Seminera
Fizarana 32: Andro 3, Môrônia 10:1–7, 27–29


Fizarana 32: Andro 3

Môrônia 10:1–7, 27–29

Fampidirana

Namporisika ny Lamanita sy ireo rehetra izay hamaky ny fijoroana ho vavolombelona nananany i Môrônia mba hamantatra ho an’ny tenan’izy ireo manokana ny fahamarinan’ny teniny amin’ny alalan’ny fangatahana amin’Andriamanitra. Nampianatra izy fa ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy i Jesoa Kristy dia ho tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Nanambara tamim-pahasahiana i Môrônia fa hifankahita amin’ny mpamaky ny teniny eo anoloan’ny toeram-pitsaran’Andriamanitra izy, izay eo no hanamafisan’Andriamanitra ny fahamarinan’ny teniny.

Môrônia 10:1–7

Mamporosika antsika mba hahazo fijoroana ho vavolombelon momba ny Bokin’i Môrmôna sy momba an’i Jesoa Kristy i Môrônia

Avereno jerena ny lesona fampidirana ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny fizarana 1 ato amin’ity boky ity. Tadidinao ve ny anton’ilay vato ifaharana eo amin’ny andohalambo iray sy ny ifandraisan’ny vato ifaharana amin’ny Bokin’i Môrmôna? Avadiho any amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna ny boky (hita any amin’ny fiandohan’ny boky), ary vakio ny fanambarana avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny andinin-tsoratra fahaenina.

Sary
andohalambo misy vato ifaharana

Namaritra ny Bokin’i Môrmôna ho toy ny “vato ifaharan’”ny finoantsika ny Mpaminany Joseph Smith, izay midika fa ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Bokin’i Môrmôna dia mihazona sy mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ireo fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Vakio ny andinin-tsoratra farany ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna ary tadiavo ireo fahamarinana azon’ny olona iray fantarina amin’ny alalan’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Tahaka ny hihazonan’ny vato ifaharana miaraka ny andohalambo, ahoana no mahatonga ny fijoroana ho vavolombelona anananao ho voatazona miaraka sy mahazo tanjaka amin’ny alalan’ny Bokin’ny Môrmôna?

Teo amin’ny 1400 taona talohan’ny nahazoan’i Joseph Smith ireo takelaka volamena dia namarana ny rakitsoratry ny rainy i Môrônia tamin’ny fanoratana ny famporisihany farany an’ireo izay handray ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany (jereo ny Môrônia 10:1–2). Ny teny hoe mamporisika dia midika hoe manentana mafy ny olona iray. Nampiasa ity teny ity imbalo i Môrônia ao anatin’ny toko faran’ny Bokin’i Môrmôna. Namporisika ireo rehetra izay mandray ny Bokin’i Môrmôna izy mba hikatsaka fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana sy fahamasinan’izany.

Vakio ny Môrônia 10:3–4 ary fantaro ireo zavatra nolazain’i Môrônia fa tokony hataonsika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Mety ho tianao hasina marika ireo zavatra ireo ao amin’ny soratra masinao. Halalino izao fampahalalana manaraka izao izay mikasika ny tsirairay amin’ireo zavatra nolazain’i Môrônia fa tokony hataontsika:

“Vakio ireto zavatra ireto”

Ny dingana voalohany atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona fa marina ny Bokin’i Môrmôna dia ny mamaky izany. Nizara ny fomba nahazoan’ny zatovovavy iray tombontsoa avy amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo ny Loholona Tad R. Callister avy ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy:

“[Nisy] ankizivavy 14 taona iray… nilaza fa niresaka momba ny finoana niaraka tamin’ ny iray tamin’ ireo namany tany an-tsekoly izy. Nilaza taminy ilay namany hoe: “Inona no finoanao?”

“Dia namaly izy hoe: ‘Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany na ny Môrmôna.’

“Namaly ilay namany hoe, ‘Fantatro izay Fiangonana izay ary fantatro fa tsy marina izy io.’

“‘Ahoana no ahafantaranao izany?’ hoy ny navalin’ ilay ankizivavy.

“‘Satria,” hoy ilay namany, ‘Nanao fikarohana momba izany aho.’

“‘Efa namaky ny Bokin’ i Môrmôna ve ianao?’

“‘Tsia,’ hoy ny navaliny. ‘Tsy mbola namaky izany aho.’

“Dia namaly ity ankizivavy mahafinaritra ity hoe: ‘Dia tsy nanao fikarohana momba ny Fiangonako izany ianao satria efa namaky ny pejy rehetran’ ny Bokin’ i Môrmôna aho ary fantatro izany fa marina. ’” (“The Book of Mormon—a Book from God,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 76).

Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinany?

“[Mahatsiaro] ny naha-feno famindram-po ny Tompo”

Ny dingana manaraka ao amin’ilay lamina arahana dia ny “[mahatsiaro] ny naha-feno famindram-po ny Tompo” Ny fahatsiarovana ireo famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika dia afaka manalefaka ny fontsika sy manomana antsika mba handray ny Fanahy Masina. Saintsaino ireo fotoana nahatsapanao ny famindram-pon’ny Tompo teo amin’ny fiainanao.

Ao amin’ny fanombohan’ny Bokin’i Môrmôna dia nanambara i Nefia fa amin’ny alalan’ny rakitsorany no hanehoany amintsika ireo ohatra maneho ny famindram-pon’ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 1:20). Any amin’ny fiafaran’ny Bokin’i Môrmôna dia mangataka amintsika mba hahatsiaro ireo famindram-pon’ny Tompo i Môrônia (jereo ny Môrônia 10:3). Mety ho tianao hosoratana eo akaikin’ny Môrônia 10:3 ny soratra masina mifandray 1 Nefia1:20 .

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no porofon’ny famindram-pon’ny Tompo hitanao teo amin’ny fiainanao?

    2. Ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny fahatsiarovana ny famindram-pon’ny Tompo ny olona iray mba hahazoany fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna?

Afaka manomana antsika mba hisaintsaina ny hafatry ny Bokin’i Môrmôna ho antsika ny fahatsiarovana ny famindram-pon’ny Tompo.

“[Misaintsaina] izany ao am-ponareo”

Ny dingana manaraka nampianarin’i Môrônia dia ny “misaintsaina izany ao am-ponareo.” Nanazava ny ahafahan’ny fisaintsainana manampy antsika mba handray ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika ny Loholona Marvin J. Ashton avy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Marvin J. Ashton

“Rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho toa misedra sy mampihetsi-po ahy ilay teny hoe misaintsaina izay ampiasaina tena matetika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny rakibolana dia miteny hoe ny misaintsaina dia midika hoe mampiasa ny saina, mieritreritra lalina, mandanjalanja, ary mandinika. … Nampiasa ity teny ity i Môrônia rehefa namarana ny rakitsorany [jereo ny Môrônia 10:3].

“Amin’ny alalan’ny fisaintsainana dia manome fahafahana ho an’ny Fanahy mba hanaitra sy hitarika isika. Rohy mahery vaika eo amin’ny fo sy ny saina ny fisaintsainana. Rehefa mamaky ny soratra masina isika dia tohina ny fo sy ny saintsika. Rehefa mampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny fisaintsainana isika dia afaka maka ireo fahamarinana mandrakizay ireo ary mahatsapa ny fomba hampidirantsika azy ireny eo amin’ny asa ataontsika isan’andro. …

“Tanjona ara-tsaina mivoatra hatrany ny fisaintsainana. Fanomezam-pahasoavana lehibe ho an’ireo izay mahay mampiasa azy izany. Mahazo fahatakarana sy hevi-baobao ary fampiharana azo atao isika raha toa ka mampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny fisaintsainana” (“There Are Many Gifts,” Ensign, Nôv. 1987, 20).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fisaintsainana anao rehefa nandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao, mba hahatsapa ny Fanahy Masina?

    2. Inona no azonao atao mba hisaintsainana mitohy kokoa sy tsara kokoa rehefa mandalina ny soratra masina ianao?

Sary
zatovolahy iray mamaky boky

“Manontany amim-kitsimpo, omban’ny tena finiavana sady mino an’i Kristy.”

Rehefa “mivavaka amin-kitsimpo omban’ny tena finiavana” ny olona dia midika izany hoe vonona ny “handray andraikitra mifanaraka amin’izay valiny azony avy amin’Andriamanitra izy ireo” (Torio ny Filazantsarako [2004], 111).

Nianatra ny maha-zava-dehibe ny fivavahana amin-kitsimpo ny lehilahy iray izay antsoina hoe Rodolfo Armando Pérez Bonilla. Natao batisa izy tamin’ny fahasivy taonany kanefa tsy navitrika niangona ny fianakaviany. Rehefa lasa mpitovo izy dia nanomboka nieritreritra mikasika ny filazantsara sy niaina izao toe-javatra manaraka izao:

“Indraindray aho dia nivavaka mba hahafantatra izay marina, saingy toy ny eritreritra mandalo kokoa izany noho ny fanontaniana amin-kitsimpo. Ary indray alina dia nanapa-kevitra ny hivavaka omban’ny “tena finiavana” aho.

“Nilaza tamin’ny Ray any an-danitra aho fa te-hahafantatra Azy sy te-ho mpikamban’ny Fiangonany marina. Nampanantena aho hoe: “Raha ampahafantarinao ahy hoe mpaminany marina ve sa tsia i Joseph Smith ary marina ve sa tsia ny Bokin’i Môrmôna dia hanao izay zavatra rehetra tianao hataoko aho. Raha ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonana marina dia hanaraka izany aho ary tsy handao izany na oviana na oviana.”

“Tsy nahita fisehoan-javatra nampitolagaga aho, saingy nahatsapa fiadanana ary dia nandeha natory. Ora maro taty aoriana dia nifoha niaraka tamin’ny eritreritra miavaka aho hoe: “I Joseph Smith dia mpaminany marina, ary ny Bokin’i Môrmôna dia marina.” Narahina fiadanana tsy hay faritana ilay eritreritra. Natory indray aho, ary nifoha taty aoriana kely niaraka tamin’ilay fahatsapana sy eritreritra teo ihany.

“Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia tsy niahiahy na oviana na oviana aho fa i Joseph Smith dia tena mpaminany marina. Fantatro fa ity no asan’ny Mpamonjy ary hamaly ny fangatahana amin-kitsimpo ataontsika ny Ray any an-danitra” (“How I Know,” Ensign, Okt. 2011, 64).

  1. Eritrereto hoe hatraiza no tena halehiben’ny fanirianao hanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny sasany amin’ireo zavatra izay efa nataonao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Dia soraty avy eo izay azonao atao mba hahazoanao fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
zatovovavy iray mivavaka

Vakio ny Môrônia 10:4, ary fantaro ny zavatra nijoroan’ny Môrônia ho vavolombelona fa hataon’Andriamanitra ho an’ireo izay manaraka ity lamina ahitana ny famakiana, fahatsiarovana sy fisaintsainana ary fangatahana ity. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ity fampanantenana ity. (Soratra masina fehezina nyMôrônia10:4–5.)

Vakio ny Môrônia 10:5–7, ary tadiavo hoe inona ihany koa no nampanantenain’i Môrônia fa azontsika fantarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny Môrônia 10:3–7 ny hoe: Rehefa mikatsaka zavatra amim-pinoana isika dia afaka mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Mety ho tianao ny hanoratra izany ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andininy ireo.

  1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    1. Raketo an-tsoratra ny fomba nentin’ny famakiana, fahatsiarovana sy fisaintsainana ary fivavahana tamin’ity taona ity mba hanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fahamarinana ampianarin’izany na mba hanampiana anao hahazo fijoroana ho vavolombelona momba izany.

    2. Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina ho nijoro ho vavolombelona taminao momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna na fahamarinana ara-pilazantsara iray hafa. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny ankamaroan’ny fanambarana dia tsy tonga amin’ny fomba mahatalanjona. Ny ankabetsahan’ny olona dia hahatsapa bitsika mangina sy malefaka avy amin’ny Fanahy Masina, toy ny fahatsapana hafanana sy filaminana anaty na fahatokisana ilay fahamarinana. Afaka mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ara-pilazantsara fitsipika anampy fitsipika ihany koa ny Fanahy, ka manampy antsika mba hianatra tsikelikely ireo fahamarinana rehefa mandeha ny fotoana. Manorata mikasika ny fotoana iray izay nahatsapanao ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Fanahy Masina mba hitondrana fanamafisana.

Môrônia 10: 27–29

Nijoro ho vavolombelona i Môrônia fa hifankahita amintsika eo amin’ny toeram-pitsaran’Andriamanitra izy.

Vakio ny Môrônia 10:27–29 ary diniho ny fomba hampianaran’ireto andininy ireto izao fitsipika manaraka izao: Ireo izay nandray ny Bokin’i Môrmôna dia ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra ny amin’izay nanaovany izany. Alaivo sary an-tsaina hoe manana fahafahana hahita an’i Môrônia eo amin’ny toeram-pitsaran’Andriamanitra ianao. Saintsaino izay holazainao aminy mikasika ny Bokin’i Môrmôna sy ny fomba fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Môrônia 10:4–5

Afaka ho tonga fanampiana lehibe ho anao amin’ny fizarana ny hafatry ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa ny fanaovana tsianjery ny Môrônia 10:4–5 Maka fotoana fohy izao mba hanaovana tsianjery izany. Fomba iray hanaovana izany ny famakiana mafy imbetsaka ireo andinin-tsoratra masina. Dia adikao tsirairay in-telo eo amin’ny taratasy iray na ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina avy eo ireo teny ao. Rehefa vitanao izany dia jereo raha toa ka vitanao ny mitanisa ireo andininy ireo tsianjery.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrônia 10:1–7, 27–29 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy