2022
Tanjona amin’ny batisa
Martsa/Aprily 2022


Nosoratanao

Tanjona amin’ny batisa

Sary
girl watching conference and reading scriptures

Tamin’ny nôvambra 2019, dia nihaino ilay hetsika Face à Face niarahana tamin’ny Loholona Gong mikasika ilay fandaharan’ asa Ankizy sy Zatovo izaho sy ny fianakaviako. Taorian’izay dia nanome anay kiboky izay hanampy anay hanatratra ireo tanjonay ny evekako.

Ny tanjoko voalohany dia ny hahavita mamaky ny Bokin’i Môrmôna mialoha ny fahavalo taonako mba hiomanako amin’ny batisako. Efa natomboko ny famakiana izany saingy tsy dia nisy fahazotoana loatra tao amiko. Kanefa tamin’izay andro izay dia nanao drafitra niaraka tamin’ny dadako aho. Notadiavinay hoe toko firy isan’andro no tokony hovakiko mba hamitako ny Bokin’i Môrmôna mialoha ny batisako. Nanomboka namaky isan’andro aho dia nasiako marika isaky ny nahavita namaky ny fizarana tsirairay.

Raha namaky izany aho dia nanana faniriana ny hanao zavatra tsara bebe kokoa. Noho izany dia nandray anjara tamin’ilay fifadian-kanina maneran-tany izay nambaran’ny Filoha Nelson mba hifehezana ny COVID-19 aho. Faly aho fa afaka nanao fifadian-kanina feno. Namporisika ahy ireo ray aman-dreniko ny mba hivavahako koa sy hifadiako hanina mba hahazoako fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny Bokin’i Môrmôna sy momba ny batisa.

Ny alahady voalohany tamin’ny volana mey dia nivavaka sy nifady hanina aho. Fotoana fohy taorian’izay dia nahavita namaky ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo aho. Tena faly aho fa hatao batisa tamin’ny andro fitsingerenan’ny taona nahaterahako. Nahatsapa ho vonona hanao izany fanekempihavanana izany tamin’ Andriamanitra aho. Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Tiako ny mamaky izany ary faly aho fa nahatratra izany tanjona izany niaraka tamin’ny fanampian’ny fianakaviako.

Sary nataon’i Rosalie Ledezma

Hamoaka printy