Fizarana 19: Andro 1
Almà 33–35
Fampidirana
Rehefa nampiasa ireo fampianarana hita ao amin’ny soratra masina i Almà dia nanampy Zôramita maro izy hahatakatra fa afaka mitsaoka an’Andriamanitra izy ireo na toy ny ahoana na toy ny ahoana toe-java-misy iainan’izy ireo. Namporisika azy ireo hitodika any amin’i Jesoa Kristy sy hino ny Sorompanavotany izy. Nanamafy ny fampianaran’i Almà i Amioleka ary nanambara ny fijoroany ho vavolombelona manokana ny amin’i Jesoa Kristy. Nanamafy i Amioleka fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahan’ny olombelona ho voavonjy. Nampanantena izy fa afaka mahazo ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy rehetra ny tsirairay rehefa maneho finoana ho amin’ny fibebahana izy ireo. Nihaino ny fampitandreman’i Amioleka ny maro tamin’ny Zôramita, nibebaka, ary nikambana tamin’ny Nefita.
Almà 33:1–10
Mampianatra andiana Zôramita iray i Almà fa afaka mitsaoka an’Andriamanitra ivelan’ny sinagogany izy ireo
Tsarovy fa, araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 32, dia nampianatra ny Zôramita i Almà momba ny filàna mamboly ny tenin’Andriamanitra ao am-pon’izy ireo sy maneho finoana ny tenin’Andriamanitra. Vakio ny Almà 33:1, ary fantaro ireo fanontaniana nananan’ny Zôramita momba ny zavatra nampianarin’i Almà azy ireo.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba amaliana ny fanontanian’ny Zôramita mikasika ny fomba tokony hanombohan’izy ireo mampihatra ny finoan’izy ireo. Ary rehefa mandalina Almà 33–34 ianao avy eo dia ampitahao amin’ny valinteninao ny zavatra nampianarin’i Almà sy i Amioleka ny Zôramita.
Nanitsy fiheveran-diso iray momba ny fitsaohana, izay nisakana ny Zôramita tsy hampihatra tanteraka ny finoan’izy ireo i Almà rehefa nanomboka namaly ny fanontanian’ny Zôramita. Vakio ny Almà 33:2, ary fantaro io fiheveran-diso io. Tsarovy fa tsy namela ireo olona mahantra kokoa hiditra ny sinagogan’izy ireo mba hitsaoka ny Zôramita (jereo ny Almà 32:1–3). Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 33:2, inona no nolazain’i Almà tamin’ny vahoaka fa tokony hataon’izy ireo ahitana valiny hanitsiana ity fiheveran-diso ity?
Namerina nilaza soratra masina nosoratan’ny mpaminany iray nantsoina hoe Zenôsa i Almà mba hanitsiana ny fiheveran-dison’ireo Zôramita momba ny fitsaohana an’Andriamanitra. Nampianatra ny vahoakan’i Isiraely tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha i Zenôsa, kanefa voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ihany ny faminaniany. Vakio ny Almà 33:3, ary tadiavo ilay teny nampiasain’i Almà hamaritana ny fitsaohana.
Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 33:3 na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika manaraka ity: Afaka manohy mitsaoka an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika.
Vakio ny Almà 33:4–11, ary asio marika tsirairay ireo toe-javatra niainana izay nivavahan’i Zenôsa. Inona no nataon’ny Tompo isaky ny fotoana nivavahan’i Zenôsa? Hanampiana anao hampihatra ireo andininy ireo amin’ny fiainanao dia manisia tsipika mampifandray ireo toe-javatra niainana izay nivavahan’i Zenôsa amin’ny toe-javatra niainana mitovy amin’izany amin’ny fiainanao. (Fidio ireo toe-java-misy izay mifandray indrindra amin’ny fiainanao. Tsy misy valinteny marina na diso amin’ity asa atao ity.)
Toe-javatra niainan’i Zenôsa |
Toe-javatra iainanao |
---|---|
Tany an-tany foana |
Any am-piasana |
Mahakasika ny fahavalony |
Any am-piangonana |
Any an-tsahany |
Fiaraha-mivavaky ny mpianakavy |
Any an-tranony |
Rehefa tsy fantatrao izay tokony hatao na matahotra ianao |
Ao amin’ny toera-miafiny |
Rehefa mahatsiaro ho irery ianao |
Ao amin’ny mpiara-mivavaka an’ny Tompo |
Vavaka ataon’ny tena manokana |
Rehefa voaroaka sy voatebaka izy |
Amin’ny toe-javatra iainana sarotra rehetra |
Tao amin’ny fahoriany rehetra |
Rehefa manana olana amin’ny namana ianao |
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no hitahian’ny fivavahana ny fiainanao mandritra ireo toe-javatra iainana rehetra ireo? Manorata tanjon’ny tena manokana iray mikasika ny fomba ahafahanao mivavaka matetika kokoa.
Asio marika ireo fehezanteny ao amin’ny Almà 33:4–5, 8–9 izay miresaka ny famindrampon’Andriamanitra, ary saintsaino ny fomba ahafahan’ny fivavahana matetika kokoa manampy anao hahatsapa ny famindrampo sy ny fitiavan’Andriamanitra. Aoka ianao hitady ny antony mampisy izany famindrampo izany rehefa manohy ny fandalinana ny Almà 33.
Almà 33:11–23
Mampianatra ny Zôramita hino an’i Jesoa Kristy i Almà
Antony iray nahasahirana ny Zôramita tamin’ny famantarana ny fomba fitsaohana an’Andriamanitra ny hoe satria tsy fantany fa tokony ho amin’i Jesoa Kristy ny finoan’izy ireo. Tsy takatr’izy ireo na ninoany ny anjara asany ao amin’ny drafitry ny famonjena (jereo ny Almà 33:14). Vakio ny Almà 33:12–16, izay ahitana ny firesahan’i Almà ny fampianaran’i Zenôsa ary avy eo dia nampahafantatra ny tenin’i Zenôka, izay mpaminany iray hafa ao amin’ny Testamenta Taloha). Tadiavo ireo fitahiana nolazain’i Almà fa tonga amintsika noho i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika ilay fehezanteny hoe “noho ny Zanakao” isaky ny miseho izany. Mianatra ity fahamarinana ity isika avy amin’ireto andininy ireto: Mandray ny famindrampon’Andriamanitra isika, anisan’izany ny famelana ny fahotantsika, noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Saintsaino ireo famindrampo izay natolotry ny Ray any An-danitra ho anao, anisan’izany ny fahafahanao mibebaka sy ho voavela amin’ny fahotanao, noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Ankoatra ny fampahatsiahivana ireo fampianaran’i Zenôsa sy Zenôka tamin’ny Zôramita dia nampahatsiahy azy ireo ny fotoana nampianaran’i Mosesy momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany koa i Almà. Fony tany an-tany foana i Mosesy sy ny zanak’i Israely dia nanaikitra ny vahoaka ny bibilava nisy poizina. Niteny tamin’i Mosesy mba hanamboatra bibilava varahina ny Tompo, hametaka izany eo ambony tehina, ary handidy ny Isiraelita izay voakaikitra mba hijery izany. “Fanehoana an-tsary” na tandindon’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ilay bibilava varahina (jereo ny Almà 33:19).
Vakio ny Almà 33:19–20, ary fantaro ny zava-nitranga tamin’ny Isiraelita izay nisafidy ny hijery ilay bibilava varahina rehefa voakaikitra izy ireo, sy ny zava-nitranga tamin’ireo izay nisafidy ny tsy hijery izany.
Saintsaino ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no ampianarin’ny tantaran’ny Isiraelita sy ilay bibilava varahina antsika momba ny zavatra tokony hataontsika mba ho sitrana ara-panahy? Inona no azonao atao hijerena ny Mpamonjy mba hahafahany manampy anao ara-panahy?
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo fomba miavaka ahafahana mijery an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao isan’andro?
Vakio ny Almà 33:22–23, ary asio marika ny zavatra tokony inoantsika mikasika an’i Jesoa Kristy mba hahafahantsika mampihatra ny finoana Azy.
Almà 34:1–14
Mampianatra ny Zôramita momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Amioleka
Nanolotra vavolombelona faharoa amin’ny fijoroan’i Almà ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny fijoroan’i Amioleka ho vavolombelona tamin’ny Zôramita, araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 34. Vakio ny ampahany amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Amioleka, izay hita ao amin’ny Almà 34:8–9, ary asio marika ny zavatra nampianarin’i Amioleka mikasika ny filàna ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Saintsaino ity fanontaniana ity: Ho toy ny ahoana ny fiainako raha toa ka tsy tonga sy nanatanteraka ny anjara asany manokana i Jesoa Kristy?
Vakio ny Almà 34:10–14, ary tadiavo ireo fehezanteny izay ahitana ny teny hoe tsisy fetra sy mandrakizay. Soraty ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fahamarinana manaraka izao: Manolotra famonjena ho an’ny olombelona rehetra ny Sorompanavotana tsisy fetra sady mandrakizain’i Jesoa Kristy.
Hanampiana antsika hahatakatra ny maha tsisy fetra sy mandrakizay ny Sorompanavotana dia nampianatra ny Eveka Richard C. Edgley tao amin’ny Fiadidian’ny Eveka Mpiahy hoe: “Amin’ny firesahana momba ny Sorompanavotan’i Kristy dia tiako ny famaritan’ny rakibolana (teny anglisy) ny hoe tsisy fetra sy mandrakizay satria mino aho fa manazava tanteraka ny tian’Andriamanitra lazaina izany. Tsy misy fetra: ‘Tsy manam-piafarana.’ Ary ny famaritana ny mandrakizay: dia ‘Tsy misy fiandohana na fiafarana’ (The American Heritage Dictionary of the English Language, edisiona faha-4. [2.000], “infinite,” “eternal,” 898, 611)” (“For Thy Good,” Ensign, mey 2002, 66).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Amin’ny fomba ahoana no maha-tsisy fetra sy mandrakizay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?
-
Ahoana no hampitomboan’ny fahalalana fa tsisy fetra sy mandrakizay ny Sorompanavatona ny fankasitrahanao ny Mpamonjy? Ahoana no ampitomboan’izany ny finoanao Azy?
-
Almà 34:15–41
Mampianatra ny fomba ahazoana ireo fitahian’ny Sorompanavotana i Amioleka
Vakio ny Almà 34:15–17 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Amioleka ny Zôramita fa ilain’izy ireo atao mba hahazoana ireo fitahiana irian’ny Mpamonjy omena antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Soraty ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fahamarinana manaraka izao: Mila mampihatra finoana ho amin’ny fibebahana isika mba ahazoana ireo fitahiana fenon’ny Sorompanavotana.
Vakio ity fanambarana avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
“Mila finoana matanjaka an’i Kristy isika mba hahafahana mibebaka. … Afaka hametraka ny fitokiantsika tsy ho voahozongozona amin’Andriamanitra ho an’ny fanavotana antsika isika rehefa mino fa mahafantatra ny zava-drehetra, tia, ary be famindrampo Izy. Hanova ny eritreritra, ny finoana, ary ny fitondrantenantsika izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny finoana an’i Kristy.
“Mitondra antsika miverina amin’ny fanaovana ny tsara ny fibebahana marina. … Ny fibebahana dia midika hoe fiovan’ny saina sy ny fo—mitsahatra amin’ny fanaovana ireo zavatra tsy mety isika ary manomboka manao ireo zavatra mety. Mitondra ho antsika fihetsika vaovao amin’Andriamanitra sy amin’ny tenantsika ary ny fiainana amin’ny ankapobeny izany” (“Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, mey 2007, 100).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no ampiharantsika finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mibebaka isika?
Vakio ny Almà 34:17–27, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Amioleka momba ny fotoana tokony hibebahantsika sy ny zavatra tokony angatahantsika amin’ny alalan’ny vavaka. Ahoana araka ny eritreritrao no nanampian’ity torohevitra ity ny Zôramita, izay nihevitra fa tsy afaka nitsaoka afa-tsy indray isan-kerinandro ihany? Misafidiana andininy iray izay heverinao fa hanampy anao indrindra. Eritrereto ny fomba ahafahanao manaraka ny torohevitra mikasika ny vavaka ao amin’ity andininy ity mandritra ny herinandro ho avy.
Nampianatra i Amioleka fa tokony ho vonona ny hanaiky ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ny fahotantsika amin’izao fotoana izao isika, toy izay miandry hibebaka any aoriana any. Vakio ny Almà 34:30–35, ary tsipiho ireo teny na fehezanteny izay milaza ny antony tsy tokony hanemorantsika ny fibebahantsika. Tadiavo ao amin’ny andininy 31 ny fitahiana izay nolazain’i Amioleka fa ho tonga amin’ireo izay misafidy ny hibebaka amin’izao fotoana izao. Avereno jerena amim-pitandremana ny andininy 32, ary diniho avy eo ny hoe: Amin’ny fomba ahoana no hisian’ity andininy ity fiantraikany eo amin’ny fomba fiainako isan’andro?
Avereno jerena ny Almà 34:33, ary diniho ny nolazain’ny Filoha Joseph Fielding Smith manao hoe: “Ny fanemorana, raha ampifandraisina amin’ny fitsipiky ny filazantsara, no mpangalatra ny fiainana mandrakizay, izay fiainana eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka. Betsaka amintsika, na mpikamban’ny Fiangonana aza, no mahatsapa fa tsy ilaina ny fihazakazahana amin’ny fitandrovana ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny fitandremana ny didy” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1969, 121).
Almà 35
Mitoetra teo anivon’ireo marina ireo Zôramita nibebaka
Nihaino ny fampitandreman’i Amioleka tsy hanemotra ny fibebahan’izy ireo ny maro tamin’ireo Zôramita, ary nibebaka sy nanova ny fiainan’izy ireo. Noroahin’ireo mpanapaka ny Zôramita hiala ny taniny izy ireo, ary tonga tao amin’ny tanin’i Jersôna ireo vahoaka ireo, izay toerana nandraisain’ireo vahoakan’i Amôna azy ireo —nantsoina ihany koa hoe Antia-Nefia-Lehia (jereo ny Almà 35:6–7). Nanjary tezitra ireo Zôramita sy Lamanita ratsy fanahy fa neken’ny vahoakan’i Amôna ireo Zôramita nibebaka, ary nanomboka nanao fiomanana tamin’ny ady tamin’ny vahoakan’i Amôna izy ireo— (jereo ny Almà 35:8–11).
-
Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:
Nandalina ny Almà 33–35 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).
Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: