2021
Mihira ho an’i Jesoa
Septambra 2021


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Mihira ho an’i Jesoa

Nalaina tamin’ny “Worship through Music, ”(Fiderana amin’ny alalan’ny hira) Ensign, nôv. 1994, 9–12.

Sary
three children singing

Ny mihira ireo hira ao amin’ny Fihirana sy ireo hiran’ny Kilonga dia fomba iray hanehoana ny fitiavantsika an’i Jesoa. Nampiseho ohatra ho antsika Izy. Tamin’ny fiafaran’ilay fanasana farany dia niaraka nihira i Jesoa sy ireo Apôstôliny (jereo ny Matio 26:30).

Ny fihirana hira dia ahafahana:

  • Maneho ny fitiavantsika an’i Jesoa.

  • Manasa ny Fanahy Masina.

  • Manomana antsika hianatra ny filazantsara.

  • Manome hery ara-panahy ho antsika.

Rehefa mihira ianao dia eritrereto ny hevitra lazain’ireo tononkira. Rehefa alaim-panahy ianao hanao safidy ratsy, dia andramo hirahiraina ny hiran’ny Kilonga. Rehefa mihira ianao dia hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fiadanam-po no omen’i Kristy

Sary
coloring page of Jesus calming the storm

Indray alina raha tao anaty sambokely i Jesoa sy ny mpianany, dia injay fa nisy tafio-drivotra lehibe. Natahotra ireo mpianany. Nofohazin’izy ireo i Jesoa ary nangataka fanampiana Taminy izy ireo. “Ary nifoha [Jesoa], dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe, Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.” (Marka 4:39)

Lokoy ny sary. Ary avy eo dia soraty ny sasany amin’ireo hira tianao indrindra mikasika an’i Jesoa. Raha toa ianao mahatsapa ho manirery na matahotra dia hirao ny iray amin’ireo hira ireo mba hahatsapana fankaherezana sy fiadanam-po.

Sary
Friend Magazine, 2021/09-10 Sep/Oct Tier 2

Sary nataon’i Jared Beckstrand

Hamoaka printy