2022
Niomana tamin’ny fotoan-tsarotra i Josefa
Martsa/Aprily 2022


Tantara ao amin’ny soratra masina

Niomana tamin’ ny fotoan-tsarotra i Josefa

Azonao vakina ao amin’ny Genesisy 41 izany tantara izany.

Sary
Joseph speaking to the pharaoh in Egypt

Mpaminany i Josefa. Nipetraka tany Egypta izy. Indray alina i Farao izay mpanjakan’i Egypta dia nanofy zavatra hafahafa. Nanontaniany an’i Josefa ny mety ho dikan’ilay nofy.

Sary
young boy holding out empty plate

Nanampy an’i Josefa hahatakatra ilay nofy Andriamanitra. Mandritra ny fito taona dia hanana sakafo betsaka ny vahoaka. Ary avy eo mandritra ny fito taona dia tsy ho ampy izany. Nilaza izany tamin’i Farao i Josefa.

Sary
Joseph helping save grain

Nilaza i Josefa fa tokony hanangona sakafo dieny izao izy ireo. Dia ho vonona amin’ny fotoan-tsarotra izy ireo. Notendren’i Farao ho tompon’andraikitra amin’ny fanangonana sakafo i Josefa. Niasa mafy i Josefa.

Sary
Joseph helping hand out bags of food

Rehefa tonga ny fito taona nisian’ny mosary dia ampy ny sakafo nohanin’ny vahoaka. Ampy izany ka afaka nizara tamin’ny hafa aza izy ireo.

Sary
children walking to church and holding umbrella in rain

Afaka miomana dieny izao aho. Afaka miatrika ny fotoan-tsarotra aho miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra!

Sary
coloring page of boy waving while friend drives away

Sary nataon’i Apryl Stott

Hamoaka printy