Seminera
Fizarana 11: Andro 1, Tenin’i Môrmôna–Môsià 2


Fizarana 11: Andro 1

Tenin’i Môrmôna –Môsià 2

Fampidirana

Ny Tenin’i Môrmôna dia toy ny rohy mampifandray ny takelaka kelin’i Nefia amin’ny famintinan’i Môrmôna ireo takelaka lehiben’i Nefia. Ity boky ity, izay nosoratana efa ho 400 taona taorian’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy, dia mirakitra fanazavana fohy mikasika ireo takelaka kelin’i Nefia sy ny antony nahatsapan’i Mômôna fa nilaina ny hampidirana azy ireo miaraka amin’ireo asa soratra masina hafa. Mitondra hevi-baovao sarobidy mikasika ny antony nananan’ny Mpanjaka Benjamina hery mitaona lehibe teo amin’ny vahoakany ihany koa ny Tenin’i Môrmôna.

Amin’ny ankapobeny dia natokana ho an’ireo zavatra ara-panahy sy ny asa fanompoana ary ny fampianaran’ireo mpaminany ireo takelaka kelin’i Nefia. Ny ankamaroan’ny zavatra voarakitra ao amin’ireo takelaka lehiben’i Nefia dia ny tantaram-piainan’ny vahoaka izay nosoratan’ireo mpanjaka nanomboka tamin’i Nefia (Jereo ny 1 Nefia 9:2 4.) Nanomboka tamin’ny andron’i Môsià anefa dia noraketina tao amin’ireo takelaka lehibe ihany koa ireo zava-manan-danja lehibe ara-panahy.

Ireo takelak’i Môrmôna, na ireo takelaka volamena nomena an’i Joseph Smith dia mirakitra ny famintinana nataon’i Môrmôna avy tamin’ireo takelaka lehiben’i Nefia, miaraka amin’ny fanamarihana maro. Mirakitra ny fitohizan’ny tantara nosoratan’i Môrmôna sy ireo fanampiny nosoratan’i Môrônia zanany lahy ihany koa ireo takelaka volamena.

Sary
sarina tetezana

Ny Môsià 1 dia rakitsoratra momba ny fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina an’ireo zanany lahy. Nampianariny azy ireo fa manampy antsika hahatsiaro an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny ny soratra masina. Raha efa akaiky ny hahafatesan’ny Mpanjaka Benjamina dia naniry ny hiresaka tamin’ny vahoakany momba ny asa fanompoana tamin’ny naha mpanjaka azy izy ary ny hamporisika azy ireo hankato an’Andriamanitra. Voarakitra ao amin’ny Môsià 2–5 ny lahatenin’ny Mpanjaka Benjamina ary mamariparitra ny fijaliana sy ny Sorompanavotan’i Kristy, ny anjara asan’ny fahamarinana sy ny famindram-po, ary ny ilàna ny hitondrana ny anaran’i Kristy eo amin’ny tenantsika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana izany. Tany am-piandohan’ny lahateniny izay voarakitra ao amin’ny Môsià 2, ny Mpanjaka Benjamina dia nanantitrantitra ny tokony hanompoana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa sy ny toetry ny fahasambarana izay ananan’ireo izay mitandrina ny didy.

Tenin’i Môrmôna 1:1–11

Nampianatra i Môrmôna fa nitahiry rakitsoratra samihafa noho ny fikasana hendry Andriamanitra

Sary
Mamintina ireo Takelaka i Môrmôna

Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ny bitsiky ny Fanahy mba hanao zavatra iray. Fantatrao ve ny ho fandehan’ny zavatra rehetra raha toa ianao ka nanaraka io bitsika io? Inona no nanome anao ny fahavononana sy fahatokiana hanaraka ilay bitsika?

Nodidian’Andriamanitra ny mpaminany Môrmôna mba hamintina ireo rakitsoratry ny vahoakany izay notehirizina tao amin’ireo takelak’i Nefia. Teo ho eo amin’ny 385 taorian’i J.K., raha handeha hanome ireo rakitsorany voatambatra ho an’i Môrônia zanany lahy izy dia nanaraka bitsika iray na dia tsy fantany aza izay ho vokatr’izany.

Nahita zavatra iray i Môrmôna raha nisava tao amin’ireo rakitsoratra. Vakio ny Tenin’i Môrmôna 1:3 mba hahitana ny zavatra hitany. (Ny “ireto takelaka ireto” dia entina ilazana ireo takelaka kelin’i Nefia, izay mirakitra ny 1 Nefia hatramin’ny Ômnia.) Vakio ny Tenin’i Môrmôna 1:4–6, ary asio marika ao amin’ny soratra masinao ny zavatra nahafinaritra an’i Môrmôna rehefa nahita ny zavatra tao amin’ireo takelaka kely ireo izy.

Vakio ny Tenin’i Môrmôna 1:7, ary fantaro ny antony nampiarahan’i Môrmôna ireo takelaka kely ireo tamin’ny famintinany ny takelak’i Nefia. Azonao atao ny manisy marika ity fitsipika ity ao anatin’ny soratra masinao raha irianao izany: “Mahalala ny zavatra rehetra ny Tompo.”Amin’ny alalan’ny fahatakarana sy finoana ity fahamarinana ity dia afaka mampitombo finoana mba hankato ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina izay azonao ianao.

Nandidy an’i Nefia hanamboatra ireo takelaka kely sy hanoratra ireo zavatra masina momba ny vahoakany tao amin’izany ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 9:3). Tamin’izany fotoana izany dia nanambara i Nefia hoe: “Nandidy ahy ny Tompo hanao ireto takelaka ireto noho ny fikasana hendry ao Aminy, dia fikasana izay tsy fantatro” (1 Nefia 9:5).

Sary
takelaka volamena

Nazavaina izany fikasana izany taonjato maro taty aoriana tamin’ny 1828 rehefa nanomboka nandika ireo takelaka volamena ny Mpaminany Joseph Smith. Nandika ireo pejy 116 avy tamin’ny famintinan’i Môrmôna ny takelaka lehiben’i Nefia izy aloha, ary very na nisy nangalatra ireo pejy ireo avy eo rehefa navelan’i Joseph hitondra azy ireo i Martin Harris. Notenenin’ny Tompo i Joseph mba tsy hamerina handika ireo ampahany very ireo satria nanao drafitra ny hanova ireo teny eo amin’ireo pejy very ny olon-dratsy ka hanaporofo fa tsy marina ny Bokin’i Môrmôna. Nasain’ny Tompo handika ny tantara eo amin’ireo takelaka kely izay mirakitra ny fotoana mitovy tamin’izany izy. Niompana bebe kokoa tamin’ny zavatra masina izany tantara izany. (Jereo ny F&F 10:10, 41–43; jereo ihany koa ny 1 Nefia 9:3–4.)

Ity zava-nitranga ity dia porofo lehibe fa mahalala ny zavatra rehetra izay ho avy ny Tompo. Fantany fa ho ilaina ny tantara tao amin’ireo takelaka kely, ary nibitsika tamin’i Môrmôna izy mba hampiditra ireo takelaka niaraka tamin’ny famintinany.

Ahoana no hanampian’ny fahafantarana an’io fahamarinana io anao rehefa mandray bitsika avy amin’ny Fanahy ianao?

  1. Lazalazao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nanarahanao na ny olona iray fantatrao ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina na dia tsy azonao na tsy azony aza ny nolazain’ilay bitsika tamin’ny voalohany. Manorata momba ny fomba iray eritreretinao fa ahafahanao miomana tsaratsara kokoa hamantatra na hamaly ireo bitsiky ny Tompo. Tadidio fa rehefa mahatoky amin’ireo bitsiky ny Fanahin’ny Tompo ianao dia hiasa “ao [aminao] Izy araka ny sitrapony” ( Tenin’i Môrmôna 1:7).

