2022
Ny fanampiana ny hafa sy ny Fanahy Masina
Martsa/Aprily 2022


Ny fanampiana ny hafa sy ny Fanahy Masina

Afaka mahatsapa ny Fanahy Masina ianao na dia mialoha ny hahavitan’ny batisanao aza.

Sary
a boy helping his dad at a fruit stand

Niara-nandeha nankany amin’ny toeram-pivarotana voankazo izay an’ny fianakavian’ izy ireo i Mateo sy ny rainy. Nanaraka azy i Zeus, ilay alikan’ izy ireo.

“Nanontany ny eveka mikasika ny batisako ve ianao?” Hoy i Mateo nanontany. Efa feno valo taona izy saingy tsy mbola vita batisa noho ilay valanaretina.

“Nilaza izy fa tsy ho vita batisa amin’ity volana ity ianao,” hoy i Dada. “Amin’ny volana ambony angamba.”

“Eny ary.” Nikentrona i Mateo. Tena naniry ny hatao batisa sy handray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy. Kanefa dia toy ny tsy hitranga mihitsy izany!

Nosokafan’i Dada ilay toeram-pivarotana. Nanampy tamin’ny fitaomana ireo baoritra nisy voasary sy voasary makirana ary manga sy akondro i Mateo. Avy eo dia nanampy nametraka izany teo amin’ireo talantalana izy.

Nieritreritra momba ny Fanahy Masina foana i Mateo teo am-piasan’izy ireo. “Inona no fahatsapana entin’ny Fanahy Masina?” hoy izy nanontany.

“Mampahery ahy ny Fanahy Masina rehefa malahelo aho,” hoy i Dada. “Ary manome fahatsapana tsara ahy Izy rehefa manampy olona iray aho.”

“Tsy andriko ery ny hanaovana batisa ahy mba hahafahako mahatsapa ny Fanahy Masina ihany koa!”

“Na dia alohan’ny hanaovana batisa anao sy handraisana anao ho mpikambana aza dia afaka mahatsapa ny Fanahy Masina ianao,” hoy i Dada. “Afaka mahatsapa ny fampaherezany ianao na izao aza. Toy ny rehefa mivavaka na manao zavatra amim-katsaram-panahy amin’ny olona iray. Ary aorian’ny fandraisana anao ho mpikambana dia afaka manana ny Fanahy Masina miaraka aminao foana ianao.”

Nandinika momba izany i Mateo. Efa nahatsapa ny Fanahy Masina ve izy teo aloha?

Vetivety teo dia tafavoakan’izy ireo ireo zavatra tao anatin’ny baoritra rehetra. “Vonona ny hanampy ny fianakaviana Sosa ve ianao?” Hoy i Dada nanontany.

Nanetsiketsika ny lohany nanao eny i Mateo. Tena sahirana mamindra Ramose sy Ramatoa Sosa. Noho izany dia i Mateo no niantsena ho azy ireo. Indraindray dia nanampy azy ireo tamin’ny fanaovana raharaha koa izy.

Sary
boy helping take out trash

Nandeha nankany amin’ny tranon’ny fianakaviana Sosa i Mateo sy i Zeus. Nikopakopaka avy eo an-davarangana Ramatoa Sosa. “Manahoana!”

“Misy entana ilainao ve androany?” Hoy i Mateo nanontany.

“Eny. Mila mofo sy ovy ary hen’omby aho.” Sady nanisa vola madinika ihany Ramatoa Sosa. “Tokony ho ampy ity.”

Noraisin’i Mateo ilay vola. Hitany fa nisy fitoeram-pako teo akaikin’ny varavarana. “Azoko arina ve ity?” hoy izy nanontany.

“Eny. Misaotra anao! Hoy Ramatoa Sosa

Rehefa avy nanary fako i Mateo dia nividy ireo sakafo. Nieritreritra ireo zava-drehetra nataony nandritra izany maraina izany izy. Nanampy an’i Dada tany amin’ny toeram-pivarotana voankazo izy. Nanampy ny fianakaviana Sosa tamin’ny alalan’ny fividianana sakafo izy. Ary tena nanana fahatsapana zavatra tsara izy tao anatiny. Nahatsapa ny Fanahy Masina izy araka ny nolazain’i Dada!

Nanantena ny tsy hiandry ela intsony i Mateo vao hatao batisa. Naniry ny hanana ny Fanahy Masina hiaraka aminy foana izy!

Sary nataon’i Carolina Farias

Hamoaka printy