2022
Fantaro i Alice avy any Fidji
Martsa/Aprily 2022


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Fantaro i Alice avy any Fidji

Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Sary
photo of girl holding sign about free clothes

Ny mombamomba an’i Alice rehetra

Sary
picture of Alice painting

Taona:10

Fiaviana: Teraka tany Chine ary mipetraka any Fidji ankehitriny

Fiteny: Sinoa sy Anglisy

Tanjona sy nofinofy: 1) Ho lasa mpanao sary hosodoko. 2) Hahay kokoa ny teny Anglisy amin’ny alalan’ny famakiana momba an’i Jesoa.

Fianakaviana: Dada, Neny, rahavavy sy anadahy

Ireo asa fanomezan-tanana ataon’i Alice

Sary
Alice and her family handing out clothes

Dokotera ny renin’i Alice ary manome fanofanana momba ny vonjy aina ny rainy. Nanangana ekipana zatovo mpirotsaka an-tsitrapo i Alice sy ny fianakaviany mba hanampiana ireo olona ao amin’ny faritra misy azy ireo.

Voalohany dia nampiofana zatovo mihoatra ny 100 sy ny ray aman-drenin’izy ireo momba ny vonjy aina ny ray aman-dreniny. Nanampy tamin’izany koa i Alice. Manaraka izany dia nanangona akanjo fitafy mihoatra ny 3000 ho an’ny olona mahantra ilay ekipa. Nanangona kiraro maro ihany koa izy ireo.

Tena talanjona ny polisy teo an-toerana nahita ny asa nataon’izy ireo. Nanolotra latabatra ho ampiasaina eny amin’ny tsena izy ireo mba hanampiana ilay ekipa hanao asa soa bebe kokoa.

“Mino an’ Andriamanitra izahay,” hoy i Alice. “Noho izany dia manompo ny olon-drehetra izahay!”

Ireo zavatra tian’i Alice indrindra

Sary
pictures of Alice’s favorites

Toerana: Amoron-dranomasina

Tantara momba an’i Jesoa: Rehefa nikasika ny akanjony ilay vehivavy teo anivon’ny olona marobe dia sitrana.

Hiran’ny kilonga: “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-Kiran’ny Ankizy, 90)

Sakafo: Paty

Loko: Volomparasy

Taranja any an-tsekoly Matematika

Sary nataon’i Anthony Lewis

Hamoaka printy