Seminera
Fizarana 9: Andro 2, 2 Nefia 33


Fizarana 9: Andro 2

2 Nefia 33

Fampidirana

Ny rakitsoratr’i Nefia dia nofaranany tamin’ny alalan’ny fanambarana fa ny teny nosoratany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ary mandresy lahatra ny olona mba hanao ny tsara sy haharitra hatramin’ny farany. Nilaza izy fa na dia nanoratra “tamin’ny fahalemena” aza izy dia “misy lanjany lehibe” ny hafany ary ny teniny dia “hatanjahina” ho an’ireo izay mamaky izany (jereo ny 2 Nefia 33: 3–4). Nijoro ho vavolombelona izy fa ny asa sorany dia “tenin’i Kristy” ary ny olona dia ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra mikasika ny fomba nandraisan’izy ireo izany (jereo ny 2 Nefia 33:10–15).

Sary
I Nefia sy ireo takela-bolamena
  1. Tao anatin’ny lesona teo aloha dia nasaina ianao mba “hivavaka mandrakariva” mandritra ny 24 ora. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao sy ny zavatra tsapanao mikasika io zavatra niainanao io.

2 Nefia 33:1–15

Nanazava ny antony nanoratany i Nefia

Eritrereto mandritra ny fotoana fohy ireo antony mety hitiavanao ny mba hitondran’ny Fanahy Masina hafatra ao anatin’ny fonao.

Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny hoe, hafatra mankany am-pon’ny olona iray sy ny hafatra mankao am-pon’ny olona iray?

Sary
sarin’ny fo iray

Vakio ny 2 Nefia 33:1, ary tadiavo hoe inona no teny nampiasain’i Nefia —any sa ao—mba hamaritana ny toerana hitondran’ny Fanahy Masina ireo hafatra ho antsika. Azonao asiana marika ny zavatra hitanao.

Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny hitondran’ny Fanahy Masina ny fahamarinana any am-pontsika fa tsy ao am-pontsika?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao zavatra manaraka izao mikasika ny 2 Nefia 33:1: “Mba jereo tsara ny fomba hitondran’ny Fanahy ilay hafatra hankany am-po fa tsy voatery hoe hankao am-po. Afaka manazava, maneho an-tsary, mandresy lahatra, ary mijoro ho vavolombelona ny mpampianatra iray, ary manao izany amin’ny alalan’ny hery ara-panahy lehibe sy ny fahaiza-manao ananany. Kanefa amin’ny farany, dia tsy tafiditra ao anatin’ny fo ny votoatin’ny hafatra iray sy ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina raha tsy hoe avelan’ilay mpandray hiditra izany. Ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia manokatra ilay lalana mankao am-po ” (“Seek Learning by Faith,” Ensign, sept. 2007, 61).

Sary
Loholona Gerald N. Lund

Ny Loholona Gerald N. Lund, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy tamin’izany dia nanazava ny antony hitondran’ny Fanahy Masina ny teny hankany am-pontsika fa tsy hankao am-pontsika: “Nahoana no hoe hankany amin’ny fo fotsiny? Ny fahafahan’ny tsirairay misafidy dia tena masina tokoa ka tsy hanery ny fon’ny zanak’olombelona na oviana na oviana ny Ray any An-danitra, na dia tsy manam-petra aza ny fahefany. Mety manandrana manao izany ny olombelona, fa Andriamanitra kosa dia tsy manao izany. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia avelan’Andriamanitra isika ho mpiambina na mpiandry ny varavaran’ny fontsika. Tokony hanokatra ny fontsika ho an’ny Fanahy isika, amin’ny alalan’ny sitrapontsika manokana, fa Izy dia tsy hanery antsika hanaiky Azy” (“Manokatra ny Fontsika,” Ensign na Liahona, mey 2008, 33).

Inona araka ny eritreritrao no tokony hataon’ny olona mba hanokafany ny fon’izy ireo hidiran’ny Fanahy?

Vakio ny 2 Nefia 33:2, ary tadiavo ny zavatra mitranga rehefa misafidy ny hanamafy ny fony ny olona. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny andian-teny hoe “zava-tsinontsinona” dia midika hoe “zavatra tsy manan-danja.”

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo toetra sy fihetsika eritreretinao fa hasehon’ny olona iray manokatra ny fony mandritra ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina, mandritra ny fandalinana ny seminera any an-trano ary mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Ampianarina izao fitsipika izao isika ao amin’ny 2 Nefia 33:1–2: Rehefa manokatra ny fontsika isika dia afaka miditra ao am-pontsika ny hafatra avy amin’ny Fanahy Masina. Azonao soratana ao amin’ny soratra masinao io fitsipika io.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahatsapa fa nisy hafatry ny filazantsara tafiditra tao am-ponao? Inona no zavatra nitranga ary inona no vokany?

