2021
Ny fahatsapana fiadanana
Septambra 2021


Avy amin’ny namana mankany amin’ny namana

Ny fahatsapana fiadanana

Avy amin’ny fanadihadiana niarahana tamin’i Lucy Stevenson Ewell.

Sary
boy sitting in garden on bench with teacher

Indray maraina fony aho 11 taona, dia nifoha aho ka nahare feo tany amin’ny efitrano fatoriana. Tsy nisy namoha ahy handeha hianatra toy ny fanaon’izy ireo mahazatra aho. Rehefa nandeha nijery izay nitranga aho dia hitako fa maty ny raiko.

Raha mbola niresaka tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ny fianakaviako dia nandeha teny an-jaridaina aho. Lehibe ny zaridainanay ka niara-niasa tamin’ny raiko aho tamin’ny fikarakara izany. Nipetraka teo ambonin’ny dabilio teo ambany hazo aho ary nitomany. Tena nahatsapa ho nalahelo sy sahiran-tsaina aho.

Minitra vitsy taty aoriana dia tazako ny mpampianatra ahy tao amin’ny Kilonga namoha vavahady. Tonga izy ary niara-nipetraka tamiko teo amin’ny dabilio ka niteny hoe, “Ry Joni, tadidinao ve ny lesontsika tamin’ny Alahady farany teo nikasika ny drafitry ny famonjena?” Nanazava tamiko indray ilay mpampianatra ahy fa isika olombelona dia manana fanahy sy vatana. Nilaza izy fa ny fanahin’i dada dia any amin’ny toerana tsara iray, ary indray andro any izy dia hitsangana amin’ny maty. Indray andro any aho dia hahita azy indray.

Na dia mbola tao anatin’ny alahelo aza aho dia nahatsapa fiadanam-po. Tsaroako matetika izany fiadanam-po izany isaky ny mieritreritra izany zavatra niainana izany aho. Nanompo ahy ilay mpampianatra ahy tao amin’ny Kilonga, ary nankahery ahy ny Fanahy Masina. Nanampy ahy hanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny drafitry ny famonjena izany.

Na inona na inona zavatra atrehanao dia miraharaha ny momba anao Andriamanitra. Tsy mila hoe lehibe ianao vao afaka hahatsapa ny Fanahy mijoro ho vavolombelona aminao hoe hizotra tsara daholo ny zavatra rehetra. Afaka manorina fijoroana ho vavolombelona momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ianao. Afaka mahatsapa fiadanam-po ianao.

Sary
Friend Magazine, 2021/09-10 Sep/Oct Tier 2

Sary nataon’i Arthur Lin

Hamoaka printy