2022
Hira tian’i Fatima indrindra
Jolay/Aogositra 2022


Hira tian’i Fatima indrindra

Sary
girl and mom walking together in Guatemala

Nitsambikimbikana i Fatima teny an-dalana. Handeha hody avy tany an-tsekoly izy miaraka amin’i Mamá. Mingonongonona hira izy eo am-pitsambikinana.

“Nangataka anay mba hianatra hira Rtoa Lopez,” hoy i Fatima. “Azonao ampianarina anankiray ve izaho?”

Hoy i Mamá nitsiky. “Mazava ho azy!”

Rehefa tonga tany an-trano izy ireo dia niaraka nihira i Mamá sy i Fatima. Nihira hira maro be izy ireo. Saingy tsy nihira an’ilay hira tena tiany izy ireo.

“Afaka mihira hiran’ny Kilonga ve izaho?” Hoy i Fatima nanontany.

“Eny,” hoy i Mamá

Nihira ny “Fianakaviana mandrakizay” i Fatima. Nianatra ny tonony niaraka tamin’i Mamá izy. Dia nihira izany irery izy. Nohirainy izany mandrapahaizany ny tonony rehetra tsy misy diso.

Tsy andrin’i Fatima ery ny hizara ny hirany amin’ny iray kilasy tany an-tsekoly.

“Misy te hizara ny hirany ve?” Hoy Rtoa Lopez.

Nanangan-tanana i Fatima. “Hanao izany aho!”

Nitsangana izy ary nitsiky. “Manana fianakaviana aho. Mifankatia ‘zahay,” hoy izy nihira.

Teo am-pihirany dia nahatsapa fifaliana i Fatima. Ary tsaroany ilay hira manontolo! Nitehaka ny rehetra tao an-dakilasy.

Sary
girl singing to classmates

Rehefa nirava dia tonga i Mamá haka an’i Fatima. Niresaka tamin’i Mamá Rtoa Lopez.

“Nihira hira tena tsara izy. Ary toa tsy natahotra mihitsy izy.”

Nitsiky i Fatima. Nitsiky koa i Mamá.

“Mihira hira mahafinaritra izahay isan-kerinandro any am-piangonana!” Hoy i Fatima.

“Afaka miaraka aminay ianao indray andro any,” hoy i Mamá.

Nitsiky Rtoa Lopez. “Misaotra.”

Nihirahira i Fatima rehefa niaraka nody tamin’i Mamá. Tiany ny mizara hira amin’ny iray kilasy aminy. Mahatonga azy ho falifaly ny mihira.

Sary nataon’i Alessia Girasole

Hamoaka printy