2022
Sekoly vaovao, namana vaovao
Jolay/Aogositra 2022


Sekoly vaovao, namana vaovao

Ahoana no ahazoan’i Ada namana raha tsy mahay miteny sinoa?

Sary
Mom hugging young girl wearing backpack

“Natahotra aho,” hoy i Ada. Andro voalohany handehanany an-tsekoly tamin’io tany Taiwan. Tsy niteny sinoa toa an’ireo mpianatra hafa anefa izy. Ahoana no hahazoany namana? Iza no hiaraka hilalao aminy mandritra ny fakan-drivotra?

Nofihinin’i Neny mafy i Ada. “Tsy maninona izany matahotra izany.”

Nikentrona i Ada. “Tsy haiko ny fomba hahazoana namana aty.”

Nofihinin’i Neny indray izy. “Raha matahotra ianao dia angamba afaka mieritreritra hiran’ny Kilonga iray. Mety hanampy ve izay?”

Nanaiky tamin’ny lohany i Ada. Avy eo nandeha niaraka tamin’i Neny izy nankao amin’ny efitrano fianarana. Efa niandry azy ny mpampianany. “Ni hao!” hoy ilay mpampianatra. Niezaka nitsiky i Ada. Tsy fantany ny dikan’ireo teny ireo.

Nanao veloma an’i Neny i Ada. Dia nahita latabatra izy ary nipetraka.

Nijery ireo ankizy hafa izy. Ny sasany amin’izy ireo dia mifampiresaka. Ny sasany dia mipetraka mangina tahaka an’i Ada. Natahotahotra i Ada. Toy ireny hoe nisy tantely naneno ireny tao an-kibony.

Avy eo i Ada dia nahita ankizivavy iray nitomany. Te hanampy azy i Ada. Ahoana anefa no hanampiana kanefa tsy mahay miteny sinoa izy? Ahoana raha tsy te hoampiana izy?

Saingy nataon’i Ada avy eo ny zavatra nolazain’i Neny. Nieritreritra ny tonon’ilay hira ao amin’ny Kilonga tiany indrindra izy manao hoe: “Aoka ianareo mba hifankatia.” Fantatr’i Ada fa nangataka azy hanampy ny Fanahy Masina.

Sary
girl comforting other child who is crying

Nipetraka teo akaikin’ilay ankizivavy i Ada. Nosakambininy izy. Avy eo dia nokapokapohany ny lamosiny toy ny nataon’i Neny rehefa malahelo i Ada. Tsy nitomany intsony ilay ankizivavy! Namihina an’i Ada izy.

Nanondro ny tenany i Ada. “Ada.”

Nanondro ny tenany ilay ankizivavy. “Mei,” hoy izy.

Nitsiky i Ada. Nipetraka teo akaikin’i Mei izy ny andro manontolo. Na dia samy hafa fiteny aza izy ireo dia niara-nifaly. Niara-nisakafo antoandro izy ireo. Niara-nilalao izy ireo nandritra ny fakan-drivotra. Ary nampian’i Mei i Ada hianatra teny vaovao amin’ny fiteny sinoa!

Sary
two girls jumping rope together

Tsy andrin’i Ada ny hitantara amin’i Neny ny momba ilay namany vaovao. Fantany fa rehefa nanaraka an’i Jesoa izy dia tsy tokony hisy zavatra hatahorany.

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney

Hamoaka printy