Seminera
Fizarana 22: Andro 2, Helamàna 3–4


Fizarana 22: Andro 2

Helamàna 3–4

Fampidirana

Nandritra ny fotoana voalaza ao amin’ireo toko voalohandohany ao amin’ny Helamàna dia niaina tao anatin’ny fotoan’ny fandriampahalemana ireo Nefita ary niaritra fotoana nisy fifandirana. Nefita an’aliny no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fotoan’ny fandriampahalemana. Taorian’io firoboroboana lehibe io dia nitombo tao amin’ny finoany ireo mpikambana tao amin’ny Fiangonana izay nanetry tena kokoa na dia nenjehin’ireo izay lasa niavonavona aza. Koa satria Nefita maro no lasa ratsy fanahy dia lasan’ny Lamanita ireo taniny rehetra tany atsimo.

Helamàna 3

Nefita maro no nifindra monina tany avaratra raha toa kosa ka niroborobo teo anivon’ny faharatsiana sy ny fanenjehana ny Fiangonana

Vakio ny Helamàna 3:1–2 ary mariho fa “tsy nisy fifandirana” teo anivon’ny vahoaka Nefita nandritra ny taona maro. Vakio izao ny Helamàna 3:3, 19 ary tadiavo ireo teny na andian-teny izay maneho fa maro ny zavatra niova teo anivon’ny Nefita.

Ny Helamàna 3:4–16 dia manazava fa rehefa nitombo teo anivon’ny Nefita ny fifandirana dia vahoaka maro no nifindra monina nianavaratra. Nefita maro no lasa ratsy fanahy ary nikambana tamin’ny Lamanita.

Na dia teo aza ny fifandirana sy ny faharatsiana dia nisafidy ny hiaina tamin’ny fomba hafa i Helamàna. Lohan’ny Mpitsara an’ny Nefita i Helamàna sady mpaminany koa teo anivon’izy ireo. Vakio ny Helamàna 3:20 ary tadiavo ny fomba namariparitana an’i Helamàna. (Ny teny hoe hitsiny dia midika hoe fanaovana izay rariny na tsy misy fiangarana.)

Inona no manaitra anao mikasika an’i Helamàna? Nahoana izy araka ny eritreritrao no nijanona ho matanjaka toy izany nandritra io fotoan’ny fifandirana sy faharatsiana io? Azonao atao ny manisy marika ilay teny hoe lalandava ao amin’ny Helamàna 3:20.

Vakio ny Helamàna 3:22–26 ary asio marika ny fomba nanombohan’ny Nefita niova ho amin’ny tsara kokoa. Firy ny olona nikambana tamin’ny Fiangonana?

Matetika i Môrmôna no nampiasa ny andian-teny hoe “toy izany no ahazoantsika mahita,” “toy izany no ahitantsika,” ary “hitantsika” mba hanamafisana ny fahamarinana tiany ianarantsika. Ao amin’ny Helamàna 3:27–30 dia averimberina ampiasaina ireo andian-teny ireo, izay maneho fa tian’i Môrmôna isika hianatra lesona manan-danja maromaro. Vakio ny Helamàna 3:27–30, dia asio marika ireo andian-teny manan-danja ary fantaro ireo lesona tian’i Môrmôna ianarantsika.

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Soraty ny zavatra tian’i Môrmôna hofantarinao avy amin’ny Helamàna 3:27–30 mikasika ny tenin’Andriamanitra.

    2. Soraty ny fomba nanampian’ny fandalinanao soratra masina anao niala tamin’ny faharatsiana ary nihazonany anao ao amin’ny lalana iray mitondra mankeo anatrehan’Andriamanitra.

Vakio ny Helamàna 3:32–34 ary jereo fa nanomboka nanenjika ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana ny mpikambana sasantsasany tao amin’ny Fiangonana. Ireo mpanenjika dia vahoaka nilaza fa olon’ny Fiangonana, saingy raha ny marina dia feno avonavona izy ireo ary tsy nino ireo fampianaran’ny Fiangonana. Nahatonga ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanetry tena hiaritra fahoriana maro ny zavatra nataon’izy ireo. Eritrereto hoe manao ahoana ny hasarotan’izany hoe mandeha any am-piangonana ianao dia enjehin’ny mpikambana hafa ao am-piangonana satria ianao nisafidy ny hanaraka ireo mpaminanin’Andriamanitra sy ireo didy.

