2022
Ilay pianô an’i Ludovic
Martsa/Aprily 2022


Mpisava lalana any amin’ny tany tsirairay

Ilay pianô an’i Ludovic

Faly tamin’ny fanompoana an’ Andriamanitra i Ludovic.

Sary
boy in Togo playing electric piano at church

Naka vitsivitsy tamin’ireny seza azo aforitra ireny i Ludovic ary notaominy ho eny ampitan’ny arabe izany. Alahady ny andro tamin’izay ary fotoana fohy sisa dia hanomboka ny fotoam-piangonana. Tsy ampy ireo seza nisy tao amin’ilay trano fiangonana nivavahan’izy ireo tany Togo. Noho izany dia nitondra seza avy any an-tranon’ny raibeny foana i Ludovic.

“Nahoana ianao no niala tao amin’ny fiangonana tsara iray dia nandeha tany amin’ny trano bongo kely iray?” hoy ny olona iray taminy. “Tsy manana dabilio akory ny fiangonanareo!” Hoy ny olona iray hafa sady nihomehy.

Nodian’i Ludovic tsy heno izany. Mila manohy manao ny tsara fotsiny aho, hoy izy tao an’eritreriny.

Nahafantatra vao voalohany momba ny Fiangonana i Ludovic tamin’izy 10 taona. 12 taona izy izao. Vao haingana izy sy ny fianakaviany no vita batisa. Nihazona ny fisoronana izy ary nanampy tamin’ny fizarana ny fanasan’ny Tompo. Nangoniny mihitsy aza ny volan-tsakafony mba hividianana mofo ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Faly tamin’ny fanompoana an’ Andriamanitra i Ludovic.

Rehefa tonga ny fotoana hanombohan’ny fotoam-piangonana dia feno ilay efitrano. Nipetraka tamin’ireo seza nentin’i Ludovic ny olona sasantsasany. Ny sasany kosa dia nijoro.

Natomboka tamin’ny fihirana ilay fivoriana. “Israël, ton Dieu t’appelle,” hoy i Ludovic raha nihira. Tia mihira ao am-piangonana izy.

Taorian’ny fotoam-pivavahana dia nihirahira moramora i Ludovic rehefa nampirina ireo seza. Nihirahira moramora izy teny am-pandehanana mody. Avy eo dia nahita hevitra izy! Navoakany ilay pianô kilalaony. Angamba mety ho hainy ny mitendry ny “Israël, ton Dieu t’appelle”!

Nohirahirain’i Ludovic moramora ireo naoty ary notendritendreny izany mandra-pahamarina azy. Vetivety foana dia nampiana-tena mba hitendrena ilay hira iray manontolo izy.

Avy eo dia tsaroany fa nanana raki-peon’ireo hira ao amin’ny Fihiran’ny Fiangonana ny fianakaviany. Nohenoiny izany ary nianatra nitendry hira hafa koa izy. Nanao fanazarana hatrany i Ludovic.

“Maninona moa raha mitendry ao am-piangonana ianao rehefa mihira izahay?” Hoy ny dadan’i Ludovic nanontany indray andro.

Nangotika kely ny kibon’i Ludovic. “Saro-kenatra loatra aho,” hoy izy. “Ahoana raha manao diso aho?”

“Dia tsy mijanona mitendry mihitsy ianao,” hoy i Dada. “Mahay mitendry mihoatra kokoa noho ny eritreretinao ianao.”

Ny alahady taorian’izay dia tsy nitondra seza fotsiny ihany i Ludovic. Nentiny tany am-piangonana koa ilay pianô kilalaony. Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny hira fanokafana dia napetrany am-piahiahiana teo amin’ireo kitendry ny ratsantanany. Dia nanomboka nitendry izy. Nihira niaraka tamin’izany ny rehetra. Ary tena tsara ny feon’izany!

Nitendry isaky ny alahady tao am-piangonana i Ludovic taorian’izay. Indraindray izy nanao diso. Kanefa tsy kivy izy. Rehefa tena sarotra ny nitendry ilay hira dia nihira tsy nisy pianô izy ireo ary i Ludovic no nitarika ny hira.

Nitsikitsiky i Ludovic. Tsy nampaninona azy ny hoe tany an-tranon’olona no niangona izy ireo. Tsy nampaninona azy akory aza rehefa nanaraby azy ny olona. Ny zava-dehibe dia ny hoe nampiasa ny talentany hanompoana an’ Andriamanitra i Ludovic.

Firenena kely iray any Afrika andrefana i Togo.

Amin’izao dia misy paroasy sy sampana miisa 21 any.

Ny fiteny ôfisialy any Togo dia ny teny Frantsay.

Nampianatra an’i Ludovic hamaky naoty ny misiônera iray mba hahafahany mitendry pianô tsara kokoa.

Efa lehibe i Ludovic ankehitriny. Samy tia mozika izy sy i Benedict vadiny.

Manana pianô tena izy i Ludovic ao an-trano ary mitendry ôrga izy ao am-piangonana.

Sary
Page from the March 2022 Friend Magazine.

Sary nataon’i Caroline Garcia

Hamoaka printy