Seminera
Fizarana 6: Andro 2, 2 Nefia 6–8


Fizarana 6: Andro 2

2 Nefia 6–8

Fampidirana

Ny rakitsoratr’i Nefia misy ny ampahany voalohan’ny toriteny nataon’i Jakôba zandriny lahy dia hita ao amin’ny 2 Nefia 6–8. (Ny ampahany faharoan’ny toritenin’i Jakôba dia hita ao amin’ny 2 Nefia 9–10.) I Jakôba dia naminany fa hatramin’ny fotoana nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema dia nobaboina ny Jiosy ary niely patrana noho ny faharatsiany. Kanefa hanangona amim-pamindram-po ny Jiosy hiverina any Jerosalema ny Tompo. Naminany koa i Jakôba fa haely patrana fanindroany indray ny Jiosy aorian’ny handavan’izy ireo ny Mpamonjy mandritra ny asa fanampoana hataony eto an-tany. Dia haneho famindram-po indray ny Tompo ary hanangona azy ireo amin’ny andro farany rehefa mahafantatra ny Mpamonjy izy ireo. Ankoatra izany dia nindramin’i Jakôba ireo faminanian’i Isaia izay mampiseho ny fahitsim-po aman-tsain’ny Mpamonjy amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany, ny famindram-pony sy ny halehiben’ny fampanantenany ho an’izay mahatoky.

2 Nefia 6

Naminany mikasika ilay fampielezana sy fanangonana an’i Isiraely i Jakôba

Inona no fihetsika hasehonao raha toa ka misy olona maneho fihetsika ratsy aminao? Ahoana raha toa ka nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fihetsiny na ny toetrany fa tsy manan-danja aminy intsony ny fifandraisanareo? Eritrereto raha toa ka efa naneho fihetsika toy izany tamin’ny Tompo ianao. Ao amin’ny 2 Nefia 6–8, dia nampianaran’i Jakôba ny zavatra ataon’ny Tompo amin’ireo izay nanalavitra Azy tamin’ny alalan’ny toetrany sy ny fihetsiny.

Vakio ny 2 Nefia 6:3–5; 9:1, 3, ary tadiavo ny antony nanaovan’i Jakôba io toriteny io.

Rehefa manao fandalinana ianao androany dia tadiavo ny fomba ahafahan’ny fampianaran’i Jakôba manampy anao “[h]ianatra sy [h]ankalaza ny anaran’ny Andriamanitrao” (2 Nefia 6:4), sy hahatakatra tsaratsara kokoa ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny Tompo (jereo ny 2 Nefia 9:1), ary hanome antony iray ho anao mba “[hiravoravoana] sy [hampakarana] mandrakizay ny loha[nao]” (2 Nefia 9:3).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. I Jakôba dia nanomboka ny lahateniny tamin’ny alalan’ny faminaniana ny zavatra nitranga tamin’ireo Jiosy taorian’ny nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema noho ny fandavan’izy ireo ny Tompo. Ahoana no fomba namaritany izany ao anatin’ny 2 Nefia 6:8?

    2. Naminany mikasika io famongorana io koa i Lehia sy i Jeremia ary ireo mpaminany hafa. Rehefa nobaboin’ny Babyloniana ny Jiosy teo amin’ny 587 Talohan’i Kristy, dia olona maro no novonoina ary ny hafa nentina ho babo tany Babylona. Nanalefaka ny fony tamin’ny Tompo ihany ny Jiosy nony farany. Araka ilay fehezanteny voalohany ao amin’ny 2 Nefia 6:9, dia inona no nolazain’i Jakôba fa hitranga amin’izy ireo?

    3. Naminany i Jakôba fa ny Mpamonjy dia hiaina ilay fiainany an-tany eo anivon’ny Jiosy rehefa niverina avy nobaboina izy ireo. Araka ny 2 Nefia 6:9–10, inona no fihetsika hasehon’ny Jiosy amin’ny Mpamonjy ary inona no zavatra ho tsapany momba azy?

    4. Araka ny 2 Nefia 6:10–11, dia inona no hitranga amin’ny Jiosy izay handà ny Mpamonjy?

Vakio ny 2 Nefia 6:11, 14, ary tadiavo ireo andian-teny izay mamaritra ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny mpianakavin’i Isiraely na dia nandà Azy aza izy ireo. Azonao atao ny manisy faribolana ireo andian-teny hoe “feno famindram-po aminy” sy “homba azy” ao amin’ny soratra masinao.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no dikan’ny hoe “homba” olona iray na zavatra iray?

