2021
Ry namana malala
Septambra 2021


Ry namana malala,

Sary
letters from children

Efa nisy fotoana ve ianareo nahatsapa ho niahiahy na tezitra tao anatina tafio-drivotra na aretina na adihevitra? Fantatr’i Jesoa ny zavatra tsapanareo ary afaka manampy anareo Izy! Ao amin’ny pejy 3 dia afaka mamaky ny fomba nampanginan’i Jesoa ny tafio-drivotra lehibe ianareo ary afaka manao zavatra hanampy anareo hahatsapa fiadanana.

Ao amin’ny pejy 13, ianareo dia afaka mianatra hira mahafinaritra iray hoe “Fiadanam-po no omen’i Kristy.”

Amim-pitiavana,

Namana

Fanamarihana: Azafady sorato dia lazao anay ny fomba ahatsapanao fiadanam-po.

Ireo toerana amakiantsika ny Namana

Sary
two children in bright clothes reading Friend magazine together

I Milfred sy Alfred W., 7 sy 4 taona, dia mamaky ny Namana amin’ny teny Anglisy ao Kampala, Ouganda.

Te hahita ny Tempoly aho

Sary
boy holding copies of French Friend in front of temple

I Logan A., 10 taona, dia nitsidika ny Tempolin’i Montréal Quebec.

Soratra Masina atao sary amin’ny vato!

Sary
picture of boat made from sticks

Tamin’ny takarivan’ny mpianakavy dia nanao tantaran-tsoratra masina telo navoaka sary tamina vato izahay. Nahafinaritra anay ny nianatra ny tantara ao amin’ny soratra masina mikasika ny rahalahin’i Jareda (Nôv. 2020)!

James sy Séfora W., 6 sy 5 taona, avy any Navarre, Espagne

Hamoaka printy