2022
Maneho ny fiarahabana avy aty Cambodge!
Jolay/Aogositra 2022


Maneho fiarahabana avy aty Cambodge!

Miaraha amin’i Margo sy i Paolo eo am-pitetezan’izy ireo an’izao tontolo izao mba hahafantarana momba ireo zanak’ Andriamanitra.

I Cambodge dia firenena iray ao atsimo atsinanan’i Azia. Mihoatra ny 15 tapitrisa ny isan’ny olona any.

Manamory mora foana

Sary
boy and girl on a colorful boat

Mampiasa sambo antsoina hoe sampans ny olona hivezivezena eny amin’ireo renirano sy farihy.

Namana amin’ny antokom-pinoana hafa

Sary
Buddhist monks in orange robes

Mihoatra ny 95 isan-jaton’ny olona ao Cambodge no manaraka fivavahana antsoina hoe Bodisma. Ireo moanina bodista ireo dia manao akanjo volomboasary mba hanehoana ny finoany.

Fiteny ôfisialy iray

Sary
Church sign in Khmer

Io ny anaran’ny Fiangonana amin’ny fiteny Khmer, ny fiteny ôfisialin’i Cambodge.

Mpanampy amin’ny fijinjana

Sary
girl helping in rice field

Vary no foto-tsakafon’ny olona any Cambodge. Manampy amin’ny fiotazam-bary eny amin’ny saha mando antsoina hoe tanimbary ity tovovavy ity.

Tempoly voalohany

Sary
drawing of temple in Cambodia

Tamin’ny Ôktôbra 2018 no nanambarana ny tempoly voalohany ao Cambodge. Faly dia faly ireo mpikamban’ny Fiangonana tao!

Hamoaka printy