2021
Ry ray aman-dreny malala
Septambra 2021


Ry ray aman-dreny malala,

Sary
letter to parents

Isika dia samy tia ireo fianakaviantsika eto an-tany. Saingy tsy voatery ho lavorary foana ny fifandraisantsika. Fomban-javatra ny hoe misy disadisa sy fahatafintohinana indraindray. Saingy afaka miara-miasa isika hanasitrana ireo ratra ka hifanakaiky kokoa.

Meteza ho mpampihavana ao anatin’ny tokantranonareo. Ampianaro ny zanakareo ny fomba fandravonana ny disadisa, ny fanaovana tsara fanahy, ny famelan-keloka ary ny fiezahana hihatsara hatrany isan’andro. Ianareo miaraka no afaka hanao ny tokantranonareo ho toerana feno fitiavana sy feno fiadanana kokoa. Afaka manomboka amin’ny hevitra sasany avy ao amin’ny tantara ao amin’ny pejy 10 ianareo.

Amim-pitiavana,

Namana

Hamoaka printy