2021
Tempolin’i Kirtland
Septambra 2021


Tantara ao amin’ny soratra masina

Tempolin’i Kirtland

Sary
Joseph Smith seeing image of Kirtland Temple

Nilaza tamin’i Joseph Smith Andriamanitra mba hanangana tempoly iray. Hatao tranon’ Andriamanitra izany.

Sary
children bringing water to workers building the temple

Niara-niasa ireo Olomasina tamin’ny fananganana ilay tempoly. Ny lehilahy nanangana ireo rindrim-be. Ireo vehivavy no nanamboatra ny lambam-baravarana sy ny karipetra. Ireo ankizy nanampy tamin’ny fitondrana fitaovana sy rano teo amin’ireo mpiasa.

Sary
family singing together

Rehefa vita ny tempoly dia niditra tao anatin’izany ireo Olomasina. Nihira hira tao amin’ny fihirana izy ireo ary nihiaka “Hosana!” Nanao vavaka ho fanokanana (fangataham-pitahiana) ny Tempoly i Joseph.

Sary
Jesus appearing to Joseph and Oliver inside temple

Herinandro taty aoriana, dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny tempoly i Jesoa Kristy. Nilaza i Jesoa fa nekeny ho Tranony ilay tempoly.

Sary
three children holding hands and standing outside temple

Ankehitriny dia misy tempoly manerana izao tontolo izao! Ny tempoly tsirairay dia toerana masina. Indray andro any aho hiditra any ary hanao fampanantenana amin’ Andriamanitra.

Sary nataon’i Apryl Stott

Hamoaka printy