Fizarana 20: Andro 2
Almà 40–41
Fampidirana
Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 40–41 dia nampianatra an’i Kôriantôna zanany ireo fotopampianarana manan-danja mifandray amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana i Almà. Nanazava i Almà fa hitsangana amin’ny maty avokoa ny olombelona rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nampianatra an’i Kôriantôna momba ny tontolon’ny fanahy ihany koa i Almà, izay toerana hiandrasan’ireo nodimandry, araka ireo safidiny nataon’izy ireo teto ambonin’ny tany, ao amin’ny paradisa na ao an-tranomaizina mandra-pahatonga ny fitsanganana amin’ny maty. Nianatra avy tamin’i Almà i Kôriantôna fa tsy ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty ihany no hita ao anatin’ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny fa ny famerenana amin’ny laoniny ara-panahy ihany koa, izay ahazoantsika ireo vokatry ny asa sy faniriantsika. Farany dia nasongadin’i Almà fa ivon’ity drafitry ny famerenana amin’ny laoniny ity ny fahamarinana hoe tsy afaka mitondra amin’ny fahasambarana marina na oviana na oviana ny faharatsiana.
Almà 40
Mampianatra an’i Kôriantôna momba ny tontolon’ny fanahy sy ny fitsanganana amin’ny maty i Almà
Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana izay vao niaina fahafatesan’ny olon-tiany iray ianao. Ny namanao, izay nahafantatra fa mpivavaka ianao, dia nanatona anao ary nametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no mahatonga antsika ho velona indray? Iza no hitsangana amin’ny maty?
-
Aiza no alehantsika aorian’ny fahafatesantsika, ary toy ny ahoana izany?
-
Inona no atao hoe fitsanganana amin’ny maty? Inona no maha samihafa ny vatantsika mety maty sy ny vatantsika nitsangana tamin’ny maty? Inona no zava-mitranga aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty?
Afaka manampy antsika hamaly ireo fanontaniana ireo ny fampahalalana ao amin’ny Almà 40. Tohin’ny fampianaran’i Almà an’i Kôriantôna zanany lahy ity toko ity. Nanjary niasa saina tamin’ny fitsanganana amin’ny matin’ireo efa nodimandry i Kôriantôna.
-
Vakio daholo ireto andian-tsoratra masina telo ireto. Misafidiana andinin-tsoratra masina iray na maromaro, ary hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hamalian’ny zavatra nampianaran’i Almà ilay fanontaniana miaraka amin’izany. (Azonao atao ny miverina ao sy mamerina mijery ny zavatra nampianarin’i Almà tao amin’ireo andininy hafa raha toa ka manana fotoana ianao any amin’ny fiafaran’ny lesona.)
-
Halalino ny Almà 40:1–5. Inona no mahatonga antsika ho velona indray? Iza no hitsangana amin’ny maty?
-
Halalino ny Almà 40:6–7, 11–14. Aiza no alehantsika aorian’ny fahafatesantsika, ary toy ny ahoana izany? (Rehefa nampianatra i Almà fa ny fanahin’ny olon-drehetra dia “entina mody any amin’ilay Andriamanitra izay nanome aina azy” (Almà 40:11), dia nampianatra izy fa aorian’ny fahafatesantsika, kanefa mialoha ny fitsanganantsika amin’ny maty, dia hiverina any amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahintsika, fa tsy any amin’ny toerana hiafarana aorian’ny fitsaran’Andriamanitra. Mety ilaina ny mizaha ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ao amin’ny andininy 13 hahatakarana ny tian’i Almà holazaina rehefa nilaza ny hoe “haizina ivelany” izy. Manampy antsika ihany koa ny Almà 40:14 hahatakatra fa ity firesahana ny haizina ivelany ity dia milaza ny toetra alohan’ny fitsanganana amin’ny maty izay antsointsika matetika hoe tranomaizina fa tsy ilay toerana farany sy maharitra ho an’ireo voaozona.)
-
Halalino ny Almà 40:21–26. Inona no atao hoe fitsanganana amin’ny maty? Inona no maha samihafa ny vatantsika mety maty sy ny vatantsika nitsangana tamin’ny maty? Inona no zava-mitranga aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty?