    2. Nahoana no mampiseho ny famindram-pon’ny Tompo ny fahavononany hanomba fanindroany an’i Isiraely?

I Jakôba koa ao anatin’ireo andininy ireo ihany dia nampianatra ny zavatra tsy maintsy ataon’ny Jiosy mba hahazoana ireo fitahiana avy amin’ny Tompo ireo. Vakio indray ny 2 Nefia 6:11, 14 ary tadiavo ilay andian-teny hoe “rehefa ho … izy” na “rehefa tonga … Azy” ao anatin’ny andininy tsirairay. Asio marika ireo teny izay mameno ilay andian-teny. Araka ireo andininy ireo dia ahoana no ahafahan’i Isiraely mahazo ny famindram-pon’ny Tompo? Ireo andininy ireo dia mampianatra ity fitsipika ity: Feno famindram-po amin’ireo izay miverina Aminy ny Tompo.

  1. Eritrereto ireo fomba izay nahitanao ny famindram-pon’ny Tompo sy ny fahavononany hamela ireo izay miverina Aminy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe: Fantatro fa be famindram-po ny Tompo satria … Dia fenoy amin’ny alalan’ny eritreritrao manokana sy ny zavatra tsapanao izany fanambarana izany avy eo. Azonao atao ny mamerina izany fampiharana izany rehefa mieritreritra ireo fomba samihafa nentin’ny Tompo nanehoana ny famindram-pony ianao.

Ao amin’ny 2 Nefia 6 dia misy fampanantenana fanantenana lehibe ho an’i Isiraely—izay natao ho antsika rehetra koa. Vakio ny 2 Nefia 6:17–18, ary fenoy ity fampanantenana manaraka izay nataon’ny Mpamonjy ity:

“Ny Andriamanitra mahery no ” (2 Nefia 6:17).

“Ny nofo rehetra hahafantatra fa ” (2 Nefia 6:18).

2 Nefia 7–8

Nindramin’i Jakôba ny faminanian’i Isaia mikasika ny fahitsim-po aman-tsain’ny Mpamonjy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanana ary ny fahafahany hanavotra azy ireo

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 7–8, dia nampiasain’i Jakôba ireo faminanian’i Isaia mikasika ny fanirian’ny Tompo sy ny fahafahany hanavotra an’i Isiraely amin’ireo fijaliana nateraky ny fahotan’izy ireo. Vakio ny 2 Nefia 7:1–2, ary tadiavo ireo fanontaniana napetraky ny Tompo tamin’i Isiraely izay mampiseho fa mbola tiany izy ireo ary naniry ny hanavotra azy ireo Izy.

Mety tsara ny mahatakatra fa ny Tompo dia nampiasa fiteny an’ohatra mikasika ny fisaraham-panambadiana sy ny fanandevozana ary ireo fomba fanao mahazatra ara-piaraha-monina tamin’izany andro izany mba hampianarana azy ireo amin’ny fomba misy fiantraikany lalina sy tsy hay hadinoina. Ireo andian-teny hoe “nandroaka anao,” “ny taratasim-panambadian-dreninao,” ary “nivarotako anao” dia ilazana ilay hevitra hoe manapaka na mandika fanekempihavanana. Azo averina lazaina amin’ny fomba toy izao ireo fanontaniana: “Moa ve efa nanalavitra anao Aho? Moa ve efa tsy noraharahiako ilay fanekempihavanana nataontsika?” Ny valin’ireo fanontaniana ireo dia hoe “Tsia.” Tsy hanalavitra antsika velively ny Tompo na hanadino ireo fanekempihavanana nataony. Ireo fanontaniany ireo dia fomba iray hanantitranterana fa tsy hanapaka velively ny fanekempihavanana nataony tamin’i Isiraely Izy.

Tsipiho any amin’ny faran’ny 2 Nefia 7:1 ny fanazavan’ny Tompo mikasika ny antony nahatonga an’i Isiraely ho tafasaraka tamin’Andriamanitra sy nahatonga azy hianjadian’ny fambaboana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa afaka manasaraka antsika amin’Andriamanitra ny eritreritsika sy ny fanapahan-kevitsika ary ny zavatra ataontsika?

    2. Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra fa ny Tompo dia tsy manadino na manilika antsika velively na dia mety manadino sy manilika Azy aza isika?

Ao amin’ny 2 Nefia 7:2 dia nametrahan’ny Tompo fanontaniana manan-danja iray i Isiraely, izay miantefa amintsika tsirairay. Tadiavo sy asio marika izany fanontaniana izany.

Inona no tian’ny Tompo holazaina araka ny eritreritrao rehefa nanontany Izy hoe: “Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy afaka manavotra?” Mba hanampiana anao hahazo sary an-tsaina izany dia eritrereto hoe maninjitra ny tananao ianao ary mitady olona iray sahirana. Raha toa ka tokony haninjitra bebe kokoa ny tananao ianao dia inona no tianao hatao ho an’ilay olona sahirana? Raha toa kosa ka afohezinao na aforitrao ny tananao, dia inona no holazain’izany mikasika ny fanirianao hanampy ilay olona? Miaraka amin’izay sary izay ao an-tsainao dia ity misy fomba iray hafa hitenenana ny fanontaniana napetraky ny Tompo tamin’i Isiraely: “Moa ve aho mihemotra sy tsy manolo-tanana mba hanavotra anareo?”

Ilay fehezanteny hoe “moa tsy manana hery Aho hoenti-manafaka?” dia nanasa an’i Isiraely mba hisaintsaina ny finoan’izy ireo fa ny Tompo dia nanana hery nanavotana azy ireo tamin’ny fijaliany vokatry ny fahotany.

Ny ambin’ny 2 Nefia 7–8 dia ahitana an’i Isaia nanome ohatra maro maneho ny faniriana sy ny hery nananan’ny Mpamonjy mba hanavotana ny vahoakan’ny Fanekempihavanany.

Vakio ny 2 Nefia 7:5–7, ary tadiavo ireo andian-teny ao anatin’izany faminaniana izany izay milaza ny zavatra hataon’i Mesia sy handalovany, izay tafiditra ao anatin’ilay Sorompanavotany mba hanavotany antsika. Ao amin’ny 2 Nefia 7:6, fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy a, dia ahitana soratra masina mifandray izay manazava sy maneho ny fahatanterahan’izany faminaniana izany. Azonao atao ny manisy marika ny Matio 27:26 ao amin’ilay fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy; dia vakio ny Matio 27:26–31 ary tadiavo ireo fomba nahatanterahan’ny faminanian’i Isaia.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra asehon’ny 2 Nefia 7:2, 5–7 antsika momba ny fanirian’ny Mpamonjy sy ny faniriany hanavotra antsika?

Mba hanampiana anao hahita porofo bebe kokoa mikasika ny famindram-pon’ny Tompo sy ny heriny ao amin’ny ambin’ny faminanian’i Isaia dia alaivo sary an-tsaina hoe nangatahana ianao mba hanao lahateny any am-piangonana momba izao fitsipika izao: Maniry ny hanavotra ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Mpamonjy ary manana ny hery rehetra hanaovana izany. Mba hanomananao ny lahateninao dia vakio ny 2 Nefia 8:3, 11–13, 16, 22, ary fidio ireo andian-teny izay tsapanao fa manome fampahatokiana anao mikasika ny fanirian’ny Tompo sy ny heriny hanavotra antsika.

  1. Arafeto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fizarana lehibe ao anatin’ny lahateninao ka ataovy izao manaraka izao hanaovana izany:

    1. Mitanisa fehezanteny roa na telo izay nisarika ny sainao sy manazava ny mahatonga ny andian-teny tsirairay ho toy ny ohatra maneho ny fanirian’ny Mpamonjy hanavotra antsika na ohatra maneho ny hery hanaovana izany.

    2. Misafidiana iray amin’ireo andian-teny ireo ary milaza ny fomba niainanao izany fitahiana izany teo amin’ny fiainanao na tianao hiainana izany.

Rehefa vitanao ity lesona ity dia tsarovy fa nampianatra ireo fahamarinana nohalalininao androany i Jakôba “mba hahazoanareo mianatra sy mankalaza ny anaran’Andriamanitra” (2 Nefia 6:4), “mba hahazoanareo mahafantatra ny momba ny fanekempihavanan’ny Tompo” (2 Nefia 9:1), ary “mba hahazoanareo miravoravo sy manatraka mandrakizay ny lohanareo” (2 Nefia 9:3). Mitadiava fomba iray androany mba hahafahana mizara amin’ny olona iray ny fankasitrahanao ny Tompo sy ny fitiavany anao.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 6–8 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy