Karatry ny olona be herim-po
Hetezo ireo karatra, aforeto manaraka ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo hikombona.
Noa
“Lehilahy iray marina sy tanteraka.”
-
Mpaminany izy. Nasainy nibebaka ireo olon-dratsy.
-
Nampitandrina azy Andriamanitra fa hisy tondra-drano.
-
Nanaraka ny torolalan’ Andriamanitra izy mba hanorina sambofiara. Narovany ny fianakaviany. Namonjy biby maro be koa izy ireo!
Rebeka
“Ary hoy izy: Handeha aho.”
-
Nanampy ny mpanompon’i Abrahama izy tamin’ny fanomezana rano ireo ramevany.
-
Nahery fo izy. Nandao ny toeram-ponenany izy mba hanambady an’i Isaka izay zanakalahin’i Abrahama.
-
Nanan-janaka kambana izy ireo izay nantsoina hoe Jakoba sy Esao.