2021
Nanampy tamin’ny fomba maro i Jesoa
Septambra 2021


Manampy toa an’i Jesoa

Nanampy tamin’ny fomba maro i Jesoa

Sary
Jesus helping a woman

Nanokana ny fiainany tamin’ny fanompoana sy ny fanampiana ny hafa i Jesoa. Fony i Jesoa mbola kely dia nanampy ny rainy tamin’ny asa fandrafetana izy. Ny iray tamin’ireo fahagagana voalohany nataony dia ny nanampiany ny reniny rehefa lany ny divay tamin’ny fampakaram-bady. Rehefa nahita olona iray jamba Izy dia nositraniny. Nanampy ireo ankizy izy hahatsapa ho tiana sy ho voaray tsara. Mety tsy ho afaka hanao ireo fahagagana mitovy amin’izay nataon’i Jesoa isika fa afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa kosa mba hahafahana mikaroka fomba hanampiana araka izay tsara indrindra azontsika atao.

Sary
Elierys decorating cookies

Tiako ny manampy ao an-dakozia mba hamorona fomba fahandro sakafo. Tia biby aho ary izany no mahatonga ahy tia manampy ny raibeko mamahana azy ireo. Toy izany no fomba fanampiako!

Elierys R., 9 taona, avy any Porto Rico

Hamoaka printy