2021
Ilay vahiny manan-kaja
Septambra 2021


Ilay vahiny manan-kaja

Ny mpanoratra dia mipetraka any Dar Es Salaam, Tanzanie, sy any Utah, Etazonia.

Ahoana no fomba nanampian’i Ammon ny fianakaviany handraisana ny vahiny manan-kajan’izy ireo?

”Manorena tranon’ … ny filaminana, tranon’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119).

Sary
a boy picking up laundry

Sabotsy hariva tamin’izay. Te hiala voly i Ammon.

“Neny a!” hoy izy, “Afaka mivoaka any ivelany ve aho mba hilalao?”

“Tsy maintsy mandamina ny efitranonao aloha ianao,” hoy i Neny.

“Fa, Neny a!,” hoy i Ammon, “tsy afaka miandry angaha ny efitranoko?”

“Te hanasa olona manan-kaja isika mba ho vahinintsika. Noho izany dia tiantsika ny trano mba hadio sy hilamina.”

“Vahiny manan-kaja hoe?” Hoy i Ammon. “Ato an-tranontsika ve?”

“Ie, ary afaka manampy ianao amin’ny fanasana azy,” hoy i Neny. “Noho izany mandehana ampirimo ny efitranonao.”

Nientanentana ery i Ammon. Tiany ny manana vahiny. Nanontany tena izy hoe iza ary ilay ho vahiny. Ny ben’ny tanàna ve? Ny talen’ny sekoly ve? Angamba mety ny eveka izany!

Nandeha tany an’efitranony i Ammon. Voalohany dia hitany ny ba kirarony maloto teny amin’ny tany. Napetrany tao anatin’ny arona fasiana lamba maloto izany. Avy eo dia nalaminy teo ambonin’ny latabatra fianarany ireo bokiny any an-tsekoly. Tiany ho fantatr’ilay vahiny hoe tia mianatra zavatra vaovao izy.

Tonga tao an’efitranony i Angel zokiny vavy. “Inona no ataonao?” hoy izy nanontany.

“Nilaza i Neny fa handray vahiny manan-kaja isika,” hoy ny navalin’i Ammon. “Niangavy ahy izy hanampy amin’ny fiomanana handray izany.”

Niara-nitraka nijery an’i Neny teo am-baravarana izy ireo.

“Inona koa ny zavatra hafa azontsika omanina?” Hoy i Ammon. “Tiantsika mba hahatsiaro tena ho voaray tsara io vahinintsika manan-kaja io.”

“Inona no hevitrareo?” Hoy i Neny nanontany.

“Afaka miteny isika hoe karibu,” Hoy i Ammon. Ny dikan’io amin’ny teny Swahili dia hoe, “Tonga soa ato aminay. Omena anao ny fitenenana.”

“Izahay afaka mihaino,” hoy i Angel. “Tena zava-dehibe ny mihaino.”

“Hevitra tsara izany,” hoy i Neny. “Aleo jerentsika hoe inona no holazain’i Baba (Dada) rehefa tonga izy.”

Teo amin’ny adiny iray teo dia tonga i Dada.

Niandry i Ammon. “Niteny i Neny hoe hanasa vahiny miavaka ato an-trano isika. Efa niomana izahay.”

Nitsiky i Dada. “Faly aho. Avia. Mipetraha. Andao hiresaka. Angel a! Avia koa ianao azafady.”

Rehefa teo daholo izy ireo dia niteny i Dada hoe: “Niresaka momba ilay vahinintsika miavaka izaho sy i Neny sy ny zavatra azontsika atao mba handraisana azy tsara. Voalohany aloha dia holazaiko anareo hoe iza ilay vahiny. Ny Fanahy Masina izany. Izy no anisan’ny vahiny manan-kaja indrindra amin’ny vahiny rehetra.”

Nifampijery i Ammon sy i Angel. Tsy izany no nantenain’i Ammon!

“Ary Izy no vahiny azontsika asaina hiaraka amintsika foana,” hoy i Neny. “Ry Angel, taorian’ny batisanao dia noraisina ho mpikambana ianao. Ary nomena fanomezana ianao. Tadidinao ve hoe inona no nolazain’i Dada tao anatin’ilay tsodrano?”

“Nilaza tamiko izy mba handray ny Fanahy Masina.”

“Marina izany,” hoy i Neny. “Nasaina ianao handray ny Fanahy Masina. Noho izany ry i Ammon, inona no tiako holazaina raha nilaza taminao aho hoe afaka manampy amin’ny fanasana Azy ianao?”

Nieritreritra i Ammon. Nanana drafitra hanao karatra fanasana izy hanasana ireo vahinin’izy ireo. Ahoana no fomba hanasany ny Fanahy Masina? “Raha ny eritreritro dia amin’ny alalan’ny fanasana Azy hahatsapa ho voaray tsara, dia toy ny manasa Azy aho,” hoy i Ammon.

“Marina izany!” Hoy i Dada. “Ny fomba iray azontsika hanasana Azy ho tonga ao an-tranontsika dia amin’ny alalan’ny fanaovana ny tranontsika ho madio sy milamina.”

“Izany ve no nahatonga an’i Neny niteny anay mba hampirina ny efitranonay?” Hoy i Ammon nanontany.

“Eny!” Hoy i Neny. “Inona koa no zavatra hafa azontsika atao hanasana Azy hiaraka amintsika?”

“Afaka mivavaka isika,” Hoy i Ammon. “Sy mamaky ny soratra masina.”

“Afaka mihaino hira tsara isika,” hoy i Angel. “Afaka miaraka mihira hira ao amin’ny fihirana isika.”

“Afaka ny ho tsara fanahy isika fa tsy miady,” hoy i Ammon.

“Marina izany,” hoy i Dada. “Rehefa miezaka manao izay ampianarin’i Jesoa Kristy isika dia manasa ny Fanahy Masina hiaraka amintsika. Ary hanampy antsika hahatonga ny tranontsika ho toerana hahatsapantsika fitiavana sy fiadanam-po Izy.”

Nieritreritra nandritra ny minitra vitsy i Ammon. “Marina ny teninao, ry Dada. Ny Fanahy Masina no anisan’ny vahiny manan-kaja amin’ny vahiny rehetra!”

Sary
Friend Magazine, 2021/09-10 Sep/Oct Tier 2

Sary nataon’i Mark Jarman

Hamoaka printy