2021
Karatra misy ny tantaran’ny Fiangonana
Septambra 2021


Karatra misy ny tantaran’ny Fiangonana

Hetezo ireo karatra, aforeto manaraka ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo hikombona.

Desideria Yáñez

Sary
cut-out card of Desideria Yáñez

1814–1893

“Nitebiteby izy … hamaky ny Bokin’i Môrmôna.”

  • Nanonofy mikasika ny kiboky iray milazalaza momba ny Fiangonana izay hanova ny fiainany izy.

  • Ny zanany, José, dia nahita ilay kiboky tany Mexico City. Nampianatra azy ny filazantsara ny misiônera.

  • Izy no olona voalohany namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Espaniôla.

  • Izy no anisan’ny vehivavy natao batisa voalohany tany Mexique.

Olivas Vila Aoy

Sary
cut-out card of Olivas Vila Aoy

1823–1895

“Izaho … dia naniry ny mba ho olona ilaina tao amin’ny Fiangonana.”

  • Teraka tao Espagne izy. Nandeha tany Cuba, Mexique ary tany Etazonia izy mba hanampy olona.

  • Nihaona tamin’ny misiônera izy ary nikambana tao amin’ny Fiangonana.

  • Nanampy tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Espaniôla izy.

  • Nahafantatra izy fa tsy nisy sekoly ho an’ny ankizy miteny Espaniôla tany El Paso Texas, Etazonia. Noho izany dia nanomboka nanangana sekoly ho azy ireo izy ary nampianatra tao nandritra ny taona maro.

Sary nataon’ i Brooke Smart

Hamoaka printy