Seminera
Fizarana 26: Andro 3, 3 Nefia 19


Fizarana 26: Andro 3

3 Nefia 19

Fampidirana

Ireo zava-nitranga voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 11–18 dia nitranga tao anatin’ny iray andro. Rehefa nifarana io andro io dia niely teo anivon’ny vahoaka ny vaovao mikasika ny fitsidihan’ny Mpamonjy sy ny fiverenany ny ampitson’io, ary dia “nilofo fatratra tokoa [izy ireo] tamin’ izany manontolo alina izany mba hahatongavany eo amin’ ny toerana izay hanehoan’ i Jesoa ny tenany amin’ ny valalabemandry ny ampitso” (3 Nefia 19:3). Ny maraina dia nampianatra ny vahoaka ireo mpianatra roambinifolo, ary niara-nivavaka tamin’izy ireo. Nanao batisa ireo mpianatra roambinifolo i Nefia avy teo, ary nandray ny Fanahy Masina izy ireo ka nohodidinin’ny anjely maro. Nandritra io zava-nitranga io dia niseho i Jesoa Kristy, ary nandidy ireo mpianatra mba hivavaka, ary nivavaka tamin’ny Ray ihany koa Izy ho an’ny valalabemandry. Noho ny finoan’izy ireo dia heniky ny Fanahy Masina ireo mpianatra. Nodiovina izy ireo ary lasa iray niaraka tamin’ny Ray sy ny Zanaka.

3 Nefia 19:1–14

Nanompo ireo vahoaka ireo mpianatra roambinifolo araka ny nandidian’ny Mpamonjy azy ireo

Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fahatsapana anananao sy ny zavatra mety ho ataonao raha fantatrao fa ho avy eo amin’ny tempoly lavidavitra kely ny misy anao i Jesoa Kristy rahampitso. Hatraiza no ezaka ho ataonao mba hankanesana any? Mety te hitondra olona hafa hiaraka aminao ve ianao? Inona no ho ataonao mba hiomanana amin’izany traikefa izany?

Vakio ny 3 Nefia 19:1–3 mba hitadiavana ny zavatra nataon’ny Nefita noho ny fampanantenan’ny Tompo hoe hiverina Izy ny ampitso. Rehefa tafavory ny valalabemandry dia nozarain’ny mpianatra ho andiany roa ambin’ny folo ny vahoaka ary nanomboka nampianatra ny valalabemandry izy ireo. Nanome toromarika ny valalabemandry izy ireo mba handohalika hivavaka ary nampianatra azy ireo ireo fahamarinana izay nampianarin’ny Mpamonjy ny omalin’io. (Jereo ny 3 Nefia 19:4–7.)

  1. Vakio ny 3 Nefia 19:8–9 ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no tena nirian’ireo mpianatra? Araka ny zavatra efa niainanao, nahoana no mahatsiriritra toy izany ny fanomezana ny Fanahy Masina?

    2. Ny mpianatra roambinifolo no handeha hitantana ny raharahan’ny Fiangonana tany Amerika taorian’ny nandehanan’ny Mpamonjy. Nahoana no nilaina indrindra ny nananan’izy ireo ny Fanahy Masina hitarika azy ireo?

Rehefa vitanao ny asa nampanaovina anao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina dia saintsaino ireto fanontaniana ireto: Inona avy ireo zavatra vitsivitsy irinao indrindra rehefa mivavaka ianao? Impiry ianao no mivavaka mba hanana ny Fanahy Masina?

Vakio ny 3 Nefia 19:10–12 ary tadiavo ny zavatra nataon’ireo mpianatra rehefa avy nivavaka. Ilay batisa resahana ao amin’ny andininy 10–12 dia batisa faharoa ho an’ireo mpianatra roambinifolo. Efa niorina nandritra ny taona maro teo anivon’ny Nefita ny Fiangonana, ary ireo rahalahy ao amin’ny fisoronana ireo dia efa natao batisa teo aloha, na dia tsy voarakitra ao amin’ny soratra masina aza ny batisan’izy ireo voalohany. Ity batisa faharoa ity dia fotoana iray niavaka, araka izay nazavain’ny Filoha Joseph Fielding Smith manao hoe: “Nandidy an’i Nefia sy ny vahoaka ny Mpamonjy mba hatao batisa indray satria nanavao ny rafitry ny Fiangonana ho eo ambanin’ny filazantsara Izy. Talohan’io dia narafitra teo ambanin’ny lalàn[‘i Mosesy] izy io” (Doctrines of Salvation, ed. Bruce R. McConkie, boky faha 3 [1954–56], 2:336).

Tadidio fa mendrika ny ho eo anatrehan’ny Mpamonjy ireo mpianatra sy ireo Nefita hafa. Vakio ny 3 Nefia 19:13 mba hitadiavana ny zavatra nomena ireo mpianatra roambinifolo noho ny fananany faniriana tsara.

  1. Ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fitahiana izay tonga eo amin’ny fiainan’ny olona iray izay manana ny Fanomezana ny Fanahy Masina ary miaina mba ho mendrika izany. Ampitahao amin’ity teny notsongaina nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity avy eo ny lisitra nataonao, ary ampio amin’ireo hevitra vaovao hitanao ny lisitra nataonao:

    Sary
    Loholona Robert D. Hales

    “Ny Fanahy Masina no manome hery sy risi-po antsika hitondra ny fiainantsika araka ny fomban’ny fanjakan’Andriamanitra ary Izy no loharanon’ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka. …

    “Mila ny Fanahy Masina isika mba ho namantsika mandrakariva ary hanampy antsika hanao safidy tsaratsara kokoa eo amin’ireo fanapahan-kevitra izay atrehatsika isan’andro. Mifanehitra tsy tapaka amin’ireo zava-dratsy eto amin’izao tontolo izao ireo zatovolahy sy zatovovavintsika. Ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina no hanome azy ireo ny hery hanoherana ny ratsy sy hibebahana raha ilaina, ary hiverenana amin’ilay lalana ety sy tery. Tsy misy amintsika izay tsy andairan’ny fakam-panahin’ny fahavalo. Samy mila ilay fiarovana izay azontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika rehetra. … Ny fananana ny Fanomezana ny Fanahy Masina dia manampy ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana hanao safidy hendry—safidy izay hanampy azy ireo hiverina miaraka amin’ny fianakaviany ho any amin’ny Rain’izy ireo any an-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany, mba hiaina miaraka amin’Izy ireo mandrakizay” (“The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Ensign, nôv. 2000, 8).

Araka ny fandalinanao ny 3 Nefia 19:1–14, dia saintsaino izay fitahiana irinao indrindra eo amin’ny fiainanao sy ny antony ilanao izany.

Fenoy ity fehezanteny milaza fitsipika ity raha mifototra amin’ny 3 Nefia 19:9, 13: Amin’ny alalan’ny faniriana sy vavaka amin-kitsimpo no ahafahantsika ho tonga .

3 Nefia 19:14–36

Niseho ny Mpamonjy ary nivavaka ho an’ny vahoaka mba ho voadio izy ireo noho ny finoany

Sary
Jesoa Kristy Mivavaka Miaraka amin’ny Nefita

Vakio ny 3 Nefia 19:14–16 mba hahafantarana ny zavatra nitranga rehefa avy natao batisa sy heniky ny Fanahy Masina ireo mpianatra roambinifolo.

Rehefa nandohalika ny mpianatra sy ny valalabemandry dia nandidy ireo mpianany roambinifolo ny Mpamonjy mba hivavaka. Vakio ny fitantarana ny vavak’izy ireo ao amin’ny 3 Nefia 19:17–18, 24–26, 30. Io no hany toerana ao amin’ny soratra masina voarakitra izay nivavahan’ny vahoaka tamin’i Jesoa Kristy mivantana. Amin’ny vavaka ataontsika dia mivavaka amin’Andriamanitra Ray isika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany Lahy. Tsy misy toerana ao amin’ny soratra masina izay ampianarana antsika hivavaka amin’i Jesoa.

Nanolotra antony iray mety nahatonga ireo mpianatra hivavaka tamin’i Jesoa tamin’io fotoana tokana io ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe: “Efa nampianatra azy ireo i Jesoa hivavaka amin’ny Ray amin’ny anarany, ary izay no nataon’izy ireo tamin’ny voalohany [jereo ny 3 Nefia 19:8–9]. … Saingy tamin’ity indray mitoraka ity ‘izy ireo dia nivavaka tamin’ i Jesoa, niantso Azy ho Tompony sy Andriamaniny.’ [3 Nefia 19:18.] Teo anoloan’izy ireo i Jesoa, dia toy ny tandindon’ny Ray. Ny fahitan’izy ireo azy dia toy ny hoe nahita ny Ray; ny nivavaka taminy, dia toy ny hoe nivavaka tamin’ny Ray. Toe-javatra manokana sy hafa kely izany” (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 560–61). Ny Mpamonjy mihitsy no nilaza hoe “Mivavaka Amiko izy ireo, satria miaraka aminy Aho” (3 Nefia 19:22).

  1. Teo am-pandohalihan’ny vahoaka, dia hitan’izy ireo maso i Jesoa Kristy nanao vavaka telo samy hafa ho an’ireo mpianatra sy ho azy ireo. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Vakio ireo andinin-tsoratra masina nomena anao ary fenoy ilay tabilao.

Andinin-tsoratra masina

Inona no nangatahan’ny Mpamonjy?

Ahoana no fomba ahafahanao mampihatra eo amin’ny fiainanao izay zavatra nianaranao avy amin’ny vavaky ny Mpamonjy?

3 Nefia 19:19–23

3 Nefia 19:27–29

3 Nefia 19:31–34

Vakio ny 3 Nefia 19:24. Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “tsy nohamaroiny firy ny teny”? Mahakasika ireo vavaka izay efa omena antsika ny teny holazaina mba hahafantarana ny zavatra tokony hangatahina, dia nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie hoe “Ny vavaka tonga lafatra dia ireo vavaka entanim-panahy, ka ny Fanahy no manambara ireo teny izay tokony ampiasaina.” (Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 586).

Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny sasany amin’ireo fitsipika nampianarin’ny Mpamonjy tao anatin’ny vavaka nataony dia avereno jerena ny 3 Nefia 19:28 ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ity fitsipika ity: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia azo diovina. Diniho ireo fomba izay nampiharan’ireo mpianatra finoana nandritra ireo zavatra niainana voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 19. Vokatry ny finoan’izy ireo dia heniky ny Fanahy Masina ireo mpianatra (jereo ny 3 Nefia 19:13), ary ilaina ny mandray ny Fanahy Masina mba ho voadio.

Sary
Filoha Marion G. Romney

Vakio ity teny manaraka avy amin’ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, ary tadiavo ny dikan’ny hoe voadio: “‘Amin’izany dia ho tonga ny batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina.’ [2 Nefia 31:13.] Ity batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina resahan’i Nefia ity dia mahatonga fiovana lehibe ao am-pon’ny olona araka izay nolazain’i Almà [jereo Almà 5:14]. Manova azy ireo avy amin’ny toetra araka ny nofo mankamin’ny toetra araka ny Fanahy izany. Manadio sy manasitrana ary manadio ny fanahy izany. … Ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny fibebahana, ary ny batisan’ny rano dia zavatra atao mialoha sy takina mialoha izany avokoa, fa io no tanjona farany. Ny fahazoana izany dia midika fa nodiovina tamin’ny ra manavotr’i Jesoa Kristy ny fitafianao” (Learning for the Eternities, comp. George J. Romney [1977], 133).

  1. Saintsaino ny dikan’ny hoe voadio, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy manampy antsika ho lasa madio?

Nanao vavaka mahatalanjona i Jesoa Kristy tamin’ny alina mialoha ny sorompanavotany, izay nitovy be tamin’ireo vavaka nataony teo anivon’ny Nefita tamin’ny andro faharoa nitsidihany azy ireo. Vakio ny 3 Nefia 19:23, 29 sy Jaona 17:9, 11, 21–22. Asio marika ilay andian-teny hoe “mba ho iray ihany isika.” Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no maha-iray an’i Jesoa Kristy sy ny Ray. Inona no ianarantsika ao amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika ho tonga iray amin’i Jesoa Kristy?

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Iray amin’ireo fitsipika ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ny hoe: Afaka ny ho voadio sy ho tonga iray amin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny finoana, tahaka ny maha-iray Azy amin’ny Ray. Vakio ity teny nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mikasika ny fomba ahafahantsika ho iray amin’ny Ray sy ny Zanaka: “Azo antoka fa tsy ho iray amin’Andriamanitra sy i Kristy isika raha tsy ny sitrapony sy ny zavatra manan-danja Amin’izy ireo no iriantsika indrindra. Tsy ho azo ao anatin’ny indray andro ny fanoavana toy izany, saingy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia hitantana sy hampianatra antsika ny Tompo raha toa isika ka manaiky, mandra-pahazoana miteny marina, rehefa mandeha ny fotoana, fa ao amintsika Izy tahaka ny maha ao Aminy ny Ray. Indraindray aho dia mangovitra rehefa mieritreritra ny zavatra mety hotakina, saingy fantatro fa ao anatin’io fikambanana ho iray tena lafatra io ihany no ahitana ny fahafenoan’ny fifaliana” (“That They May Be One In Us,” Ensign, nôv. 2002, 73).

Farano amin’ny famakiana sy fisaintsainana ny 3 Nefia 19:35–36 ny fandalinana androany.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 19 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy