2021
Asehoy sy lazao
Septambra 2021


Asehoy sy lazao

Sary
boy standing behind cardboard podium

Tena sarotra ny mihaino sy maneho fanajana rehefa tany an-trano no niangona nandritra ny fihanahan’ilay valanaretina. Niezaka nieritreritra ny fomba ahafahako manao izany ho miavaka sy maneho fanajana aho. Nahita hevitra aho. Naka baoritra lehibe roa aho ary nataoko toy ny lampihazo. Nahatsiaro faly aho nanampy nanao izay hampiavaka ny fotoam-bavaka natao tao an-trano.

Presley F., 9 taona, Saxony, Allemagne

Sary
A pohot of Olivia Haibrock

Rehefa mahita olona manirery aho na nandia andro sarotra any an-tsekoly dia asaiko izy ireo hiara-hilalao amiko.

Otilia H., 9 taona, Region Hovedstaden, Danemark

Sary
A portrait of Cannon Anderson

Feno fankasitrahana aho noho ny mpaminany velona. Tiako ny mandalina soratra masina miaraka amin’ny fianakaviako isan-kerinandro sady mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy. Manampy ahy hahatakatra ireo fampianaran’i Jesoa izany.

Cannon A., 10 taona, Arizona, Etazonia

Sary
A photo of Ellie Kearl

Namaky ny Bokin’i Môrmôna aho rehefa avy nisedra olana. Tonga ny reniko ary nahita ahy teo am-pamakiana ary nilaza izy fa hevitra tsara hanampy ahy hitony izany. Nahatsapa hafanana tao anatiko aho.

Ellie K., 7 taona, New Hampshire, Etazonia

Sary
A photo of Everett Olsen

Fony aho narary dia nahatsapa ny Fanahy Masina aho rehefa nomen’i Dada tsodranon’ny fisoronana. Feno fankasitrahana ny raiko sy ny reniko aho.

Everett O., 6 taona, Ohio, Etazonia

Sary
A picture of Ana Clara Cerqueira Lemke

Nanana biby fiompy an-trano iguane aho ary isaky ny mandositra izany dia mivavaka amin’ny Ray any An-danitra aho mangataka ny mba hiverenany.

Ana C., 6 taona, Espírito Santo, Brésil

Sary
A photo of Benjamin Chapman

Mangataka ahy ny namako mba hilalao jeux video amin’ny andro alahady. Tena te hanao izany mafy aho saingy niteny hoe tsia. Te hihazona ny andro Sabata ho masina aho.

Benjamin C., 9 taona, California, Etazonia

Sary
drawing of children with lots of different skin colors, holding hands

“Iray avokoa isika rehetra,” Madison C., 10 taona, Utah, Etazonia

Sary
drawing of Salt Lake Temple

Alan M., 10 taona, California, Etazonia

Sary
drawing of First Vision

Dallin H., 6 taona, Auckland, Nouvelle Zélande

Sary
girl holding drawing of temple

“Ny Tempoly,” Vimbai M., 9 taona, Dar es Salaam, Tanzanie

Hamoaka printy