2022
Ireo vehivavy ao amin’ny Testamenta Taloha
Jolay/Aogositra 2022


Zavatra mahafinaritra

Ireo vehivavy ao amin’ny Testamenta Taloha

Sary
illustration of different women from the Bible

Ampifandraiso amin’ny famaritana marina ny anarana tsirairay.

  1. Izaho no vehivavy voalohany teto an-tany. Adama no vadiko. Nipetraka tao amin’ny sahan’i Edena izahay (Jereo ny Genesisy 3:20.)

  2. Nisy lehilahy iray nangataka rano tamiko teo am-patsakana. Nomeko rano izy sy ireo ramevany folo. Avy eo niaraka taminy aho hihaona amin’ny lehilahy iray antsoina hoe Isaka. Lasa vadiko i Isaka. (Jereo ny Genesisy 24:15–19, 64–67.)

  3. Sahirana ny vahoakako. Nangatahiko izy ireo mba hivavaka sy hifady hanina ho ahy. Avy eo dia nangataka ny vadiko, ny mpanjaka, mba hanavotra azy ireo. Nihaino izy ary avotra ny vahoakako. (Jereo ny Estera 7:2–4.)

  4. Tsy afaka nanan-janaka aho nandritra ny taona maro. Nampanantena ny Tompo fa hanana zanakalahy aho. Nanana finoana sy faharetana aho. Nitahy ahy ny Tompo ka nanome ahy zanakalahy antsoina hoe Isaka. (Jereo ny Genesisy 21:1–3.)

  5. Mpitsara sy mpaminany aho. Nanampy ny Isiraelita hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra aho. Nihira aho mba hidera an’ Andriamanitra rehefa avy nanampy ny vahoaka Izy. (Jereo ny Mpitsara 4:4; 5:1–2.)

  6. Rehefa maty ny zanako dia nikarakara ahy i Rota vadiny. Rehefa nanambady indray i Rota ka nanan-janaka, dia nanampy tamin’ny fikarakarana ny zanany aho. (Jereo Rota 1:8, 14–18.)

  1. Rebeka

  2. Estera

  3. Debora

  4. Naomy

  5. Saraha

  6. Eva

Sary nataon’ i Simini Blocker

Hamoaka printy