2021
Olga Šnederfler
Septambra 2021


Mpamaky lay any amin’ny tany tsirairay

Olga Šnederfler

Vehivavy vadina Filohan’ny Tempoly voalohany avy any Tchecoslovaquie

Nahafantatra i Olga fa ho any amin’ny tempoly izy indray andro any.

Sary
woman sitting on chair looking at temple pictures

Nandinika ilay sarina tempoly teo amin’ny rindriny i Olga. Nisento izy. Raha mba afaka nandeha tany amin’ny tempoly mantsy ny fianakaviany! Saingy tsy nisy tempoly akaiky azy ireo ary tena sarotra be ny fialana eo amin’ny firenena misy azy.

Natao batisa taona vitsy talohan’izany i Olga. Saingy voatery nandao ny firenena indray ireo misiônera tamin’izany. Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia tsy navela nankany am-piangonana intsony. Tsy nahazo na dia niresaka mikasika ny finoan’izy ireo tamin’ny hafa aza izy ireo.

Nanohy niaina ny filazantsara i Olga. Torak’izany koa i Jirí vadiny. Niara-nivavaka sy namaky ny soratra masina izy ireo. Nanao takarivan’ny mpianakavy izy ireo ary nampianatra ireo zanany. Nanao ny fivoriana fanasan’ny Tompo ao amin’ny trano keliny izy ireo isaky ny alahady. Nanantona sarina tempoly maro be tao an-trano izy ireo.

Ary rehefa nahatsapa ho manirery i Olga sy ny fianakaviany, dia nahatsiaro izy ireo fa misy mpikamban’ny Fiangonana maro be manerana izao tontolo izao any.

Indray andro dia nisy zavatra nampientanentana nitranga. Ny Filoha Russell M. Nelson, Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany dia tonga nitsidika ny firenen’izy ireo. Nitsiky i Olga rehefa nandray ny tanan’ny Filoha Nelson. Ary avy eo izy dia nanome fampanantenana miavaka an’i Olga . “Ranabavy, indray andro any ianao dia ho tonga any amin’ny Tempoly.”

Nahatsapa hafanana tao am-pony i Olga. “Misaotra anao,” hoy izy nibitsibitsika.

Nandeha teny ny volana. Avy eo ny taona. Nandinika foana ireo sarina tempoly nihantona teo amin’ny rindrina i Olga. Toy ny tsy ho azo tanterahina izany mihitsy ny fankanesana any amin’ny Tempoly!

Efa-taona taty aoriana dia voasa handeha hanatrika ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tany Salt Lake City, Utah, Etazonia i Olga sy i Jirí. Natahotra i Olga hoe sao tsy ho afaka mandeha izy ireo. Mbola sarotsarotra ny fandehan-javatra teo amin’ny firenen’izy ireo. Ilàna antotan-taratasy maro be ny fandehanana. Saingy toa nizotra tsara ihany ny zava-drehetra. Nisamboaravoara ny tao anatin’i Olga rehefa niainga ny fiaramanidina nitondra azy ireo ho any Etazonia. Fahagagana izany!

Nanatrika ny fihaonambe i Olga sy i Jirí ary nihaino ny mpaminany izy ireo. Afaka nahita ny Temple Square izy ireo sy nitsidika ireo ivon-toerana ho an’ny mpitsidika. Saingy ny ampahany tsara indrindra tamin’izany dia ny fidirana tao amin’ny tempoly!

Niakanjo fotsy i Olga ary nahatsapa ho toy ny tany an-danitra rehefa nanao fampanantenana manokana tamin’ Andriamanitra. Voafehy tamin’i Jirí mihitsy aza izy. Tanteraka ny fampanantenan’ny Filoha Nelson!

Niverina nody i Olga sy i Jirí. Rehefa nandeha teny ny fotoana dia nihatsara ny fandehan-javatra teo amin’ny firenen’izy ireo. Afaka nandeha tany am-piangonana ihany izy ireo nony farany ary afaka niverina nampianatra indray ireo misiônera.

Indray andro dia naneno ny telefaonina. Ny Filoha Thomas S. Monson no niantso. Niantso an’i Olga izy ho vadina filohan’ny Tempoly tany Freiberg Allemagne. Ary i Jirí no ho filohan’ny Tempoly.

Nitsiky i Olga raha nijoro nitafy ilay akanjo fotsy lava tao anatin’ny Tempolin’i Freiberg. Toy ny hoe mbola lavitra be indray ny Tempoly. Saingy tamin’izay dia afaka nankamamy izany isan’andro izy! Nofy tsara lasa tanteraka izany.

Ny faritra izay nonenan’i Olga taty aoriana dia lasa tafiditra tao anatin’ny Repoblika Tchèque.

Misy rova an-jatony ao amin’ny Repoblika Tchèque.

Ny vehivavy vadina filohan’ny Tempoly dia vehivavy mpitarika ao amin’ny tempoly.

Nanana sarina tempoly mihoatra ny roapolo i Olga tao an-tranony.

Nanan-janaka lahy iray sy vavy iray izy sy i Jirí.

Nitazona raki-tsary nisy ny sarin’ireo misiônera nampianatra azy izy.

Sary
Friend Magazine, 2021/09-10 Sep/Oct Tier 2

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney

Hamoaka printy