2022
Fantaro i Septream avy any Cambodge
Jolay/Aogositra 2022


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Fantaro i Septream avy any Cambodge

Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Sary
A portrait of an young man with dark hair, wearing a green shirt

Ny mombamomba an’i Septream rehetra

Sary
Septream and his family

Taona:12

Avy any: Phnom Penh, Cambodge

Fiteny: Khmer, Anglisy

Tanjona sy nofinofy: 1) Hanampy an’i Cambodge ho lasa firenena tsara kokoa rehefa lehibe aho. 2) Hanao asa fitoriana ny filazantsara. 3) Handeha any amin’ny tempoly.

Fianakaviana: Septream, Neny, Dada, anabavy roa, rahalahy iray

Ireo asa fanomezan-tananana ataon’i Septream

Sary
boy cutting up vegetables

Any an-tanan-dehibe i Septream no mianatra. Indraindray any am-pianarana dia mahatsikaritra namana tsy manana sakafo izy. Koa zarainy amin’izy ireo ny tsakitsakiny sy ny sakafony. Milaza i Septream fa mahafinaritra azy ny manampy ny hafa. “Mampitsiry ny faniriako hanao misimisy kokoa izany. Mahatsapa fifaliana aho rehefa manaraka an’i Jesoa,” hoy izy.

Voatahy isika hoy i Septream rehefa manompo ny hafa. “Rehefa manao zavatra tsara isika dia hitahy antsika Andriamanitra. Nilaza i Jesoa fa ny fanaovana zavatra tsara ho an’ny hafa dia mitovy amin’ny manao zavatra tsara Aminy.”

Ireo zavatra tian’i Septream

Sary
pictures of Septream’s favorites

Tantara momba an’i Jesoa : Tamin’ny Izy nanampy an’i Petera handeha eo ambony rano

Toerana: Ao an-trano

Hira ao amin’ny Kilonga:Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy,2.)

Sakafo: Amok (trondro andrahoina ao anaty ravin’akondro)

Loko: Manga

Taranja any an-tsekoly: Anglisy sy tantara

Hamoaka printy