2022
Nanome sakafo ny noana i Jesoa
Jolay/Aogositra 2022


Manampy toa an’i Jesoa

Nanome sakafo ny noana i Jesoa

Sary
Jesus breaking bread for his disciples

Indray andro dia nampianatra vondron’olona mihoatra ny 5000 i Jesoa Kristy. Rehefa hariva ny andro dia naniry ny handefa ireo vahoaka hody hisakafo ireo mpianatra. Tsy tian’i Jesoa handeha izy ireo. Tiany homena sakafo izy ireo. Saingy mofo dimy sy trondro anankiroa ihany no nanan’izy ireo.

Notsofin’i Jesoa rano ny sakafo. Avy eo dia nozarain’ireo mpianatra izany. Nahazo sakafo ampy azy avy ny rehetra. Fahagagana izany!

Sary
group of boys with all the socks they collected

Nanao fanangonana ban-kiraro ny vondrona tovolahy iray tao Utah, Etazonia mba hanampiana fikambanana mpanao asa soa eo an-toerana izay manampy ny olona tsy manana trano. Nizara boky kely izy ireo. Andro vitsivitsy taty aoriana avy eo dia nahavoangona ban-kiraro sy vola hividianana ban-kiraro izy ireo. Afaka nanome ban-kiraro miisa 750 izy ireo!

Hamoaka printy