2022
Ilay sangy ratsy tamin’ny bisikileta
Martsa/Aprily 2022


Ilay sangy ratsy tamin’ny bisikileta

Nilaza ireo namany fa hampihomehy izany. Saingy tsy nety ilay izy.

Sary
three boys sitting by bikes at a park

Namoy ilay bisikileta haingana araka izay vitany i Sam niakatra ilay tendrombohitra. Niondrika tany aloha izy. Nitsotsoka teo amin’ny volony ny rivotra. Namoy bisikileta teo akaikiny i Liam namany.

“Vizana ve?” Hoy i Liam.

“Tsy vizana izany aho!” Hoy i Sam.

Efa tao amin’ilay saha teny an-tampon’ilay tendrombohitra i Eric naman’izy ireo.

Komm schon! Alefa e! hoy izy nihiakiaka.

Tonga teny an-tampon’ilay tendrombohitra i Sam sy i Liam. Napetrak’ireo ankizilahy ireo bisikileta ary nipetraka teo ambany hazo izy ireo.

Nandray vato i Liam dia natsipiny izany. “Sorisorena aho izany.” Tsy dia nisy firy ireo toerana azo naleha tao amin’ilay tanàna kely nisy azy ireo any Suisse.

“Izaho koa,” hoy i Eric. Nosokiriny tamin’ny hazokely ny vovoka teo amin’ny tany.

“Afaka manohy mitaingina bisikileta isika,” hoy i Sam.

Naketron’i Liam ny endriny. “Izany foana no ataontsika.”

“Andao hanao zavatra mampihomehy!” Hoy i Eric. Nitsambikina izy ary nandeha nankeny amin’ilay fametrahana bisikileta izay feno bisikileta napetraky ny olona. Nanaraka azy i Sam sy i Liam.

Nanotika ny kibon’i Sam. Indraindray ny zavatra eritreretin’i Eric sy i Liam hoe mampihomehy dia tsy mampihomehy azy. Tian’i Eric sy i Liam ny manadaladala ankizy hafa ary milaza zavatra mamingavinga ao an-dakilasy. Kanefa mety tsy hitovy amin’izany angamba amin’ity indray mitoraka ity.

Sady tsy dia betsaka ireo ankizilahy tao amin’ny kilasy nisy an’i Sam. Raha tsy ninamana taminy i Eric sy i Liam dia iza no hinamanany?

“Andao hoesorina daholo ny saron’ireo vava-fantsona amin’ireo kodiarana rehetra,” hoy i Eric nibitsibitsika. “Azontsika afenina ao ambadik’itsy hazo itsy izy ireo.” Nandohalika teo akaikin’ny bisikileta mena iray izy ary nesoriny hiala ny saron’ny vava-fantsona tamin’iray amin’ireo kodiarana.

Nihomehy i Liam. “Eny! Tena hampihomehy be izany.”

Nisento i Sam. Tsia. Tsy hafa ny zavatra nitranga tamin’ity indray mitoraka ity. “Tsy fantatro aloha,” hoy izy. “Angamba tokony handeha fotsiny isika.”

Noraisin’i Eric tamin’ny sandriny i Sam. “Andao moa e!” hoy izy. “Tsy misy mahita akory.”

“Fitaovana kely amin’ilay izy fotsiny io,” hoy i Liam. “Tsy hisy hahita akory hoe tsy eo ireny.”

Niezaka tsy niraharaha ny tsy fahazoany aina i Sam. Mety tsy hanimba ireo bisikileta ny fanalana ny saron’ireo vava-fantsona. Nanainga soroka izy ary nihatokatoka.

Nesorin’ireo ankizilahy telo ireo haingana ny saron’ ireo vava-fantsona tamin’ireo kodiarana rehetra ary nihazakazaka niverina teny amin’ilay hazo izy ireo. Nafenin’izy ireo tao ambany vato ny saron’ireo vava-fantsona ary nipetraka izy ireo mba hijery ireo bisikileta. Nitsikanikany i Liam sy i Eric.

Tsy ela dia nisy lehilahy tonga, nanokatra ny hidin’ilay bisikileta ary nitaingina izany no sady nandeha.

“Hitanao? Tsy nahatsikaritra izany akory izy,” hoy i Liam.

Saingy nahatsikaritra izany aho, hoy i Sam tany an-tsainy.

Tsy nitsahatra nieritreritra momba ireo sarona vava-fantsona i Sam nandritra ny tontolo andro. Naniry mafy ny mba ho afaka hamerina azy ireo izy saingy tsy nisy fomba nahafahany nitady ny tompon’ireo bisikileta mihitsy. Nandohalika izy ary nolazainy tamin’ny Ray any An-danitra ny momba izany.

“Tena tsy mahazo aina aho,” hoy i Sam. “Inay aho tsy nanao izany mihitsy. Mamelà ahy ry Ray any An-danitra.”

Ny ampitson’iny dia nitaingina ny bisikiletany niverina tany amin’ilay valan-javaboary indray i Sam sy ny namany.

Hoy indray i Eric hoe: “Andao hoesorina indray ny saron’ireo vava-fantsona!”

Dia nanaiky indray i Liam.

Nahatsiaro ilay vavaka nataony i Sam. Ary tamin’ity indray mitoraka ity izy dia naneho herim-po kokoa.

“Tsy tokony hanao izany isika araka ny eritreritro,” hoy izy.

“Fa nahoana?” Hoy i Liam sady niketrona. “Tsy nisy nahatsikaritra akory izany omaly.”

“Tsy tiako hisy hanao izany amin’ ny bisikiletako,” hoy i Sam. Tsy mbola namaly akory izy roalahy dia nitsambikina nitaingina ny bisikiletany izy. “Izay tonga voalohany any amin’ilay mpivarotra mofo!” hoy izy nihiaka. Dia nanomboka namoy haingana araka izay vitany izy.

Noraisin’i Eric sy i Liam ihany koa ny bisikiletan’izy ireo.

“Tsy rariny izao! Ianao kosa efa niainga aloha,” hoy i Liam niantsoantso.

Nitsikitsiky i Sam raha teo am-panenjehana azy ireo namany. Nanao fisaorana ny Ray any An-danitra tamim-pitsibitsihana izy. Nahazo aina kokoa izy.

Sary nataon’i Shane Clester

Hamoaka printy