Tenin’i Môrmôna 1:12–18

Nandresy ny Lamanitra ary nanjaka tamim-pahamarinana ny Mpanjaka Benjamina

Mpanjaka marina iray izay niatrika olana maro nandritra ny fitondrany ny Mpanjaka Benjamina, anisan’izany ny ady tamin’ny Lamanita sy ny fifandirana ara-potopampianatra teo anivon’ny vahoakany. Nitarika ny miaramilan’ny Nefita “tamin’ny herin’ny Tompo” ny Mpanjaka Benjamina mba hiady tamin’ny fahavalony ary nampisy fandriampahalemana teo amin’ny tany taty aoriana (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:13–14). Niaraka tamin’ny fanampian’ny “olona masina maro” dia niasa mafy mba hitenenana ireo mpaminany sandoka sy mpampianatra sandoka izay niteraka fifandirana teo anivon’ny vahoaka izy, ka noho izany dia nampisy fandriampahalemana izay tonga avy amin’ny fahamarinana (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:15–18).

Vakio ny Tenin’i Môrmôna 1:12–18, ary fenoy amin’ny laharan’ireo andininy izay mampianatra tsara indrindra ireto fahamarinana manaraka ireto ny banga eto ambany:

  • Miantso mpaminany izay afaka mitarika ny vahoaka ho amin’ny fandriampahalemana ny Tompo na dia eo aza ireo zava-tsarotra.

  • Afaka mahita fiadanana amin’ny fanarahana ny fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy an’ireo mpaminany isika.

  • Afaka mandresy ireo zava-tsarotra isika ao amin’ny herin’ny Tompo.

Môsià 1:1–18

Mampianatra ny zanany ny maha zava-dehibe ny soratra masina ny Mpanjaka Benjamina

Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fiainanao raha toa ka tsy nanana soratra masina hovakiana sy hohalalinina ary hampianarana mihitsy ianao.

Nampianatra ny zanany lahy ny Mpanjaka Benjamina hoe mety ho toy ny ahoana ny fiainan’izy ireo raha toa ka tsy nanana ny soratra masina. Araka ny voarakitra ao amin’ny Môsià 1:3–5 dia intelo no nampiasany andian-teny mitovy amin’ny hoe “raha tsy noho ireto zavatra ireto [ny soratra masina]” mba hanampiana ny zanany lahy hahatakatra ny maha zava-dehibe ny soratra masina.

  1. Eo am-pamakianao ny Môsià 1:1–8 dia tadiavo ireo fitahiana mety ho tsy azon’ny Nefita raha toa izy ireo ka tsy nanana soratra masina. Ampitahao amin’ny Ômnia 1:17–18 ny zavatra nianaranao. Manorata fehezanteny telo na efatra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hamenoana izao andian-teny manaraka izao: Raha toa aho ka tsy manana ny soratra masina dia …

Soraty eo akaikin’ny Môsià 1:1–8 ao anatin’ny soratra masinao izao fitsipika manaraka izao: Ny fandalinana soratra masina dia manampy antsika hahafantatra sy hitandrina ny didy.

Sary
Eo am-panompoana ny Andriamanitrao

Nampianatra ny vahoakany ny maha zava-dehibe ny fijanonana ho mahatoky amin’ireo didy ny Mpanjaka Benjamina ary nanazava ny zavatra mitranga amin’ireo izay lasa ratsy fanahy rehefa avy “[n]ankasitrahan’ny Tompo fatratra” (Môsià 1:13). Vakio ny Môsià 1:13–17, ary ampitahao amin’ny Môsià 1:13 ny Almà 24:30. Dia mitadiava voka-dratsy dimy farafahakeliny izay tonga amin’ireo izay mandao ny Tompo. Azonao atao ny manisy marika na mitanisa ireo voka-dratsy ireo ao anatin’ny soratra masinao.

Môsià 2:1–41

Niara-nivory mba hihaino ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina ny Nefita

Vakio ny Môsià 2:1–9, ary soraty ato ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza no niara-nivory?

  • Taiza izy ireo no niara-nivory?

  • Inona no natao mba hahafahan’ny vahoaka marobe naheno ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina?

Mba hahatakarana bebe kokoa ny toetran’ny Mpanjaka Benjamina dia vakio ny Môsià 2:11–15 ary tadiavo ireo andian-teny izay mampiseho fa nifantoka tamin’ny fahamarinana sy fanompoana ny Mpanjaka Benjamina fa tsy tamin’ny toerana hazoniny sy ny fankasitrahana.

Sary
Filoha Howard{nb}W. Hunter

Dia halalino avy eo ity teny nataon’ny Filoha Howard W. Hunter manaraka ity: “Aza diso miahiahy loatra amin’ny resaka toerana. Tadidinareo ve ny torohevitry ny Mpamonjy mikasika ireo izay mikatsaka ny ‘fitoerana aloha eo amin’ny fanasana’ na ny ‘fipetrahana aloha eo amin’ ny synagoga’? ‘Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo’ (Mat. 23:6, 11). Zava-dehibe ny hoe ankasitrahan’ny olona. Kanefa tokony ho amin’ny fahamarinana no hifantohantsika fa tsy amin’ny fankasitrahana; amin’ny fanompoana fa tsy amin’ny toerana” (“To the Women of the Church,” Ensign, nôv. 1992, 96).

Halalino ny Môsià 2:16–17, ary asio marika ny fitsipika izay azontsika hianarana avy amin’ny Mpanjaka Benjamina momba ny fanompoana: Rehefa manompo ny mpiara-belona amintsika isika dia manompo an’Andriamanitra. (Soratra masina fehezina ny Môsià 2:17. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ahafahanao mahita izany amin’ny manaraka.)

Mieritrereta fotoana iray izay nitahian’ny olona iray ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fanompoany anao. Ahoana no nahafahanao (na hahafahanao) mampiseho fankasitrahana an’Andriamanitra noho ilay olona izay sady nanompo anao no nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fahamarinana? Ahoana no nampisehoanao fankasitrahana tamin’izany olona izany?

Rehefa avy nampianatra ny vahoakany mikasika ny tokony hanompoana ny hafa ny Mpanjaka Benjamina dia nampianatra mikasika ireo fomba maro izay hitahian’Andriamanitra antsika sy ny tokony hanehoantsika fankasitrahana ho Azy izy.

  1. Eo am-pandalinanao ny Môsià 2:19–24, 34 dia saintsaino ireo fomba maro izay hitahian’Andriamanitra anao. Eritrereto ny fomba ahafahanao maneho ny fankasitrahanao Azy. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

    1. Inona no antony hiantsoan’ny Mpanjaka Benjamina ny tenany sy ny vahoakany ary isika hoe “mpanompo tsy mahasoa”?

    2. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahatsiaro ny maha tsy afa-trosa antsika amin’Andriamanitra?

Ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina dia mampianatra antsika fa rehefa mahatsiaro ho tsy afa-trosa amin’Andriamanitra isika dia te hanompo ny hafa ary mitombo ny fankasitrahantsika.

Ao amin’ny Môsià 2:34 dia mampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa tokony “hamerina” amin’Andriamanitra izay rehetra ananantsika sy ny maha-isika antsika isika. Ny hoe mamerina dia midika hoe “manome na mametraka.” Azonao atao ny manoratra ilay famaritana eo akaikin’ity teny ity ao anatin’ny soratra masinao. Eritrereto ny fomba ahazoanao manome an’Andriamanitra izay rehetra anananao sy ny maha-ianao anao. Tadidio fa rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mikatsaka ny hanao asa fanompoana amin-kitsimpo ianao dia mitahy anao noho Izy.

