2022
Ascenceur nitondra tamin’ny fibebahana
Martsa/Aprily 2022


Avy amin’ny namana mankany amin’ny namana

Ascenceur nitondra tamin’ny fibebahana

Sary
boy in elevator with all the buttons lit up

Fony aho 11 taona dia nipetraka tany amin’ny tranobe misy rihana miisa 12 tany Hong Kong ny fianakaviako. Isaky ny avy mianatra aho isan’ andro dia mihazakazaka miditra ao amin’ilay tranobe ary mandeha ascenseur miakatra mankany amin’ny efitrano misy anay.

Indray andro raha niditra tao anatin’ilay ascenseur aho dia notsindriko ireo bokotra rehetra ka nirehitra daholo ny jiro tamin’izany. Nijanona tamin’ny rihana tsirairay ilay ascenseur. Nanomboka nikatona ilay varavarana fa tampoka teo dia nisy tanana nanakana izany ary nanokatra ilay varavarana. Iray tamin’ireo mpifanolobodirindrina taminay tao ambony izany. Tsy nilaza na inona na inona momba ireo bokotra izy saingy natahotra aho. Toy ny tsy ho tonga any an-trano izany mihitsy aho!

Soa ihany fa nijanona teo amin’ilay rihana manaraka ilay ascenceur, niandry kely dia avy eo nanohy niakatra. Vao vantany nisokatra teo amin’ny rihana misy anay ilay varavarana dia nitsoriaka aho. Tsemboka aho noho ny tonga tao an-trano satria nihazakazaka mafy!

Vao tonga kelikely tao an-trano aho dia naneno ny telefaonina. Ilay mpifanolobodirindrina aminay izay tao anaty ascenceur izany. Tena nitebiteby aho teo am-piandrasana ny reniko hiala teo amin’ny telefaonina.

Rehefa napetrany ilay telefaonina dia nanontany ahy ny reniko hoe: “Notsindrianao daholo angaha ireo bokotra tao anaty ascenceur?”

Tsy afaka nandainga tamin’ny reniko aho. “Eny,” hoy aho.

Nitsikitsiky ny reniko. “Eny ary, andao isika hiakatra dia hiresaka amin’ilay mpifanolobodirindrina amintsika.”

Niara-niakatra tany ambony izahay. Nampanenoako ilay lakolosy kely ary nivoaka teo am-baravarana ilay mpifanolobodirindrina aminay. Nanondrika lalina ny lohako aho teo am-pialana tsiny fa nanindry ireo bokotra rehetra. Nampanantena aho fa tsy hamerina izany intsony.

Tsara fanahy ilay mpifanolobodirindrina aminay. Hoy izy hoe: “Rehefa tsy mamerina izany intsony ianao dia tokony tsy haninona.”

Rehefa avy niala tsiny taminy aho dia nahatsapa filaminan-tsaina. Ary tsy nanindry ireo bokotra rehetra tao anaty ascenceur intsony aho.

Nanampy ahy hianatra momba ny fibebahana izany zavatra niainako izany. Fantatro fa nanao zavatra tsy mety aho. Nanenina aho ary nangataka famelana. Ary tsy nanao izany intsony aho. Avy eo dia faly aho! Afaka mitondra fifaliana ho anao ihany koa ny fibebahana.

Sary nataon’i Alyssa Tallent

Hamoaka printy