2021
Kahie kely ho an’ny fihaonambe
Septambra 2021


Kahie kely ho an’ny fihaonambe

Sary
activities for general conference

Ho avy tsy ho ela ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany! Afaka mihaino ny mpaminanin’ Andriamanitra isika. Ataovy ireto atrikasa ireto eo am-pihainoanao ny mpaminany sy ireo hafa mandray fitenenana.

Mihainoa amin’ny fonao.

Rehefa henonao ny teny hoe Fanahy Masina na Fanahy, dia manaova sarina fo eto amin’ity toerana ity. Rehefa henonao ny teny hoe mihaino, dia manaova sary smiley (endrika mitsiky).

Mandoko momba ny Fihaonambe

Henoy ireto teny eto ambany ireto rehefa mijery ny fihaonambe ianao. Lokoy tsirairay ny sary izay henonao resahina.

  • Jesoa Kristy

  • Mpaminany

  • Soratra masina

Efatra mitandahatra

Raha maheno olona ianao miresaka momba ny iray amin’ireto zavatra ireto dia asio marika (toy ny bokotra na voan-javatra) ao anatin’ilay efamira. Mahavita mameno manontolo ny laharana iray ve ianao? Ary ny laharana rehetra?

Ny Bokin’i Môrmôna

Baiboly Masina

Sary nataon’i Adam Koford

Hamoaka printy