2022
Fitsidihana ny tempoly
Jolay/Aogositra 2022


Fitsidihana ny tempoly

Sary
temple with palm trees outside

Toy ny ahoana ny ao anatin’ny tempoly? Jereo ny ao anatin’ny tempolin’i Rio de Janeiro, Brezila hahitana izany. Ny tempoly dia toerana handraisan’ny olona ôrdônansy (zavatra atao na fombafoma masina atao eo ambany fahefan’ny fisoronana, tahaka ny batisa).

Birao fanamarinana ny fahazoan-dalana

Sary
check-in desk with painting of Jesus on wall

Rehefa miditra ny tempoly ianao dia hisy olona mpilatsaka an-tsitrapo handray anao. Raha tonga eo ianao mba hatao batisa sy ho raisina ho mpikambana dia hasehonao ny taratasy fahazoan-dalana anao hidirana ny tempoly. Maneho izany fa vonona ny hiditra ao anatin’ny tempoly ianao. Afaka mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao ianao ny taona mahafeno 12 taona anao.

Toerana fanaovana batisa

Sary
baptistry inside temple

Ao amin’ny tempoly ianao dia azo hatao batisa ho an’ireo razambenao sy ny hafa izay maty tsy vita batisa. Azo raisina ho mpikambana ho azy ireo ihany koa ianao mba hahafahan’izy ireo mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Efitrano fanaovana ôrdônansy

Sary
room with chairs and curtain

Ato ianao dia hianatra bebe kokoa momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana sy ny tanjony ho antsika eto an-tany. Afaka manketo ianao indray andro any mba hanao fanekempihavanana na fampanantenana manokana Aminy.

Efitrano selestialy

Sary
beautiful room with chandelier and tall windows

Io efitrano tsara tarehy sy milamina io dia toerana hivavahana sy hieritreretana momba ireo zavatra tena manan-danja eo amin’ny fiainanao. Mampahatsiahy antsika ny mety ho toetry ny fonenantsika any an-danitra izany.

Efitrano famehezana

Sary
beautiful room with mirrors, chairs, and an altar to kneel at

Ao amin’io efitrano io ny mpivady dia afaka ny ho mpivady mandrakizay. Antsoina hoe famehezana izany. Mandohalika eo amin’ny alitara ny mpivady mba ho fehezina. Azo fehezina amin’ny ray aman-dreniny ihany koa ny ankizy eo raha toa ka natsangana na teraka talohan’ny namehezana ny fianakaviany.

Sary
Page from the July/August 2022 Friend Magazine.

Hamoaka printy