2022
Tantara any ambadiky ny sehatra
Jolay/Aogositra 2022


Nosoratanao

Tantara any ambadiky ny sehatra

Sary
girl seeing kids talking by stage

Adaladala ny zandriko lahy, sady misaina be ary be fanahiana ny hafa. Anisan’ireo mpakafy be ahy izy rehefa miakatra an-tsehatra aho. Manana filana manokana ihany koa izy. Tena kely izy raha amin’ny taonany ary manana fahasahiranana amin’ny famakian-teny sy fanoratana ary firesahana, ary indraindray amin’ny fahazoana ny hafa. Marenina ihany koa izy.

Indray andro nandritra ny famerenana dia niakatra ny tohatra ho eny amin’ny sehatra aho. Naheno olona nilaza zavatra ratsy momba ny ankizy manana fahasembanana aho. Nanomboka nanaraby sy nihomehy momba izany ny rehetra.

Fantatro fa tsy nikasa ny handona ny fihetseham-poko izy ireo saingy tena nalahelo aho ary nihazakazaka nitady toerana niafenana. Raha nipetraka tao amin’ny toerana niafenako aho dia nisy olon-dehibe nipetraka teo akaikiko ary nanomboka niresaka tamiko momba ilay lalao an-tsehatra. Nanomboka nahazo aina aho.

Rehefa tonga ny fotoana hodiana dia nolazaiko an-dreniko ny zavatra nitranga. Nilaza tamiko izy fa tsy maninona izany miala amin’ny zavatra mampalahelo ahy izany ary tsy maninona ny miresaka amin’ny olon-dehibe ny zavatra tsapako.

Indraindray dia tsy takatry ny olona izany hoe manana filana manokana izany na ny mahafantatra olona manana filana manokana. Te hiseho ho ohatra amin’ny fitiavana sy hatsaram-panahy aho.

Sary nataon’i Kristin Sorra

Hamoaka printy