2022
Mahita fiadanana
Martsa/Aprily 2022


Mahita fiadanana

“Mba ampio aho tsy hahatsapa ho manirery loatra.”

Sary
girl hugging her older sister goodbye

Niezaka ny tsy hitomany i Molly raha nanao veloma an’i Macy rahavaviny. “Tiako ianao!” Hoy i Molly. Nofihininy mafy i Macy.

“Afaka volana vitsy indray isika mihaona,” hoy i Macy. Nandao ny trano fonenana i Macy ankehitriny mba ho any amin’ny oniversite. Ny iray tamin’ireo anadahin’i Molly dia efa any amin’ny oniversite. Ny anadahiny iray hafa dia nanao asa fitoriana ny filazantsara. Tena nalahelo mafy azy ireo i Molly!

Nofihinin’i Neny ny tanan’i Molly. Nijery an’i Macy nitondra fiara nandeha izy ireo. “Halahelo azy isika,” hoy i Neny. Nanganohano ny masony.

Niverina tao an-trano i Molly. Nankao amin’ny efitranon’i Macy izay babangoana izy ary nohidiny ny varavarana. Avy eo dia nipetraka teo ambony fandrian’i Macy izy ary nanomboka nitomany.

Nisy nandondona teo am-baravarana. Niditra i Dada sy i Neny. Nofihinin’izy ireo i Molly. Niara-nipetraka teo ambony fandrian’i Macy izy rehetra mandra-pitsahatry ny fitoamanian’i Molly.

“Fantatro fa malahelo ianao satria lasa i Macy,” hoy i Dada. “Maninona raha manao vavaky ny mpianakavy isika? Afaka mangataka amin’ny Ray any An-danitra isika mba hanampiany antsika tsy alahelo intsony. Azonao atao ve ny vavaka ry Molly azafady?

“Eny ary.” Nanondrika ny lohany i Molly. “Ray any An-danitra ô, misaotra Anao izahay noho ireo olona rehetra ato amin’ny fianakavianay. Misaotra anao, noho i Will, i Parker, i Macy, sy ny tenako ary i Neny sy i Dada. Misaotra anao izahay fa afaka ny ho fianakaviana mandrakizay. “Mba ampio izahay hahatsapa fampaherezana.” Ary mba ampio aho tsy hahatsapa ho manirery loatra.”

Nalahelo ny firesahana tamin’i Macy talohan’ny fotoana fatoriana i Molly. Saingy fantany fa nahare ireo vavaka nataony ny Ray any An-danitra. Fantany fa hanampy azy tsy alahelo intsony Izy.

Ny ampitso marainan’io dia tena nangingina ny tao an-tranon’i Molly! Nalahelo ny fiarahana nihomehy tamin’i Macy izy rehefa niomana handeha hianatra. Nalahelo ny fiarahana nisakafo maraina sy ny firesahana izy. Indraindray dia nitantara azy ny zavatra nianarany tany amin’ny Seminera i Macy. Nahatsapa fiadanana foana i Molly isaky ny miresaka momba ny filazantsara izy ireo.

Izay ilay izy! Nanana hevitra i Molly.

Niomana handeha hianatra i Molly. Dia nankany amin’i Neny izy.

“Manahoana ry tiako a!” Nofihinin’i Neny izy. “Vonona handeha hianatra ve ianao?”

“Afaka mamaky lahateny iray natao tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ve isika mialoha ny handehanako? Hoy i Molly nanontany. “Afaka manampy ahy mba hilamin-tsaina izany araka ny eritreritro.”

Nitsiky i Neny. “Hevitra tena tsara izany!”

Sary
girl reading Church magazine with mom

Nifandimby namaky lahateny natao tamin’ ny fihaonamben’ny Fiangonana momba ny fampaherezana izy ireo. Tia mandany fotoana miaraka amin-dreniny i Molly. Nahatsapana zavatra tsara ny fiarahana namaky lahateny .

Rehefa vita izany dia nitsikitsiky i Molly. “Andao haverina indray izany!”

Mbola nalahelo an’i Macy sy i Will ary i Parker izy. Kanefa tsy dia nahatsapa ho manirery loatra intsony izy. Voavaly ilay vavaka nataony! Afaka nandany fotoana niaraka tamin-dreniny sy ny rainy izy. Ary nanampy azy hahita fiadanana ny tenin’ireo mpaminany.

Sary nataon’i Liz Brizzi

Hamoaka printy