    2. Nilaza inona mikasika ny fonao izany tamin’izany fotoana izany?

Vakio ny 2 Nefia 33:3–7, ka tadiavo ireo fanantenan’i Nefia ho an’ireo izay mamaky ny teniny. Dia fenoy avy eo ireto fehezanteny manaraka ireto amin’ny alalan’ny fampiasanao ny teninao manokana na ny tenin’i Nefia. Fantaro fa ny sasany amin’ireo andian-teny ireo dia mety manana valiny mihoatra ny anankiray:

2 Nefia 33:3—Mivavaka lalandava ho .

2 Nefia 33:4—Fantatro fa .

2 Nefia 33:6— Mirehareha ny amin’ny .

2 Nefia 33:7—Antra ny .

Rehefa vitanao ny fandalinana ny 2 Nefia 33, dia tsarovy fa ireo andininy ireo dia fijoroana ho vavolombelona farany nataon’i Nefia voarakitra ao amin’ny soratra masina. Vakio ny 2 Nefia 33:10–14, ary alaivo sary an-tsaina hoe i Nefia mihitsy no henonao milaza ireo teny ireo. Azonao atao ny manipika ireo andian-teny izay manan-danja aminao.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo andian-teny avy ao amin’ny 2 Nefia 33:10–14 izay manan-danja aminao ary hazavao ny antony. Valio koa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Raha toa ka mino an’i Kristy ny olona dia inona no ho tsapan’izy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna? (Jereo ny 2 Nefia 33:10.)

Vakio ny 2 Nefia 33:15, ary saintsaino ireto teny farany nataon’i Nefia ireto: “Tsy maintsy mankatò aho.” Azonao atao ny manoratra hoe “1 Nefia 3:7” ho toy ny soratra masina mifandray eo akaikin’ny 2 Nefia 33:15. Avereno vakina ny 1 Nefia 3:7, ary jereo hoe inona no ifandraisan’ireo andininy roa ireo.

  1. Manokanà minitra vitsy hamerenana ny 1 Nefia sy 2 Nefia ka tadiavo ireo ohatra maneho ny fankatoavan’i Nefia. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo ohatra sasany hitanao. Mitadiava koa andinin-tsoratra tianao indrindra na manan-danja aminao izay nandresy lahatra anao hanao ny tsara sy ho tsara kokoa na hino ny Mpamonjy araka ny nolazain’i Nefia (jereo ny 2 Nefia 33:1). Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina io andinin-tsoratra masina io.

Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Nefia farany ary ny fampitandremany an’ireo izay mety handa ny teniny dia manampy ny maha-tompon’andraikitra amin’ny fomba fandraisantsika ny Bokin’i Môrmôna. Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith fa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manana andraikitra ny handalina ny Bokin’i Môrmôna isika:

“Ho ahy dia tsy hisy mpikamban’ity Fiangonana ity ho afa-po na oviana na oviana raha tsy efa namerimberina namaky ny Bokin’i Môrmôna, ary nandinika izany lalina mba hahafahany mijoro ho vavolombelona fa tena rakitsoratra omban’ny fitarihan’ny Fanahin’Ilay Tsitoha tokoa izany, ary marina ny tantarany. …

“… Tsy misy mpikambana ato amin’ity Fiangonana ity afaka hijoro ka hahazo fankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra raha toa ka tsy namaky tamim-pahamatorana sy tamim-pifantohana ny Bokin’i Môrmôna izy” (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1961, 18).

Manana fahafahana ny hanapa-kevitra ny amin’ny fomba handraisanao ny tenin’i Nefia sy ny Bokin’i Môrmôna ianao.

  1. Tombano ny ezaka nataonao teo amin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba iray ahafahanao mampivoatra ny fandalinanao.

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

Hamaranana ity lesona ity dia vakio ny fampanantenana nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ho an’ireo izay mandalina amim-pahavitrihana ny Bokin’i Môrmôna: “Na impiry na impiry no namakinareo ny Bokin’i Môrmôna dia ho hita eo amin’ny fiainanareo sy ny tokantranonareo fa hisy ny fitomboan’ny fatran’ny Fanahin’ny Tompo harotsaka eo aminareo ary koa fanapahan-kevitra matotra handeha ao anatin’ny fankatoavana ny didiny ary fijoroana ho vavolombelona mafy orina momba ny fisian’ilay Zanak’Andrimanitra marina” (“A Testimony Vibrant and True,” Ensign, aog. 2005, 6).

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 33 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro:

Sary
zatovolahy iray manisy marika ao anatin’ny soratra masiny

Hamoaka printy