Ireo andininy farany ao amin’ny Môsià 2 dia ahitana fampitandremana manan-danja avy tamin’ny Mpanjaka Benjamina ho an’ny vahoakany. Efa nahita famantarana izay nilaza taminao hoe “tandremo” ve ianao? (Ohatra, mety mampitandrina anao mikasika ny tariby mitondra herinaratra mahery vaika, vato mianjera, biby dia, na renirano mahery ny famantarana iray.) Vakio ny Môsià 2:32–33, 36–38 mba hahitana ny zavatra nolazain’ny Mpanjaka Benjamina tamin’ny vahoakany mba hitandreman’izy ireo. (Ny teny hoe loza ao amin’ny andininy 33 dia midika hoe “fahoriana sy fahadiranovana.”) Manorata fehezanteny iray mamariparitra ny zavatra hitranga amin’ireo izay “mikomy an-kitsirano amin’Andriamanitra” (andininy 37) na minia mandika ny didin’Andriamanitra.

Vakio ity teny voalaza manaraka ity: “Minia mandika ny didin’Andriamanitra ny olona sasany ary manao drafitra ny hibebaka any aoriana, toy ny hoe mialohan’ny handehanany any amin’ny tempoly na hanaovany asa fitoriana. Mananihany ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny fahotana an-kitsirano toy izany” (Jeunes, Soyez Forts [bokikely, 2011], 29).

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao fanamarihana momba ny maha zava-dehibe ny fahafantarana ny fotoana izay mety hanalantsika ny tenantsika amin’ny Fanahy:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Isika dia tokony … hiezaka mafy hahafantatra hoe rahoviana isika no ‘manala ny [tenantsika] amin’ny Fanahin’ny Tompo …’ (Môsià 2:36). …

“Mazava ny fitsipika. Raha misy zavatra eritreretintsika, hitantsika, rentsika, na ataontsika ka manalavitra antsika amin’ny Fanahy Masina dia tokony hitsahatra tsy hieritreritra na hijery na hihaino na hanao izany zavatra izany isika. Raha toa ohatra ny zavatra iray izay natao mba hialana voly ka mampisaraka antsika amin’ny Fanahy Masina, dia tsy natao ho antsika velively izany karazana fialam-boly izany. Satria ny Fanahy dia tsy afaka mitoetra amin’izay tsy manan-danja na tsy mendrika ka dia mazava ho azy fa tsy natao ho antsika ny zavatra toy izany. Koa satria manosika lavitra ny Fanahin’ny Tompo isika rehefa manao zavatra izay fantatsika fa tokony andosirantsika dia tsy natao ho antsika velively ny zavatra toy izany” (“That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign na Liahona, mey 2006, 30).}

Saintsaino ny zavatra arian’ny olona—indraindray kanefa tsy fantany akory izany—rehefa manala ny tenany amin’ny Fanahy izy ireo. Vakio ny Môsià 2:40–41, ary fantaro ny zavatra tian’ny Mpanjaka Benjamina hoeritreretintsika sy ny zavatra tiany hotadidiantsika.

  1. Ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Soraty ireo zavatra niainana izay nampianatra anao fa rehefa mankato ny Tompo ianao dia sady hotahiana ara-nofo no hotahiana ara-panahy.

    2. Misafidiana sehatra iray eo amin’ny fiainanao izay tianao hankatoavana bebe kokoa ny didin’Andriamanitra. Manorata tanjona iray mba hivoarana ao anatin’izany sehatra izany.

Sary
Sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Môsià 2:17

Vakio ny Matio 22:36–40; 25:40; sy ny Môsià 2:17. Manaova lisitr’ireo soratra masina, na rojon-tsoratra masina, na andiana soratra masina amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo soratra masina ireo. Ity fomba fandalinana ny soratra masina ity dia hanampy mba hampazava ny hevitry ny teny sy hampivelatra fahatakarana.

Hazavao ny fifandraisana misy eo amin’ireo andinin-tsoratra masina vao nampifandraisinao ireo.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nanompo an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanompoana olona iray hafa?

  • Inona avy ireo zavatra voafaritra manokana azonao atao ho an’ny olona iray eo amin’ny fiainanao ka ho nataon’ny Mpamonjy raha tetỳ an-tany Izy?

  1. Rehefa avy niezaka nanao tsianjery ny Môsià 2:17 ianao dia soraty avy amin’ny fitadidianao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany.

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Tenin’i MôrmônaMôsià 2 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro:

Hamoaka printy