2022
I Mosesy sy ilay Mana
Martsa/Aprily 2022


Tantara ao amin’ny soratra masina

I Mosesy sy ilay Mana

Azonao vakina ao amin’ny Eksodosy 16 izany tantara izany.

Sary
Moses with lots of people walking behind him

Mpaminany i Mosesy. Nitarika ny vahoakan’ Andriamanitra hankany amin’ny tany nampanantenaina izy. Nandeha an-tongotra nandritra ny andro maro izy ireo.

Sary
girl and boy holding food in hands

Noana ny vahoaka. Tsy nanana sakafo hohanina izy ireo. Noho izany dia nandefa sakafo avy any an-danitra Andriamanitra. Mana no niantsoana izany.

Sary
mom and son gathering food in bowl

Isa-maraina dia nanangona mana atao sakafo ny vahoaka. Saingy lo izany rehefa tonga ny alina. Dia nila nanangona misimisy kokoa izy ireo ny ampitson’izany.

Sary
Jesus with young children

Mampahatsiaro antsika an’i Jesoa Kristy ilay mana. Nandefa mana mba hamonjena ny vahoaka Andriamanitra. Nandefa an’i Jesoa teto an-tany ihany koa Izy mba hamonjy antsika. Mila an’i Jesoa isan’andro isika tahaka ny filantsika sakafo isan’andro.

Sary
boy showing picture of Jesus to little sister

Hanara-dia an’i Jesoa aho. Hanome hery ahy Izy ary hanampy ahy hahatsapa ny fitiavany isan’andro.

Sary
coloring page of Jesus with children

Sary nataon’i Apryl Stott

Hamoaka printy