2022
Ilay tanjona tena mamy
Jolay/Aogositra 2022


Ilay tanjona tena mamy

Tsy andrin’i David ny handeha any amin’ny tempolin’i Dubai indray andro any.

Sary
boy stacking sugar cubes to make a temple model

Nopotserin’ i David ny lakaoly ka nataony teo amin’ny bolongan-tsiramamy. Napetrany tsara ilay izy avy eo.

“Oay!” Hoy i Neny. “Tena mahafinaritra izany tempoly vita amin’ny bolongan-tsiramamy nataonao izany.”

“Misaotra!” Hoy i David. “Tempolin’ i Dubai ity. Tsy andriko ery izay hahavitan’ilay iray tena izy.

Nientanentana i David hatramin’ny nanambaran’ny Filoha Nelson ny tempoly vaovao iray tao amin’ny firenena nipetrahan’i David. Ny Émirats Arabes Unis dia nanana ny sasany amin’ireo trano avo indrindra eran-tany. Saingy mbola tsy nanana tempoly izy. Ity no tempoly voalohany indrindra any Moyen-Orient manontolo.

Napetak’i Davida teo amin’ ilay tempoliny ny bolongan-tsiramamy farany. “Izay!” hoy izy. “Vita.”

Niondrika i Neny mba hijery tsara izany. “Tena tsara! Aiza no hametrahantsika an’ito?

Hoy i David an’eritreritra. “Ahoana raha ao amin’ny efitranoko? Eo akaikin’ireo lamasiniko.” Tia lamasinina i David. Maniry ny ho lasa injenieran’ny lamasinina izy indray andro any.

“Hevitra tsara izany!” hoy i Neny.

Nentin’i Davida tamim-pitandremana tsara nankao amin’ny efitranony ilay tempoliny vita tamin’ny bolongan-tsiramamy. Napetrany tsara teo akaikin’ireo lamasinina kilalony izany. Tsy andriny ny hampiseho izany amin’ireo anabaviny sy ny dadany.

Ny ampitson’io dia tonga namangy azy ireo i Ana nenitoan’i David. Niresaka momba ilay zavatra tena tsy andriny indrindra izy ireo. Dia nieritreritra zavatra izy avy eo.

“Tianao ho fantatra ve ny zavatra tena mahafaly be ahy?”Hoy i David nanontany.

“Mazava ho azy!” Hoy i Nenitoa Ana.

“Hanorina tempoly eto Dubai ny Fiangonana izay falehan’ny fianakaviako!”

Nitsiky i Nenitoa Ana. “Toa zavatra miavaka be izany.”

“Izany mihitsy!” Hoy i David. “Amin’izao fotoana izao dia tsy misy tempolin’ny fiangonanay ety akaiky ety, koa tempoly any Suisse na Allemagne no fandehananay. Faly aho fa hisy anankiray akaikintsika. Nametraka tanjona aho ny ho any.”

“Mampientanentana tokoa izany!” Hoy i Nenitoa Ana. “Inona no ataonao mba hiomanana?”

“Mivavaka sy mamaky ny soratra masina aho,” hoy i David. “Ary miezaka manara-dia an’i Jesoa Kristy aho. Dia ho vonona ny ho any amin’ny tempoly aho!”

“Mahafinaritra izany,” hoy i Nenitoa Ana. “Azoko antoka fa hiasa mafy ianao hanakarana ny tanjonao.”

“Hanao izany aho!” Hoy i David sady nanetsika ny lohany tamin-kafaliana. Nahafinaritra ahy ny nizara zava-dehibe toy izany taminy.

Ny alin’io i David dia nangataka raha azony nafindra tao an-dakozia ilay tempoliny vita tamin’ny bolongan-tsiramamy.

“Tiako hapetraka amin’ny toerana ahafahantsika mahita azy foana izany. Tiako hotsaroana ny mijanona ho vonona foana ny ho any amin’ny tempoly.”

“Hevitra tsara izany,” hoy i Dada. “Hitako hoe manampy ahy ihany koa ny mahita isan’andro ny tempoly namboarinao.”

Nanampy an’i David hamindra an’ilay tempoly vita amin’ny bolongan-tsiramamy i Dada.

“Tena tsara,” hoy i Kaitlynn anabavin’i David.

“Rehefa vita ilay tena Tempolin’i Dubai dia afaka manasa ireo namako hahita izany ve aho? Hoy i David nanontany.

Nanaiky tamin’ny lohany i Neny. “Hevitra tena tsara izany!”

“Ary i Nenitoa Ana?”

“Mazava ho azy,” hoy i Dada.

Nitsiky i David. Feno fankasitrahana sahady izy noho ny tempolin’i Dubai!

Sary nataon’i Mark Robison

Hamoaka printy