2021
Fantaro i Porter avy any Pologne
Septambra 2021


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Mifankafantatra amin’i Porter avy any Pologne

Avy amin’ny fanadihadiana niarahana tamin’i Amie Jane Leavitt

Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Sary
two brothers sitting together

Ny mombamomba an’i Porter

Taona: 10

Avy any: Etazonia ary monina any Pologne

Fiteny: Anglisy ary mianatra fiteny Frantsay

Fianakaviana: Dada, Neny, rahalahy: Ethan, Mason, sy Connor, ary alika iray antsoina hoe Ginger

Tanjona sy nofinofy: Ho lasa dokoteram-biby sy hikarakara biby.

I Porter manome tanana

Sary
boy taking pictures at cemetery

I Porter dia mijery foana ireo zavatra madinika izay azony hanampiana ny hafa. Ao an-trano izy dia manampy ireo ray aman-dreniny amin’ny fikarakarana sakafo ho an’ny fianakaviana. Any an-tsekoly dia maka antoka izy fa milalao tsara daholo ny tsirairay indrindra ireo ankizy izay mazàna hadinodino. Manampy amin’ny fitandremana ireo kilalao fialana voly izy na dia tsy milalao an’izany akory aza. Manao zavatra hanampiana ireo biby ihany koa izy. Mpikambana ao anatina fikambanana ao an-tsekoly izy izay manamboatra kilalao ho an’ny alika tezaina any amin’ny mpiahy ny biby.

I Porter ihany koa dia nanampy tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny tetikasa BillionGraves. Nankeny amin’ny fasana izy sy ny fianakaviany ary naka sary ireo soratra teo amin’ny fasana. Nanampy tamin’ny fakana ireo sary i Connor rahalahiny. Avy eo dia alefan’izy ireo tany amin’ny tranonkalana misahana ilay tetikasa ireo sary. Ireo sary ireo dia hanampy olona maro be manerana izao tontolo izao izay mikaroka ny mombamomba ny razamben’izy ireo avy ao Pologne.

Ireo zavatra tian’i Porter

Sary
pictures of Porter’s favorites

Toerana: Virginia, Etazonia sy Hersheypark ao Pennsylvanie, Etazonia

Tantara momba an’i Jesoa : Izy nampitony ny ranomasina

Hiran’ny Kilonga: “Gethsemane” (Mars 2018 L’Ami na Liahona)

Sakafo: Mandoo (Van-tan Koreana)

Loko: Volomparasy

Taranja any an-tsekoly: Vakiteny sy matematika

I Porter manampy amin’ny fakana sary eo amin’ny fasana ho an’ny tetikasa ny tantaram-pianakaviana maneran-tany.

Hamoaka printy