2022
Ny hazavana sy ny fiadanan’ny tempoly
Jolay/Aogositra 2022


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ny hazavana sy ny fiadanan’ny tempoly

Notsoahina avy tamin’ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Liahona, mey 2021, 28–31.

Sary
President Eyring and his daughter outside temple

Ny mahita tempoly na na sarin’ny tempoly dia mahatonga anao haniry ny hiditra ao anatiny indray andro any. Ho tonga ny andro izay ahafahanao mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly hanatanterahana batisa any amin’ny tempoly. Rehefa atao batisa eo amin’ny toeran’ny olona iray efa maty ianao dia manampy ny Tompo amin’ny asany masina dia ny hitahy ny zanaky ny Ray any An-danitra.

Taona maro lasa izay dia niaraka tamin’ny zanako vavy tany amin’ny tempoly aho. Izy no farany natao batisa tamin’io andro io. Nanontany an’ilay zanako ny mpiasan’ny tempoly iray raha toa ka afaka mijanona elaela kokoa izy mba hatao batisa ho amin’ny anaran’ireo rehetra izay efa vonona tamin io andro io. Nanaiky izy.

Nijery ny fidiran’ny zanako vavy tao amin’ny fitoeran-drano fanaovana batisa aho. Nanomboka ny batisa. Nikoriana tamin’ny tarehiny ny rano isaky ny nivoaka avy tao amin’ny rano izy. Nanontaniana foana izy hoe, “Mbola afaka manao fanampiny ve ianao?” Nanaiky foana tamin’ny feo mavitrika izy. Nijanona tao izy nandra-pahavita batisa ny olona farany indrindra tao amin’ilay lisitra tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

Mbola tsaroako ny fahatsapana fahazavana sy fiadanana rehefa niara-niala ny tempoly izahay. Izany no entin’ny asa atao any amin’ny tempoly mankahery sy manova antsika.

Jiro ao amin’ny tempoly

Sary
temple pictures to cut out

Apetaho ao an-tranonao ireto sary ireto hampahatsiahy anao fa afaka mankao anatiny ianao indray andro any.

Sary nataon’i David Habben

Hamoaka printy