2022
Mandresy ireo olanao
Martsa/Aprily 2022


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Mandresy ireo olanao

Sary
Elder Oaks as a young boy looking sad at school

Ny olana lehibe indrindra natrehako fony aho mbola ankizy dia tamin’ny fotoana nahafaty ny raiko. 7 taona aho tamin’izany.

Nanana reny nahafinaritra ary raibe sy renibe tsara fanahy aho. Saingy nitomany mafy aho. Nihomehy ahy ireo mpiara-mianatra tamiko satria tsy haiko tsara ny nanonona ireo tarehintsoratra ao anaty teny iray sy ny taranja matematika. Nihetraketraka tamiko ny sasany tamin’ireo ankizy lehibe tao anatin’ny fiara fitaterana mpianatra. Naniry ny hanana talenta toy ny hafa izay atleta na mpihira mahay aho.

Taty aoriana dia nanomboka nilamin-tsaina aho. Tia ahy sy nanampy ahy ny fianakaviako. Nanohy nanao ezaka aho ary nihanahay tsikelikely tany am-pianarana. Nahita ireo zavatra haiko koa aho. Nanao ezaka aho mba ho tsaratsara kokoa amin’ny fanaovana ireo zavatra ireo. Nanampy ahy ny Ray any An-danitra.

Sary
Elder Oaks as a young man in a graduation cap

Rehefa mihalehibe isika dia manana olana avokoa. Ny sasany amintsika dia misy aretina na kilema. Ny sasany mahantra ary tsy afaka mitsabo tena araka ny tokony ho izy na mandranto fianarana tsara. Ny sasany dia tena ambaniana noho ny lokom-bolokodiny na ny fiaviany.

Ahoana no ahafahanao mandresy ireo olanao?

  • Matokia ny Ray any An-danitra. Mety ho kivy isika indraindray saingy mila matoky Azy. Tia ireo zanany Izy ary nampanantena fa hitahy antsika.

  • Miezaha hatrany. Nampianatra antsika ny Tompo fa manana fanomezam-pahasoavana samihafa avokoa isika rehetra. Afaka mizaha ireo fanomezam-pahasoavana ananantsika isika. Avy eo dia azontsika ampiasaina izany mba hanatsarana ny fiainantsika sy hanompoana ny hafa.

Na toa inona na toa inona ny haizina misy aorian’ ny filentehan’ny masoandro dia hazava kokoa foana rehefa miposaka ny masoandro. Marina izany raha ny mahakasika ny fiainantsika. Raha toa ka tampina ny lalana iray dia afaka mikaroka lalana iray hafa isika. Raha toa tena sarotra ny fanaovana zavatra dia afaka mandroso isika ary mivoatra ao anatin’ny fanaovana izany.

Mampanantena aho fa ny Ray any An-danitra dia hanampy anao handresy ireo olanao. Tia anao ary hanampy anao ho lasa ilay iriany hahatongavanao Izy.

Afaka mandresy ireo olana aho

Sary
coloring page of girl hiking up mountain

Sary nataon’i Alyssa Petersen

Hamoaka printy