Amigos (Namana) vaovao
Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.
Tsy mahay Espaniôla i Brigit. Ahoana no fomba hifankafantarany aman’olona?
“Nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo” (Matio 25:35).
Nitazana avy teo amin’ny varavarankelin’ny fiara i Brigit rehefa niainga ny fiaran’ny fianakaviany hihazo ny lalan-kelin’i Caracas, Venezuela. Feno trano miloko mangirana sy tendrombohitra maitso lehibe izany. Toerana nahafinaritra be izany. Nilaza i Dada sy i Neny fa ho fotoana vaovao mampientanentana ny fipetrahana any.
Kanefa mbola nahatsapa ahiahy i Brigit. Androany no fotoana voalohany handehanan’izy ireo any am-piangonana any amin’io firenena vaovan’izy ireo io.
Nitodika tany amin’i Brigit i Neny. “Ao tsara ve ndry malala?” hoy izy. “Ohatra ny tsy dia ao tsara ndry ’zany.”
Naneho fihetsika nandà tamin’ny tanany i Brigit. “Matahotra aho. Tsy mahay miteny Espaniôla aho. Ahoana no ahafahako mahazo namana?”
Nitodika i Neny mba hanakatra ny tanan’i Brigit. “Fantatro fa miahiahy ianao. Saingy hilamina ny zava-drehetra. Ao, miaina tsara aloha.”
Niondrika i Brigit nijery ny tanany. Tsapany hoe nangatsiaka izany na dia nafana aza ny andro tany ivelany. Nidobodoboka be ny fony, ary hafahafa ny ambava-fony raha vao nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny fiara tao am-piangonana ny fiaran’izy ireo. Ohatra ny ahoana ny ao am-piangonana? Ho azony daholo ve izay hatao ao?
Teny am-pandehanana ho ao anaty trano fiangonana dia nahatsiaro tena ho toy ny vahiny i Brigit. Nierikerika izy nijery ireo fianakaviana hafa rehetra izay miteny Espaniôla daholo. Avy eo dia nahita zazavavy kely roa mitovitovy taona taminy izy.
Vao nahita an’i Brigit izy ireo dia nihazakazaka nanatona azy. Niteny haingana be tamim-pitsikitsikiana izy ireo.
Saingy tsy nisy azon’i Brigit izay nolazain’izy ireo. Handeha ve izy ireo raha fantany hoe tsy mahay miteny Espaniôla aho? hoy izy nanontany tena.
Nisento lalina i Brigit. “No hablo español,” hoy izy, nihifikifi-doha. “Tsy miteny Espaniôla aho.” Nanomboka kotsan’ny ranomaso ny masony.
Nampiaka-tsoroka fotsiny ireo zazavavy ary vao mainka nitsiky bebe kokoa. Nanondro ny tenany ilay zazavavy iray sady niteny hoe: “Dayana.” Avy eo izy nanondro ilay zazavavy iray hafa ary niteny hoe: “Andrea.”
Nanomboka nihena ny ahiahin’i Brigit. Nitsiky tamin’ireo zazavavy izy sady nanondro ny tenany. “Brigit.”
Nipetraka teo akaikin’i Brigit i Dayana sy i Andrea. Nampianarin’izy ireo azy ny fomba hilazana ny hoe “soratra masina” amin’ny teny Espaniôla, sy teny vitsivitsy hafa koa. Rehefa nanomboka ny fivoriana Fanasan’ny Tompo dia nahatsapa hafanana sy fiadanam-po i Brigit.
Taorian’ny kilasin’ny Kilonga dia niara-nipetraka teo amin’ny bozaky ny tokontanim-piangonana i Brigit sy ireo namany vaovao raha mbola niresadresaka ireo ray aman-dreniny. Nampianatra teny Espaniôla vitsivitsy hafa an’i Brigit indray i Dayana sy i Andrea. Avy eo i Dayana dia nanondro hazo ary nanontany hoe, “¿amin’ny teny Anglisy?”
Nitsiky i Brigit no sady nanondro ihany koa. “Tree,” (hazo) hoy izy. Hita falifaly izy ary nanondrotondro zavatra hafa sady niteny ny hilazana izany amin’ny teny Anglisy. I Dayana sy i Andrea kosa namerina ilay teny Anglisy. Avy eo izy ireo dia nampianatra an’i Brigit ny fomba hilazana izany amin’ny teny Espaniôla. Nianatra ireo karazana teny rehetra tena ilaina i Brigit, toy ny hoe libro (boky), casa (trano), ary ny coche (fiara). Ny tsara indrindra tamin’izany dia nampianarin’izy ireo azy ny fomba hilazana ny hoe amigos (namana).
Vetivety foana dia tonga ny fotoana hodiana. Nikopa-tanana nanao veloma an’i Dayana sy i Andrea i Brigit.
“Nanao ahoana ny andro voalohany nanatrehanao ny Fiangonana taty Venezuela?” hoy i Dada nanontany.
Nitsikitsiky i Brigit. “Tsara be ilay izy! Nahazo namana aho. Ary nampianatra Espaniôla ahy izy ireo!”
“Mahafinaritra izany! Faly be aho hoe tsara ny andronao.”
Nieritreritra ireo fomba nandraisan’i Dayana sy i Andrea azy i Brigit. Tsy nahatsapa tena ho toy ny vahiny intsony izy. Fantany hoe nanampy azy hahazo namana ny Ray any An-danitra. Ary tsy andriny ny hahitana izay ho tohin’ny fiainany ao Caracas!