2022
Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ny Salamo
Jolay/Aogositra 2022


Tantara ao amin’ny soratra masina

Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ny Salamo

Sary
a man in Bible clothes playing a harp

Ny Salamo dia hira masina. Nosoratan’ireo olona tao amin’ny Baiboly ny Salamo mba hiderana an’ Andriamanitra. Maro amin’ny salamo nataon’izy ireo no mampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Indro ny zavatra ampianarin’ireo Salamo sasany ao amin’ny Baiboly.

Sary
Jesus calming a storm

Tiako ny Tompo. Izy no harambatoko sy vatolampy ialofako Hatoky Azy aho. Hidera Azy aho.

Sary
Jesus holding a small lamb

Jehovah no Mpiandry ahy. Mitarika ahy ho amin’ny ahi-maitso Izy. Mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Tsy hatahotra aho.

Sary
Jesus holding up a light

Jehovah no fahazavako. Tsy hatahotra aho. Hahery aho. Hampahery ny foko Izy.

Sary
Primary children singing at church

Tiako i Jesoa Kristy, ary tia ahy Izy. Afaka midera azy aho rehefa mianatra sy mihira momba Azy.

Sary
coloring page of Jesus holding a lamb

Sary nataon’i Apryl Stott

Hamoaka printy