2022
Fifaninana manangona kitay
Jolay/Aogositra 2022


Fifaninana manangona kitay

Nilaza ny mpaminany fa tsy tokony hitsahatra miomana mihitsy isika.

Sary
boy holding firewood

Nihazakazaka mafy i Luke. Nitodika izy. Tratran’ i Robert zandriny izy!

“Boka! Anao izao!” Hoy i Robert.

Nivanivany i Luke. Nanenjika an’i Mili zokiny vavy izy.

Nipetraka naka aina ny rehetra rehefa avy nilalao.

“Inona no azontsika lalaovina izao?” Hoy i Mily nanontany.

Faly i Luke fa nanana zoky sy zandry hiarahana milalao. Saingy nanova zavatra maro ny COVID-19. Tsy afaka nandeha tamin’ny toerana be olona izy ireo. Ary indraindray tsy mahazo mivoaka mihitsy izy ireo.

Niezaka nieritreritra kilalao azon’izy ireo atao i Luke. Avy eo dia nieritreritra zavatra henony tany amin’ny kilonga izy.

“Mieritreritra aho hoe tokony hanao zavatra isika mba himanana,” hoy i Luke.

“Inona no tianao holazaina?” Hoy i Mily nanontany.

Nijery tany amin’ireo hazon-goavy manodidina ny tranon’izy ireo i Luke. “Nilaza ny mpaminany fa tsy tokony hitsahatra miomana mihitsy isika. Angamba afaka manangona kitay isika androany. Azontsika atao kilalao izany hahitana hoe iza no tena mahazo betsaka indrindra!”

Sary
boy and girl running and holding firewood

Nifanenjika teny amin’ireo hazo teo akaikin’ny tranon’izy ireo i Luke sy ny zokiny sy zandriny. Nanangona kitay teny an-tsandriny i Luke ary nandamina izany tao amin’ny trano fitehirizana. Rehefa tonga teo ny zokiny sy ny zandriny dia nampiany izy ireo handamina ny kitain’izy ireo ihany koa. Nihazakazaka nandroso sy niverina izy ireo mandrapahangon’izy ireo kitay be dia be.

“Ampy handrahoana sakafo mandritra ny herinandro manontolo ity!” Hoy i Mili.

“Nahafinaritra izy teo,” hoy i Robert. “Tiako ny vonona!”

“Izaho koa,” hoy i Luke. Te hanao zavatra hafa izy mba hoentina miomana.

Avy eo izy sy ny zokiny sy ny zandriny dia namboly bele (karazana anana) tao amin’ny zaridainan’izy ireo. Tapahan’i Luke avy amin’ny anana efa antitra ny tahony hovolen’izy ireo ka ho afaka mitombo bebe kokoa.

Teo am-panaovan’izy ireo izany dia nivoaka ny ray aman-drenibe sy ny ray aman-drenin’izy ireo.

“Nareo ihany ve no namboly ny bele?” Hoy i Dadabe nanontany.

“Eny,” hoy i Luke. “Ary nahazo kitay ihany koa izahay!”

“Misaotra anareo,” hoy i Dada. “Sahirana be aho androany. Tsy ho afaka nanao an’io mihitsy aho.”

Ny tolakandron’io dia nipetraka tao an-trano niaraka tamin’ny fianakaviany i Luke. Naheno filazana tamin’ny radio izy ireo fa tokony hijanona an-trano mandritra ny efatra andro ny rehetra mba hanakanana ny fiparitahan’ny COVID-19. Tsy nisy olona nahazo nivoaka ny tranony.

“Soa fa nanangona kitay isika androany. Tsy afaka hanao izany isika izao,” hoy i Mili.

Nitsiky i Luke. Faly izy fa nanaraka ny fanasan’ny mpaminany mba hiomana izy ireo.

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney

Hamoaka printy