-
Rehefa niresaka momba ny Almà 40:11–12 ny Filoha George Q. Cannon tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava fa i Almà dia “tsy nikasa ny hampita ilay fiheverana fa ho ampandrosoana avy hatrany ho eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. Hita mazava fa mampiasa izany andianteny izany amin’ny heviny voafaritra izy ” (Gospel Truth: Discourses and Writings of President George Q. Cannon, sel. Jerreld L. Newquist, 2 vols. [1957–74], 1:73).
Mamaritra ny sasany amin’ireo zavatra hiainantsika aorian’ny fitsanganana amin’ny maty ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:
“Amin’ny Andro Fitsarana dia … ho hita avokoa ny zavatra rehetra nisy teo amin’ny fiainana. Tsy hanana ilay antsoin’ny Bokin’i Môrmôna hoe ‘fitadidiana mazava’ sy ‘fahatsiarovana tanteraka’ ny hadisoantsika fotsiny ihany isika, fa ho resahina sy haverina amin’ny laoniny ihany koa ireo zavatra mahafaly. Hahafantatra ‘tahaka ny ahafantarantsika ankehitriny’ isika. (Almà 5:18; 11:43; jereo koa ny F&F 93:33.) Hahita ‘mifanatri-maso’ isika (Môsià 12:22; 15:29) noho ireo fampahalalana hifampizarana.
“Anisan’ireo ‘zava-drehetra [izay] haverina amin’ny laoniny’ (Almà 40:23) ny fahatsiarovana, anisan’izany ireo fahatsiarovantsika talohan’ny nahaterahana. Eritrereto ny fifaliana amin’ny maha-tafaray ao an-tsaina sy ao am-po amin’ny alalan’ireo fahatsiarovana ny toetra voalohany sy ny toetra faharoa.
“Ho tafahoatra tokoa ny fihetseham-po ho tonga amintsika, rehefa fantatr’ilay Andriamanitra tia fa tsara raha averina feno amin’ny laoniny ireo fahatsiarovana! Hampitombo bebe kokoa ny fankasitrahantsika noho ny halehiben’ny faharipon’Andriamanitra sy ny halemem-panahy miaro fitiavana ao amin’ny sorompanavotana an-tsitrapo nataon’i Jesoa ireo fahamarinana maro be mahafaly ireo!” (Lord Increase Our Faith [1994], 103).
Fanakambanana ny fanahy sy ny vatana indray, miaraka amin’ny zava-drehetra naverina amin’ny laoniny amin’ny endriny tomombana no atao hoe fitsanganana amin’ny maty. Hijoro tsirairay eo anatrehan’Andriamanitra isika mba hotsaraina aorian’ny fitsanganana amin’ny maty. Vakio ny Almà 40:25–26, ary tadiavo ny famaritan’i Almà ny toetra farany an’ireo izay misafidy ny fahamarinana eto amin’ity fiainana ity rehefa ampitahaina amin’ny toetra farany an’ireo izany misafidy faharatsiana. Eritrereto ny fomba hiantraikan’ity andinin-tsoratra masina ity amin’ny fanirianao ho madio eo anatrehan’Andriamanitra.
Mifandray amin’ny fotoana eto an-tany ny fitsanganana amin’ny maty izay nolazain’i Almà araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 40:16–22. I Jesoa Kristy no nitsangana tamin’ny maty voalohany, ary fotoana vitsy taorian’izany dia narahin’ireo olo-marina niaina sy maty hatramin’ny andron’i Adama ka hatramin’ny fotoana nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty (jereo ny Almà 40:16, 20; F&F 133:54–55). Ity fitsanganana amin’ny maty ity no nantsoin’i Almà hoe “fitsanganana amin’ny maty voalohany.”
Almà 41
Mampianatra an’i Kôrintôna momba ny drafitry famerenana amin’ny laoniny i Almà
Eo am-pieritreretana ireo fahamarinana nampianarin’i Almà momba ny fitsanganana amin’ny maty, ny tontolon’ny fanahy ary ny fitsarana, dia eritrereto ny fomba mety hitondran’izany fiantraikany amin’ny asa ataon’ny olona iray raha toa ka mino izao manaraka izao izy:
-
Tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana.
-
Hatao tonga lafatra isika aorian’ny fahafatesantsika na tsara na ratsy ny asantsika teto ambonin’ny tany.
-
Homena valisoa tamin’ny asa tsara nataontsika sy hosaziana amin’ny asa ratsy nataontsika isika amin’ny fitsarana.
Mianatra isika ao amin’ny Almà 41 fa niroanahana tamin’ny zavatra nampianarin’ny olona sasany momba ny fitsanganana amin’ny maty i Kôriantôna. Asio marika ny teny hoe “naniasia” ao amin’ny Almà 41:1 ary vakio avy eo ity andininy ity hitadiavana izay nahatonga ireo olona sasany haniasia. Mba hanampiana anao ahatakatra ity andininy ity dia mety hanampy anao ny mahafantatra fa ny hoe: manolana ny soratra masina dia midika hoe mamadika, manova endrika, na manova ny dikan’ny soratra masina.
Inona ny lesona nolazain’i Almà fa andeha hazavainy amin’i Kôriantôna?
Midika hoe famerenana indray ny hoe: Famerenana amin’ny laoniny. Tian’i Almà ho takatr’i Kôriantôna fa manana lafiny ara-batana sy ara-panahy ny antsoina hoe “drafitry ny famerenana amin’ny laoniny” (Almà 41:2). Halalino ny Almà 41:2–5, ary asio marika ny zavatra haverina amin’ny laoniny ara-batana amintsika aorian’ny fahafatesana sy izay haverina amin’ny laoniny ara-panahy. (Midika hoe takiana ny teny hoe: Ilaina ao amin’ireo andininy ireo.)
Inona no lafiny ara-batan’ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny ao amin’ny Almà 41:2?
Ny lafiny ara-panahin’ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny voafaritra ao amin’ny Alma 40:3–5 dia ny hoe: Haverina amin’ny laoniny amin’ny fahasambarana na amin’ny maha fahadiranovana isika arakaraka ny asa sy faniriantsika teto ambonin’ny tany.
-
Erietrereto hoe asaina mampianatra ny Almà 40:3–5 ao amin’ny kilasin’ny Kilonga ianao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanazavanao amin’ny fomba tsotra ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny ara-panahy mba ho takatry ny ankizy ny zavatra nampianarin’i Almà.
Saintsaino ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny hanana fiantraikany amin’ny asa ataonao sy ny fanirianao.
Manomboka miahiahy ho azy momba ireo vokatra izay ho avy noho ny fahotantsika sy ny safidy diso isika rehefa takatsika ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny. Misy fomba hanovana ireo voka-dratsin’ny fanirian-dratsy sy ny asa ratsy ataontsika ve? Nanome antony tokony hanantenana ho an’i Kôriantôna i Almà. Vakio ny Almà 41:6–9, ary tadiavo izay azontsika atao mba hiverenan’ny fahatsarana sy fahasambarana amin’ny laoniny eo amintsika na dia efa nanao fahotana goavana aza isika. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na fehezanteny ao amin’ny Almà 41:6–7 izay milaza fa tompon’andraikitra amin’ny zavatra azontsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty isika. Eritrereto ity fanontaniana manaraka ity: Miainga avy amin’ireo andininy ireo, amin’ny lafiny manao ahoana no maha mpitsara ny tenantsika antsika?
Misy ireo izay mihevitra fa afaka miverina any amin’Andriamanitra kanefa tsy tompon’andraikitra amin’ny asan’izy ireo. Milaza izy ireo matetika fa ireo safidy feno fahotana ataony dia mahafinaritra. Matetika aza ireo izay manao fahotana dia toa manana endrika faly. Vakio anefa ny Almà 41:10, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà momba ny faharatsiana. (Soratra masina fehezina ny Almà 41:10. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita ny misy izany amin’ny manaraka.)
-
Mijoro ho vavolombelona amin’ny zanany i Almà ao amin’ny Almà 41:10 fa “ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana.” Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto asa ampanaovina manaraka ireto:
-
Manorata momba ny antony hinoanao fa marina ny tenin’i Almà.
-
Manorata ohatra iray amin’ny fomba mety hiezahan’i Satana handresena lahatra antsika hino fa afaka mandika ny didin’Andriamanitra isika ary mbola ho faly ihany.
-
Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 41:10 ity fanambarana nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity: “Tsy afaka manao zavatra ratsy ianao dia hahatsapa zavatra tsara. Tsy azo heverina izany!” (“A Message to the Rising Generation,” Ensign, nôv. 1977, 30).
Manazava ny antony tsy mahamety ny hisian’ny fifaliana marina rehefa misafidy ny ratsy ny Almà 41:11. Mba hanampiana anao hahatakatra ity andininy ity dia fenoy ity tabilao eto ambany ity amin’ny fampifandraisana ireo andianteny tsirairay ao amin’ny soratra masina amin’ny heviny. (Rahefa vitanao izany dia hamarino amin’ny valiny any amin’ny faran’ny lesona ireo valinteninao.)
Teny na andianteny avy amin’ny Almà 41:11 izay mamaritra ny hoe ao amin’ny “toetra voajanahary” |
Heviny |
---|---|
|
|
|
|
|
|
Rehefa avy namaritra ireo teny ary ianao izao dia vakio indray ny Almà 41:11 mba hahafantarana ny antony tsy mahamety ny hisian’ny fifaliana rehefa misafidy ny ratsy. Mety hihevitra ireo izay misafidy ny faharatsiana fa faly izy ireo amin’izao fotoana izao, kanefa tsy maintsy hitarika azy ireo amin’ny alahelo sy ny tsy fahasambarana ireo safidin’izy ireo amin’ny farany.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana araka ny eritreritrao no mifanohitra amin’ny toetry ny fahasambarana ny maha ao anatin’ny “toetra voajanahary,” na “toetra araka ny nofo” na feno fahotana?
-
Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny antony ahitan’ireo tanora fa tsy manana ny Fanahy Masina ho namana ny tenany, voafetra na vesaran’ny fahotany, na tarihin’ny nofo?
-
Vakio ny Almà 41:12, ary tadiavo ilay fanontaniana izay napetrak’i Almà tamin’i Kôriantôna momba ny famerenana amin’ny laoniny. Vakio ary izao ny Almà 41:13, ary asio marika ny fomba namalian’i Almà ity fanontaniana ity.
-
Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namana iray izay te ho faly ianao kanefa misafidy ny hanao zavatra mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra izy. Hazavao amin’ny fampiasana ny fotopampianaran’ny famerenana amin’ny laoniny izay nianaranao androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony tsy ahatsapany fifaliana sy ny zavatra tsy maintsy hatao mba ho tena faly izy.
Ny boomerang dia fitaovana iray izay nampiasaina tamin’ny fihazana tany am-piandohana. Noho ny endriny dia miverina any amin’ilay olona izay nanipy azy izany rehefa atsipy araka ny tokony ho izy. Vakio ny Almà 41:14–15, mba itadiavana ny fomba mety maha-tandindon’ny fahamarinana ampianarina ato amin’ireto andininy ireto ny boomerang. Azonao atao ny manisy marika ilay andianteny hoe “alefa any ivelany”ao amin’ny andininy 15. Mieritrereta fotoana iray nandefasanao hatsarana na famindrampo na hatsaran-toetra tany ivelany ka niverenan’izany taminao.
Inona no asa tsara tianao alefa any amin’ny hafa na fihetsika tsara tianao ho hitan’ny hafa eny aminao izay tianao hiverina aminao avy amin’ny hafa? Inona no tanjona azonao apetraka “handefasana any ivelany” ny iray amin’ireo fihetsika na asa ireo?
Soratra masina fehezina—Almà 41:10
-
Vakio ny Almà 41:10, ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao: Raha toa ka tsy fahasambarana na oviana na oviana ny faharatsiana, dia hitondra antsika mandrakariva ho amin’ny fahasambarana. Manorata teny eo amin’ny banga izay mameno tsara ilay fehezanteny. Tanisao amin’izay ireo asa tsara voafaritra izay tsapanao fa mety ho azo hamenoana ihany koa ilay banga (ohatra, manompo ny hafa). Soraty ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba nahitanao ny nitarihan’ireny asa tsara ireny ho amin’ny fahasambarana.
Zava-dehibe ny mahatakatra fa tsy tonga eo no eo, na tsy miova, na mitohy hatrany eto amin’ity tany ity ny fahasambarana azo avy amin’ny fahatsarana. Kanefa ho tonga amin’ny fomban’ny Tompo sy amin’ny fotoany mandrakariva amin’ny olona izay miaina mifanaraka amin’ny fampianarany sy ny didiny ny fiadanana sy ny fahasambarana.
-
Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:
Nandalina ny Almà 40–41 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).
Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: