Seminera
Fizarana 23: Andro 1, Helamàna 10


Fizarana 23: Andro 1

Helamàna 10

Fampidirana

Rehefa tapitra ny fitsarana natao momba ny famonoana ny lohan’ny mpitsara (jereo ny Helamàna 7–9), dia nanomboka niverina tany an-tranony i Nefia. Nisaintsaina ny zavatra nasehon’ny Tompo azy izy ary nitaintaina mikasika ny faharatsian’ny vahoaka. Nandritra ny fotoana naha kivy an’i Nefia dia niresaka taminy ny Tompo ary nanome azy ho mandrakizay ny herin’ny famehezana. Nandidy an’i Nefia ny Tompo mba hanohy hitory fibebahana amin’ny vahoaka, didy izay nankatoavin’i Nefia avy hatrany.

Helamàna 10:1–11

Nahazo ny herin’ny famehezana i Nefia

Mieritrereta fotoana iray izay niezahanao nanao ny tsara araka izay vitanao saingy hafa noho izay nandrasanao ny fihetsika nasetrin’ny hafa na ny vokatra azonao avy tamin’izany. Ao amin’ny Helamàna 10 dia hamaky mikasika ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Nefia ianao rehefa nahatoky hatrany izy tao anatin’ny toe-javatra sarotra.

Rehefa afaka madiodio tamin’ny fiampangana tamin’ny famonoana ny lohan’ny mpitsara i Nefia dia hitany fa tsy naneho finoana ny vahoaka ary tsy nibebaka taorian’ny nahitan’izy ireo ireo zava-niseho nampivarahontsana voalaza ao amin’ny Helamàna 9. Nanomboka nandeha nody tao anatin’ny hakiviana i Nefia. Vakio ny Helamàna 10:1–3 ary tadiavo izay zavatra nosaintsainin’i Nefia teny andalana hody. Azonao atao ny manisy marika ny teny hoe misaintsaina isak’izay voatonona ao amin’ireo andininy ireo izany. Ny hevitry ny hoe misaintsaina dia mandinika sy misaina lalina, matetika momba ny soratra masina na ireo zavatra hafa mikasika an’Andriamanitra. Rehefa ampiarahina amin’ny vavaka ny fisaintsainana ireo zavatra mikasika an’Andriamanitra dia mety hitondra fanambarana sy fahatakarana bebe kokoa.

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Momba ny inona no nosaintsainin’i Nefia?

  • Nahoana izy no “nitanondrika fatratra” na nalahelo?

  • Inona no nitranga teo am-pisaintsainany?

Fitsipika iray haseho ao amin’ny Helamàna 10:1–3 ny hoe: Manomana antsika handray fanambarana ny fisaintsainana ny zavatry ny Tompo. Maneho ity fitsipika ity ihany koa ireo ohatra hafa ao amin’ny soratra masina: Nisaintsaina ireo zavatra izay nampianarin’i Lehia rainy i Nefia ary lasa nahafantatra ny maha-marina azy ireo (jereo ny 1 Nefia 10:17; 11:1); i Joseph Smith kely dia “nieritreritra … ombieny ombieny” ny Jakôba 1:5 (ao amin’ny Testamenta Vaovao) ary nambara taminy ny fahamarinana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:11–19); ary nisaintsaina sy nieritreritra ireo soratra masina mikasika ny fanavotana ny maty ny Filoha Joseph F. Smith ary nambara taminy ny fahamarinana (jereo ny F&F 138:1–6, 11).

Kanefa ny ankamaroan’ireo fanambarana azon’ny olona rehefa misaintsaina ny zavatry ny Tompo dia tsy tonga amin’ny alalan’ny feo heno, na zavatra hita maso, na ny fomba hafa mahatalanjona tahaka izany. Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny fanambarana dia omena amin’ny fomba maro karazana, ao anatin’izany ohatra ny nofy, ny fahitana, ny fifampiresahana amin’ny mpitondra hafatra avy any an-danitra, ary ny fitaoman’ny fanahy. Ny fanambarana sasany dia voaray eo no eo sy amin’ny fomba mahery vaika. Ny sasany kosa dia fantatra tsikelikely sy amin’ny fomba malefaka. …

“… Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraky ny faniriantsika sy ny fahamendrehantsika ary ny fiomanantsika. Ny fifandraisana tahaka izany avy amin’ny Ray any an-danitra dia ‘hitsika’ tsikelikely sy tsimoramora ‘amin’ny fanahin[tsika] toy ny ando avy any an-danitra’ (F&F 121:45). Io lamin’ny fanambarana io dia fahita matetika fa tsy mahalana, ary miharihary eo amin’ireo zavatra niainan’i Nefia rehefa nanandrana fomba maro samihafa izy talohan’ny nahombiazany tamin’ny fahazoana ireo takela-barahina avy tamin’i Labàna (jereo ny 1 Nefia 3–4). …

“… Ireo fahamarinana fototry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia tsy nomena manontolo indray mandeha ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ilay Ala kely masina. Ireo harena sarobidy tsy voavidy vola ireo dia nambara araky ny nilan’ny toe-javatra niainana an’izany sy tamin’ny fotoana naha mety izany.

“Ny Filoha Joseph F. Smith dia nanazava ny fomba nitrangan’izany lamin’ny fanambarana izany teo amin’ny fiainany. “Fony aho zazalahy kely … dia nangataka matetika … ny Tompo aho haneho amiko zava-mahagaga mba hahazoako fijoroana ho vavolombelona. Saingy tsy nomen’ny Tompo zava-mahagaga aho fa nasehony ahy ny fahamarinana, andalan-tsoratra nanampy an-dalantsoratra … mandrapahavita ny fampahafantarany ahy ny fahamarinana avy any an-tampon-dohako ka hatrany am-paladihako, ary mandra-pialan’ny ahiahy sy ny tahotra tanteraka tato amiko. …’ (ao amin’ny Conference Report, apr. 1900, 40–41).

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia toa mifantoka be loatra amin’ireo fisehoana ara-panahy mahavariana sy mampitolagaga isika hany ka mety tsy mahay mamantatra ary mety tsy mahita mihitsy aza ilay lamina mahazatra izay fanaovan’ny Fanahy Masina ny asany” (“Ny Fanahin’ny Fanambarana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 88–89).

  1. Manorata mikasika ny fotoana iray izay nahatsapanao fa nandraisanao fanambarana ho an’ny tena manokana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Inona avy ireo toe-javatra izay nahatonga ilay fanambarana? Ahoana no nahafahan’ny fisaintsainana nanampy anao handray fanambarana? (Tadidio fa mety tonga amin’ny fomba maro karazana ny fanambarana. Mety ahitana fotoana hahazoana fanazavana sy fahatakarana tampoka na mandeha tsikelikely izany, na fahatsapana fiadanana sy fahatokian-tena.)

Sary
zazavavy ao anaty ala

Manokàna fotoana tsy miovaova hisaintsainana eo amin’ny fiainanao, toy ny hoe mandritra ireo fivoriam-piangonana, aloha sy aorian’ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana, rehefa avy mijery na mihaino fihaonamben’ny Fiangonana, mandritra ny fifadian-kanina, na mandritra ny fanajana ny andro sabata.

Alaivo sary an-tsaina hoe nanana zavatra sarobidy tokoa taminao ianao ary tsy maintsy namela izany mba hotazonin’ny olona hafa. Iza no hanananao fitokisana hihazona izany? Inona no antony hisafidiananao io olona io? Inona no nataon’io olona io ka nahatonga anao hatoky azy?

Vakio ny Helamàna 10:4–5 ary tadiavo ny antony natokisan’ny Tompo an’i Nefia. Ny hoe tsy sasatra dia midika hoe “tsy reraka mihitsy.” Saintsaino ny ohatr’ireo olona fantatrao izay toa manompo ny Tompo kanefa tsy sasatra na inona na inona toe-javatra iainany.

Ny valinteny nomen’ny Tompo an’i Nefia ao amin’ny Helamàna 10:4 dia mampianatra ny fitsipika hoe: Omen’ny Tompo fitahiana sy andraikitra isika rehefa mametraka ny sitrapony alohan’ny antsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na mihoatra izany:

    1. Amin’ny fomba ahoana no hahafantaranao hoe inona no sitrapon’ny Tompo mikasika ny fiainanao?

    2. Inona no nataonao vao haingana teo amin’ny fiainanao mba hanehoana amin’ny Tompo fa manan-danja kokoa noho ny sitraponao ny sitrapony ary ny sitrapony no tianao arahina amin’ny fotoana rehetra?

    3. Inona no sehatra iray eo amin’ny fiainanao izay ahazoanao mikatsaka sy manaraka bebe kokoa ny sitrapon’ny Tompo fa tsy ny anao?

Vakio ny Helamàna 10:5–7 ary fantaro ireo fitahiana sy fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Nefia noho izy azo itokisana. Soraty eo akaikin’ny andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany ireo fitahiana sy fampanantenana:

Andininy 5:

Andininy 6:

Andininy 7:

Ilay fitahiana hita ao amin’ny Helamàna 10:7 dia fotopampianarana ivon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Mamehy sy mamaha ety an-tany sy any an-danitra ny herin’ny famehezana. Mahafantatra olona hafa ao amin’ny soratra masina ve ianao, izay nomena io fahefan’ny famehezana io? Azonao atao ny mampifandray ny Helamàna 10:7 amin’ireto soratra masina manaraka ireto: 1 Mpanjaka 17 (Elia); Matio 16:15–19 (Petera); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:46 (Joseph Smith).

Sary
Tempolin’i Berne, Suisse

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:9 ary tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny herin’ny famehezana.

Ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no mihazona ireo fanalahidin’ny herin’ny famehezana ireo amin’izao fotoana izao. Tahaka ny nahafahan’ny Tompo natoky an’i Nefia dia mahafantatra ihany koa Izy fa tsy hampiasa io hery io amin’ny fomba mifanohitra amin’ny sitrapony ny Filohan’ny Fiangonana. Io fahefan’ny famehezana io dia omena ny mpihazona fisoronana mendrika hafa manerana izao tontolo izao, izay ahafahan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana hamehy eto an-tany sy any an-danitra.

Eritrereto ity fanambarana nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mikasika ny maha zava-dehibe ity herin’ny famehezana ity:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Ny zavatra rehetra izay tsy nofehezina tamin’ity fahefana ity dia mifarana rehefa maty ny olona. Raha tsy manana io famehezana tsy misy fetra io ny batisa iray dia tsy hahatafiditra ny olona iray ao amin’ny fanjakana selestialy; raha tsy nofehezina tamin’io fahefana io ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay dia tsy hitondra ireo mpivady nanao izany ho amin’ny fisandratana ao amin’ny lanitra ambony indrindra ao anatin’ny tontolo selestialy izany.

“Mahazo hery tsy misy fetra sy manan-kery ny zavatra rehetra noho ilay herin’ny famehezana” (Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 683).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny nolazain’ny Loholona McConkie dia inona no mitranga rehefa tsy fehezina amin’ny alalan’ny fahefana tena izy ny ôrdônansy iray?

    2. Inona no fiantraikan’ny herin’ny famehezana teo amin’ny fiainanao ary ahoana no tianao hitahian’izany ny fiainanao amin’ny hoavy?

Vakio ity teny manaraka nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay milaza fa naverina tamin’ny laoniny ny fahefan’Andriamanitra entina mamehy: “Naverina tamin’ny laoniny araka izay voalazan’ny faminaniana ny tempoly, ny ôrdônansy, ny fanekempihavanana, ny fanafiana masina ary ny famehezana. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia manome fomba ihavanana amin’ny Tompo ary mamehy ny fianakaviana hiaraka mandrakizay. Ny fankatoavana ireo fanekempihavanana masina natao tao amin’ny tempoly dia mahatonga antsika ho mendrika ny fiainana mandrakizay—ilay fanomezana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona” (“Prepare for the Blessings of the Temple,” Ensign, ôkt. 2010, 42).

Araka izay nolazain’ny Loholona Nelson dia inona no mahatonga antsika ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ilay herin’ny famehezana?

Helamàna 10:12–19

Nankatoavin’i Nefia ilay didin’ny Tompo hoe hitory fibebahana tamin’ny vahoaka

Efa nisy fotoana ve ianao nangatahan’ny ray aman-dreny na mpampiasa na mpitarika iray hanao zavatra iray ary nanemotra ny fotoana hanaovana ilay zavatra nangatahana na tsy nanao izany? Eritrereto ny hafatra ampitainao rehefa manemotra ny fanaovana ny zavatra nangatahana taminao ianao.

Vakio ny Helamàna 10:11–12 ary tadiavo ny fihetsika namalian’i Nefia ny didin’ny Tompo taminy ny mba hitory fibebahana tamin’ny vahoaka. Maneho inona amin’ny Tompo isika rehefa manao avy hatrany sy haingana ny toroheviny sy ny didiny?

  1. Vakio ny Helamàna 10:13–18. Avy eo dia manorata fehezanteny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny zavatra nianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia tamin’ny famaliany ny fandidian’ny Tompo. Manorata fomba iray azonao ampiharana izany eo amin’ny fiainanao.

Ny fahatokian’i Nefia dia naneho fa afaka nitoky taminy ny Tompo ka nomena hery lehibe sy fiarovana izy.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Ho famerenana ny soratra masina fehezina dia vakio ny 1 Nefia 3:7; 2 Nefia 2:27; 2 Nefia 31:19–20; ary Môsià 2:17. Eritrereto ny hifandraisan’ireo andinin-tsoratra masina fehezina ireo amin’i Nefia sy ny asa fanompoany ao amin’ny Helamàna 10.

Mikatsaha fomba ametrahana ny sitrapon’ny Tompo alohan’ny anao sy hankatoavana haingana. Rehefa manompo ny Tompo amim-pahatokiana tahaka izay nataon’i Nefia ianao dia hatoky anao sy hitahy anao Izy.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Helamàna 10 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy