsy hankato ny didin’Andriamanitra izy. Eo amin’ny toerana voatokana amin’izany, lazao izay nosafidian’i Adama sy i Eva natao ary milazà vokany roa naterak’izany safidy izany—izay antsoina amin’ny mahazatra hoe Fahalavoana—teo amin’izy ireo:

Vakio ny 2 Nefia 2:22–26 ary mitadiava vokatra hafa izay nateraky ny safidy nataon’i Adama sy i Eva. Mariho ao amin’ny soratra masinao ny fahamarinana fanampiny izay nianaranao momba ny vokatry ny Fahalavoana.

  1. Ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, farano ity ampahan-dahatsoratra ity amin’ny famaritana ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva eo aminao manokana. Asio hevitra mikasika ny safidy, fahafahana misafidy, vatana, fahafatesana, zanaka, sy fahotana.

    “Noho ny fandikan-dalàna nataon’i Adama sy i Eva, izaho koa dia ao anatin’ny toetra lavo ary …”

Ny Anjara asan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny Drafitry ny Famonjena

Sary
I Kristy nitsangana tamin’ny maty eo amin’ny fasana

Ny fahotana sy ny fahafatesana dia mampisaraka antsika amin’ny fanatrehan’ny Raintsika any An-danitra. Tsy afaka ny hiverina eo anatrehan’Andriamanitra isika raha tsy misy fanampiana avy any amin’Andriamanitra. Tokony ho takatsika ny anjara asan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ao amin’ny drafitry ny famonjena mba hahafahantsika manana finoana Azy ary hanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra. Halalino ny Môsià 3:17–19, ka mitadiava andian-teny izay manambara ny fomba handresen’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny vokatry ny Fahalavoana ary manampy antsika hahazo fifaliana sy hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra. Fintino amin’ny teninao manokana ireo andininy ireo:

Ny fitsipika iray izay ianarantsika dia ny hoe: I Jesoa Kristy no mpandray anjara fototra ao amin’ny drafitry ny famonjena, ary ny Sorompanavotany no mahatonga ilay drafitra hanan-kery ho an’ireo zanak’Andriamanitra rehetra.

  1. Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto: 2 Nefia 2:8; Môsià 3:7–11; 16:4–8; Almà 34:9, 15–16; Môrmôna 9:13–14. Manoratà ampahan-dahatsoratra iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra izay manazava izay nampianarina momba ny anjara asa lehibe ananan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny famonjena. Mety ho tianao tsipihina ireo andian-teny izay manan-danja manokana ho anao.

Ny andraikitsika ao amin’ny Drafitry ny Famonjena

Nomen’ny Ray any An-danitra ny drafiny tonga lafatra mba hahazoantsika fifaliana sy fisandratana mandrakizay miaraka Aminy sy ireo olon-tiantsika. Nahatanteraka ny anjara asany tao amin’ilay drafitra, nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy ary nanome fahafahana antsika mba handresy ny ota sy hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra indray. Na izany aza, tsy manafoana ny andraikitsika ao amin’ny drafitra izany.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe: Ireo sasatsasany amin’ny andraikitro ao amin’ny drafitry ny famonjena, ary tanisao izay ampianarin’ireto soratra masina manaraka ireto momba ny andraikitsika manokana mba hanasa ny herin’ny Sorompanavotana ao amin’ny fiainantsika sy handray tanteraka ireo fitahian’ny drafitry ny famonjena:

    1. 2 Nefia 2:25–27

    2. Môsià 3:12–13

    3. Almà 12:24–25, 32–34

    4. 3 Nefia 27:13–14, 20–22, 27

Ireo soratra masina ireo dia manampy antsika hahatakatra fa rehefa misafidy ny hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika ary manaraka ny drafitr’Andriamanitra, dia miomana ny handray ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

  1. Eritrereto hoe nasaina manao lahateny momba ny drafitry ny famonjena ianao any am-piangonana. Amin’ny fampiasana izay nianaranao avy ao amin’ny soratra masina tao amin’ny asa nampanaovina tetsy ambony, manoratà ao amin‘ny diary fandalinanao soratra masina izay zavatra holazainao momba ny andraikitsika manokana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Saintsaino izay zavatra afaka ataonao mba hanatanterahanao tsaratsara kokoa ny andraikitrao ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ary mba hanasana ny herin’ny Mpanavotra ao amin’ny fiainanao. Afaka mizara ny hevitrao amin’ny ray aman-dreninao, na iray tampo aminao na ny namanao akaiky koa ianao.

Ny Drafitry ny Famonjena dia mitondra valim-panontaniana sy torolalana

Ny fahatakarana ny drafitry ny famonjena dia afaka mitarika anao rehefa mandray fanapahan-kevitra ianao na rehefa mitady valim-panontaniana izay mety mipetraka aminao na amin’ny hafa.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireo fanontaniana etsy ambany amin’ny filazana ny fomba hahazoana fitarihana sy valim-panontaniana amin’ny fahatakarana ny drafitry ny famonjena:

    1. Mitondra inona eo amin’ny fahatsapanao ny tenanao ho sarobidy ny fahafantarana fa zanakalahy na zanakavavin’Andriamanitra ara-bakiteny ianao?

    2. Inona no holazainao ny olona iray izay milaza fa “Fiainako ity—hanao izay tiako hatao aho”?

    3. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fahatakarana ny drafitry ny famonjena ny olona iray mba handresy ilay fahatsapana fa ny fiainana dia fanaovana izay mahafinaritra fotsiny sy fanomezana fahafam-po ny faniriantsika sy ny filantsika fotsiny?

    4. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny fahafantaranao ny drafitry ny famonjena mba hanampy olona iray izay misedra fitsapana ary mahatsapa fa izany dia noho ny tsy fitiavan’Andriamanitra azy?

Ny fahatakarana ny drafitry ny famonjena dia afaka manampy anao hankato ny didin’Andriamanitra satria izany dia manazava hoe nahoana isika no tokony hankato azy ireny (Jereo ny Almà 12:32).

  1. Vakio ny 2 Nefia 2:25, ary fintino ny tanjon’ny drafitry ny famonjena amin’ny famaliana ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina: Amin’ny fomba ahoana no nitondran’ny drafitry ny famonjena fifaliana ho anao sy ny fianakavianao?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny lesona “Drafitry ny Famonjena” aho ary nahavita izany tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy