2022
Ny fikarohana ela nataon’i Michael
Jolay/Aogositra 2022


Mpamaky lay any amin’ny tany tsirairay

Ny fikarohana ela nataon’i Michael

Nanontany tena i Michael hoe iza no fiangonana marina.

Sary
boy in India walking to school

Nataon’i Michael teo an-tsorony ny kitapony. Andro voalohany handehanana any an-tsekoly tamin’io ary tsy andriny! Mipetraka any Inde izy sy ny fianakaviany. Maro ireo ankizy ao amin’ny tanàna misy azy no tsy afaka mandeha mianatra. Feno fankasitrahana i Michael fa nanana fahafahana hianatra.

Tiany ny nianatra, indrindra fa ny matematika. Tia mamaky gazetiboky ihany koa izy. Navadiny ireo pejy feno loko. Namaky momba ny biby sy toerana maro manerana izao tontolo izao izy.

Indray andro i Michael dia namaky gazetiboky iray hafa. Avy tamin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Tian’i Michael ny namaky izany. Te hianatra bebe kokoa izy.

Efa nandeha tany amin’ny fiangonana hafa i Michael taloha. Tiany ny nianatra momba an’i Jesoa. Saingy very hevitra izy indraindray. Iza no fiangonana marina?

Taty aoriana izy dia namaky kiboky momba ny mpaminany Joseph Smith. Nahatsapa zavatra niavaka izy raha namaky izany. Nitety fiangonana samihafa ihany koa i Joseph Smith hikarohana ny fahamarinana. Mety tahaka an’i Joseph angamba aho, hoy i Michael tao an’eritreritra.

Naniry ny handeha amin’io fiangonana vaovao io i Michael mba hijery hoe tahaka ny ahoana izany. Saingy tsy nisy fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany tany Inde. Kivy i Michael. Tsy nitsahatra nianatra araka izay vitany izy. Namaky ny Bokin’ i Môrmôna izy ary nivavaka. Fantany fa marina izany! Naniry ny hatao batisa izy. Saingy tsy maintsy niandry izy.

Nandeha ny taona. Rehefa feno 21 taona i Michael dia nisy misiônera mpivady zokiolona tonga tao Inde. Vita batisa ihany i Michael nony farany! Tsy ela dia afaka nandeha nitory ny filazantsara izy tany Utah, Etazonia.

Nandeha indray ny taona maro Indray andro dia nisy namana iray niantso azy. Nitady olona afaka manampy amin’ny fandikana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ho an’ny olona tany Inde ny Fiangonana. Natahotra i Michael tamin’ny voalohany. Saingy faly izy ny hanampy.

Indray tolakandron’ny volana ôktôbra dia nandika lahateny iray nataon’ny Filoha Nelson tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany i Michael. Nahare ny mpaminany nanao filazana izy hoe hisy tempoly haorina ao Inde! Te hihiaka am-pifaliana i Michael. Latsa-dranomasom-pifaliana izy.

Feno fankasitrahana noho ny zavatra rehetra nianarany tany an-tsekoly i Michael. Saingy ambonin’ny zava-drehetra dia feno fankasitrahana izy fa nianatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Faly izy fa olona maro ao amin’ny fireneny no afaka mianatra momba Azy ihany koa.

Tsy ho ela dia hisy tempoly any Inde!

Manana fiteny ôfisialy mihoatra ny 20 i Inde.

Misy misiôna anankiroa any Inde amin’izao fotoana izao.

Biryani (vary sy hena andrahoina miaraka amin’ny zava-manitra) no sakafo tian’i Michael indrindra.

Ny soratra masina tena tiany dia ny momba an’i Josefa ao amin’ny Testamenta Taloha.

Ankehitriny i Michael dia manampy amin’ny fandikana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ho an’ireo olona any Inde.

Hamoaka printy