2022
Piozilan’ny mpifanolobodirindrina
Martsa/Aprily 2022


Zavatra mahafinaritra

Piozilan’ny mpifanolobodirindrina

Sary
game showing an apartment building

Te haneho fitiavana an’ireo mpifanolobodirindrina aminy i Mei amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo mofo vita avy amin’ny mananasy. Ampiasao ireo famantarana mba hanampianao azy hahita hoe iza no mipetraka ao amin’ny rihana tsirairay.

  1. Mipetraka ao amin’ny rihana ambany indrindra i Mei.

  2. Samy manana biby fiompy ao an-trano i Wong sy i Deshi.

  3. I Deshi sy i Eric dia mipetraka amin’ireo efitrano misy varavarana mena.

  4. Mipetraka any amin’ny rihana ambony kokoa noho ny misy an’i Eric i Cherry fa any amin’ny rihana ambany kokoa noho ny misy an’i Roy.

  5. Mamboly voninkazo eo am-baravarakeliny i Roy, tahaka an’i Chen.

Sary nataon’ i Thomas Child

Hamoaka printy