Vakio ny Helamàna 3:35 mba hahafantarana ny fihetsik’ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky nandritra ny fotoana nanenjehana sy nampahory azy ireo.

  1. Miainga avy amin’ny fandalinanao ny Helamàna 3:35, dia valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nitombo ve sa nihena ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana nanetry tena nandritra ny fotoana nampahory azy ireo?

    2. Inona no nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana nanetry tena ka nanamafy orina ny finoany?

    3. Inona avy ireo fitahiana azon’ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo?

Amin’ny alalan’ny fandalinana ny Helamàna 3:33–35 no ahafahantsika mianatra fa ny olona tsirairay no manapa-kevitra ny amin’izay ho fiantraikan’ny fanenjehana sy ny fahoriana amin’ny tenany. Tohizo avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ireo andininy ireo ity fehezanteny ity: Na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana dia afaka mitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy rehefa … isika. (Misy fomba maro azo hanohizana io fehezanteny io.) Azonao atao ny manoratra ny fehezanteninao ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Helamàna 3:33–35.

  1. Mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ireo fampianarana ao amin’ireo andininy ireo dia valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra:

    1. Ahoana no nanampian’ny vavaka na ny fifadian-kanina anao tao anatin’ny fotoan’ny fanenjehana na ny fitsapana?

    2. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manolotra ny fo ho an’Andriamanitra?

    3. Oviana no nitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy nandritra ny fotoan’ny fanenjehana na ny fitsapana?

Vakio ny Helamàna 3:36–37 ary tadiavo ny toetra ara-panahin’ny ankamaroan’ireo Nefita tamin’ny fotoana nahafatesan’i Helamàna.

Helamàna 4

Nisintona niala tamin’ny Nefita ny Fanahin’ny Tompo ary lasan’ny Lamanita ny fizakana ireo faritany atsimo rehetra an’ny Nefita

Araka izay voasoratra ao amin’ny Helamàna 4, taorian’ny nahafatesan’i Helamàna, dia nahatonga ny maro tamin’ireo Nefita hikambana tamin’ny Lamanita ny avonavona sy ny fifandirana teo anivon’ny Nefita. Niady tamin’ny Nefita ny Lamanita. Vakio ny Helamàna 4:4–8, ary asio marika eo amin’ilay sarin-tany ny faritra izay heverinao fa lasan’ny Lamanita.

Sary
Territory Map
  1. Zarao roa ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina amin’ny alalan’ny fanaovana tsipika mijidina eo afovoan’ilay pejy. Soraty eo amin’ny farany ambony eo amin’ny faritra ilany amin’ilay pejy ny hoe: Fehezanteny maneho ny fihetsika sy ny zavatra nataon’ny Nefita. Soraty eo amin’ilay faritra iray hafa amin’ilay pejy ny hoe: Fehezanteny maneho ny zavatra nitranga noho ireo zavatra nataony ireo. Vakio ny Helamàna 4:11–13, 21–26, ary manorata fehezanteny telo farafahakeliny eo ambanin’ny lohateny tsirairay.

Iray amin’ireo fitsipika manan-danja ianarantsika ao amin’ny Helamàna 4 ity manaraka ity: Mampisaraka antsika amin’ny Fanahin’ny Tompo ny avonavona sy ny faharatsiana ary mahatonga antsika hiantehitra amin’ny herin’ny tenantsika. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Helamàna 4:23–25.

Teo amin’ny zavatra niainan’ny Nefita, ny hoe miantehitra amin’ny herin’ny tenany dia mazàna nidika hoe resy tamin’ny ady ka lasan’ny olona ny taniny (jereo ny Helamàna 4:25–26). Eo amin’ny fiainantsika, ny hoe miantehitra amin’ny herin’ny tenantsika dia mety midika hoe tsy manana ny Fanahy ho namana.

  1. Eritrereto ireo “ady” atrehinao eo amin’ny fiainanao ary manorata mikasika ny iray amin’izy ireo na mihoatra izany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Manorata zavatra iray farafahakeliny izay azonao atao mba hihazonana ny Fanahy ho namana eo amin’ny fiainanao. Soraty ihany koa ny fahatsapanao mikasika ny maha zava-dehibe ny fananana ny Fanahy eo amin’ny fiainanao mba hanampy anao hiatrika ireo ady eo amin’ny fiainanao miaraka amin’ny herin’ny Tompo.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Helamàna 3–4 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy