2022
I Elia sy ilay feo tony sy malefaka
Jolay/Aogositra 2022


Tantara ao amin’ny soratra masina

I Elia sy ilay feo tony sy malefaka

Sary
Elijah walking up a mountain

I Elia dia mpaminany. Naniry ny handre ny feon’ Andriamanitra izy. Nandeha tany amin’ny tendrombohitra iray izy mba handre kokoa ny feon’ Andriamanitra.

Sary
Elijah watching rocks and trees blow

Nisy rivotra mahery tany. Tena mafy tokoa izany ka nandrava vato. Mafy ny feon’ilay rivotra. Saingy tsy feon’ Andriamanitra izany.

Sary
flames from a fire

Avy eo dia nisy horohorontany. Nampihozongozona ny horohorontany. Nisy afo ihany koa. Nitondra lelafo be izany. Saingy tsy feon’ Andriamanitra ilay horohorontany sy afo.

Sary
Elijah watching a peaceful sunset

Avy eo dia nangina. Naheno ny feon’ Andriamanitra i Elia. Tony sy malefaka izany. Saingy nazava.

Sary
children sitting in sacrament meeting

Afaka mandre ny feon’ Andriamanitra aho rehefa mihaino ny Fanahy Masina. Miresaka amiko amin’ny fomba kely sy tsotra izy. ●

Sary
coloring page of children singing

Sary nataon’i Apryl Stott

Hamoaka printy