Tantara ao amin’ny soratra masina
Nanome anarana ny Fiangonany i Jesoa Kristy
Nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph Smith ny anarana hiantsoana ny Fiangonana. Nilaza Izy fa hantsoina hoe “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” izany.
Ny teny hoe Jesoa Kristy no ampahany manan-danja indrindra ao anatin’ny anaran’ny Fiangonana. Satria Fiangonan’i Jesoa Kristy izany dia antsoina amin’ny anarany.
Ny hoe Olomasin’ny Andro Farany dia midika hoe ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.
Nampianatra ireo Mpaminany sy Apôstôly fa ny fampiasana ny anaran’ny Fiangonana amin’ny fomba marina tsara dia manan-danja. Manampy ny hafa hahafantatra izany fa isika dia mino an’i Jesoa Kristy.
Rehefa manontany ahy ny hafa hoe inona no zavatra inoako dia afaka milaza aho hoe, “Mino an’i Jesoa Kristy aho. Izaho dia mpikambana ao amin’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.”